Mexico: Tanaty Hetsi-panoherana Sy Korontana No Nianianan'i Enrique Peña Nieto Ho Filoham-Pirenena

Tamin'ny 1 Desambra 2012, tao anaty hetsi-panoherana sy korontana teny akaikin'ny Lapan'ny mpanao lalàna ao San Lázaro  sy ny Anjelin'ny Fahaleovantena ary ny Zovalo ao afovoan-tanànan'i Mexico i Enrique Peña Nieto no nanao fianianana ho filohan'i Meksika.

Nirin'ireo mpanao fihetsiketsehana izao tontolo izao mba hahalàla mikasika ny tsy fankasitrahany ny antsoin-dry zareo hoe fametrahana an-terisetra an'i Peña Nieto ho filoha. Tao anatin'ny tranon'ny Antenimiera, nanantona [es] sorabaventy goavana iray ireo mpikamban'ny kaongresy, izay nivaky hoe “Tanteraka ny fanerena, Misaona i Meksika”.

Ary koa, tao amin'ny Twitter dia naneho ny tsy hafaliany ireo mpisera anaty aterineto, mikasika ilay fanokanana izay nampiasàna ny tenifototra #MexicoNoTienePresidente [es] (Tsy manana filoham-pirenena i Meksika) izay nanjary lohahevitra nalaza erantany. Niresaka ihany koa izy ireo momba ny famindram-pahefana natao tamin'ny misasakalina, tao amin'ny Lapan'ny Filoham-panjakana ary tsy natrehan'ny mpampahalàla vaovao.

Ny hetsika #YoSoy132 ( 132 Aho) dia namoaka tao amin'ny Facebook ny lisitr'ireo hetsi-panoherana [es] tao Meksika sy tany ivelany.

Sorabaventy nihantona tamin'ny iray tamin'ireo fefy niaro ny San Lázaro nandritra ny fanokanana ny filoha. Sary avy amin'i Eneas  mpampiasa Flickr (CC BY 2.0)

Tao an-tanànan'i Mexico, mba ‘hiarahaba’ an'i Peña Nieto dia nanomboka nifamory teo amin'ny tsangambaton'ny Revolisiona ireo tanora mpanao hetsi-panoherana, teo amin'ny manodidina ny 4 ora maraina, niaraka tamin'ny tanjona hibodoana an'i San Lázaro ( Foiben-toeran'ny Antenimeram-pirenena ary toerana mahazatra fanaovan'izay ho filoha ny fianianany).

Tetsy andaniny, naminavina ireo hetsi-panoherana hitranga, herinandro nialoha dia nakaton'ny [es]  governemanta ireo tobim-piarandalamby ambanin'ny tany miisa 5 manakaiky ilay toerana ary nametrahany fefy hiarovana ny Lapan'ny mpanao lalàna.

Nanomboka tam-pilaminana ilay hetsika niala avy eo amin'ny tsangambaton'ny Revolisiona, saingy vantany vao tonga teo amin'ny San Lazaro dia vaky ny fifandonana tamin'ny polisy. Marobe ireo mpanao fihetsiketsehana no nitaraina fa vokatry ny fisian'ireo olona niniana natsofoka tao anaty hetsika no nahatonga ny herisetra, ary ireo polisy tsy mahafehy ny asany amin'ny fanakànana herisetra. Ireo tenifototra #OcupaSanLázaro [es] (Bodoy i San Lazaro) sy #1DMx [es] dia nahangona ny marobe tamin'ny tatitra.

NickOps (@nickops) [es], Bilaogera, nizara hoe:

@nickops: Entre consignas avanza contingente sobre Eje 1 norte para llegar a #ocupaSanLazaro http://twitpic.com/bi2mf1 

@nickops: Tanivon'ireo hiaka maro, nizotra ho any Eje 1 Anavatra ilay hetsi-panoherana ho any #ocupaSanLazaro http://twitpic.com/bi2mf1 

Mafer Rodríguez (@Marifeeer) [es], mpampianatra Siansa Politika eny amin'ny anjerimanontolo, nilaza hoe :

@Marifeeer: RT @felipetuiter: Gas y golpes de federales en #OcupaSanLázaro http://pic.twitter.com/iRR7NtMa #MexicoNoTienePresidente // #NosTienenMiedo

@Marifeeer: RT @felipetuiter: Entona sy daroka avy amin'ny (polisy) federaly  tamin'ny #OcupaSanLázarohttp://pic.twitter.com/iRR7NtMa #MexicoNoTienePresidente // #NosTienenMiedo (Matahotra antsika ry zareo)

Epigmenio Ibarra (@epigmenioibarra) [es], mpanao gazety, dia nampahafantatra hoe :

@epigmenioibarra: Tregua en #OcupaSanLazaro. La PF hizo tiros directos con granadas de gas lacrimigeno. El muro fue derribado tres veces.

@epigmenioibarra: Fitsaharana any amin'ny #OcupaSanLazaro. Manao tifitra mivantana amin'ny kapoakan'entona mandatsa-dranomaso ny polisy. In-telo rava ny rindrina.

Hermano Pher (@Teotihuachango) [es], mpanoratra, dia nitatitra hoe :

@Teotihuachango: Estuve en #OcupaSanLázaro y de ahí fuimos al zocalo. Represión al máximo, un policía en moto intentó golpearme.

@Teotihuachango: Tany amin'ny #OcupaSanLázaro aho ary avy any izahay dia nankany Zocalo. Tonga tamin'ny tampony ny famoretana, polisy iray nitondra moto no niezaka ny hamely ahy.

Pateando Piedras (@PateandoPiedras) [es], Bilaogera [es] sady mpampiasa Twitter, dia niantso vonjy ho fampitsaharana ny herisetra :

@PateandoPiedras: La seguridad somos todos identifica a los violentos, usa Zello el canal es 1dmx, esto va para largo. Toma agua y ayuda a los heridos

@PateandoPiedras: Mahakasika ny tsirairay ny resa-piarovana. Fantaro ireo mpanao herisetra, ampiasao ny fantsona 1dms an'ny Zello, mbola handeha io ato anatin'ny fotoana fohy. Mitondrà rano ary ampio ireo maratra

@ThinkMexican  nizara ity lahatsary manaraka ity avy amin'i gruporeforma [es] mba hanehoana ny fomba fanaon'ireo jiolahimboto nampidirina tao anatin'ny hetsika:

Ao anatin'ity lahatsary iray hafa ity dia niteny mikasika ireo zava-nitranga tamin'iny andro iny i @PateandoPiedras [es] :

Tamin'ny fotoana hamaranana ity lahatsoratra ity, mbola mitohy ny fifandonana ary nakatona [es] i Zocalo tsy ho azon'ny mpanao fihetsiketsehana haleha. Marobe ireo olona voalaza fa naratra mafy tokoa [es], isan'izany ny lehilahy iray poaka maso an'ila noho ny bala fingotra natifitry ny polisy. Ankoatra izany, marobe ireo manampahefan'ny polisy naratra ary hafa sempotry ny entona mandatsa-dranomaso nalefan'izy ireo ihany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.