- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: “Damaskaosy ity!”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Ity lahatsoratra ity dia ao anatin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011/12 [1].

Taorian'ny fahatapahana naharitra andro roa, niverina [2]indray ny tolotra aterineto tamin'ny Sabotsy teo, tao Damaskaosy sy ny manodidina azy ary ireo tanàna lehibe hafa , araka ny tatitry ny mpampahalala vaovao avy ao anatin'i Syria.

Nampanano-sarotra ny fanarahana ny toe-draharaha teny an-kianja ilay fahatapahan'ny serasera satria ambara fa niha-mafy ny fifandonana eo amin'ireo hery mpomba ny governemanta sy ireo mpihoko, indrindra fa any amin'ny faritra manakaiky ny seranam-piaramanidin'i Damaskaosy.

Miaraka amin'ilay ady izay tsy mampiseho mihitsy marika fisiàna fitonitoniana, ary ny serasera manjary miha-sarotra na tsy azo antoka intsony, nisy “fanentanana niainga tampoka izany ho fanehoana firaisankina [3] [ar] amin'ireo vahoaka Siriana voatampim-bava” natomboka tao amin'ny aterineto.

Tanaty hetsika iray hanehoana firaisankina amin'ny vahoaka Siriana, nanomboka nibitsika teo ambanin'ny tenifototra “#هنا_دمشق” [4], dikanteny Arabo amin'ny hoe #This_Is_Damascus (Damaskaosy ity) [5] ireo mpisera amin'ny aterineto. Nandritra ireny fotoanan'ny fahirano sy ny fahatapahana ireny, ireo olona avy amin'ny tanàn-dehibe rehetra maneran-tany dia nasaina daholo hanolotra fialokalofana vonjimaika ho an'i Damaskaosy.

Ilay fanentanana dia fampahatsiahivana ny antso “Avy aty Damaskaosy… Kairo ity!”, izay nalefa avy any Syria rehefa tonga tamin'ny fara-tampony ny Adin'ny Arabo sy Israeliana tamin'ny 1956 [6] fony nanafika ny foibe fanapariahana ny Radio Cairo ireo fiaramanidina mpiady an'ny Frantsay sy Britanika, niezaka ny hanàkana ny fakàn'i Ejipta notarihan'i Nasser ny Lakandrano Suez ho fananam-pirenena, nahavitan-dry zareo nampangiana tanteraka ny fandefasam-peo Ejiptiana.

BSyria mibitsika hoe [7]:

#This_is_Damascus, na Damaskaosy ity no tenifototra voahevitra tsara indrindra, manohina, ary manan-karena ara-tantara izay nivoaka avy tao amin'ny revolisiona Siriana hatreto.

#This_Is_Damascus.. The Syrian revolution flag flies high in Jerusalem [4]

#This_Is_Damascus.. Ny sainan'ny Revolisiona Siriana mihofahofa ambony tokoa tao Jerosalema. Sary nozarain'i @prometheus_92 tao amin'ny Twitter

Ny olona sasany avy ao Syria dia afaka ihany koa nirotsaka an-tsehatra tamin'ilay fanentanana. Toy ny tamin'ny 2011, Google sy Twitter dia namerina namelona indray ny Speak To Tweet [8], tolotra iray ahafahan'ireo mpampiasa azy mampakatra bitsika amin'ny alàlan'ny feony amin'ny fiantsoana laharan'antso iray iraisampirenena ary mametraka hafatra am-peo, tahaka ity mpiantso tsy nitonona anarana ity izay niteny fotsiny ny hoe :

This is Damascus! [9]” (Damaskaosy ity!)

Fanehoan-kevitra vitsivitsy:

farooos manoratra hoe [10]:

Teny amin'ny manodidina ihany i Damaskaosy hatrany amin'ny fiantombohan'ny fotoana. Tsy nisy tapaka, tsy ny daroka baomba mafonjan'i Assad no hampandohalika anay #This_Is_Damascus #Syria

Rime Allaf manoratra hoe [11]:

Azonao atao ny mitondra “Damascene” (teratany iray avy ao Damaskaosy) hivoaka ivelan'i Damaskaosy, saingy tsy ho azonao alàna velively ao am-ponay i Damaskaosy. #This_is_Damascus

Razan Ghazzawi manoratra hoe [12]:

Marary ny fonay, tsy hoe fotsiny noho ny alahelo an'ireo mpiara-mitolona, ireny mpiara-mitolona hotsaroan'ny tantara ireny. Marary ny fonay maniry hahita ny lahatsoratr'izy ireny, ny eritreriny, ny heriny sy ny tanjany izay toy ny areti-mifindra. Oh! tara kely foana ny revolisiona iray ianareo, raha toa mihevitra azy ireo hoe any ivelan'ny aterineto.

Tsy any ivelan'ny aterineto i Syria.
Ny ambin'izao tontolo izao no any.

Malahelo anareo ny tenako ry mpiara-mitolona. Maharary tokoa izany.

Sarab mibitsika hoe [13]:

tsy ho azonareo atsahatra ny revolisiona. #هنا_دمشق

Taher Ishaid manampy hoe [14] [ar]:

عندي شعور قوي جداً ان نهاية بشار اقتربت ، ولاكن اتمنى بعد رحيله ان تحافظ سوريا على وحدتها #هنا_دمشق

Manana fahatsapàna lalina aho fa toa efa akaiky ny fiafaràn'i Bashar [al Assad], saingy izaho manantena fa hitazona ny firaisankinany i Syria aorian'ny fandehanany, #This_Is_Damascus Damaskaosy ity

Ity lahatsoratra ity dia ao anatin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011/12 [1].