- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Saodiana Mpikatroka Mafàna Fo : “Fitsabahana Manadihady Tafahoatra Izao, Fanenjehana Anay Noho Ny Fomba Fijerinay/Fihevitray”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Lalàna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Natao androany 01/12/12 tao amin'ny Fitsarana Heloka Bevava tao Riyad  ny fakàna am-bavany fahafito amin'ny fotoam-pitsarana misy amin'izao fotoana an'ireo mpikatroka roa mafàna fo mpiaro zon'olombelona, Mohammad Al-Qahtani [1] sy Abdullah Al-Hamid [2]. Tamin'ny fakàna am-bavany farany [3], namaly ireo fiampangàna ny mpiaro ny voampanga, ary androany, nitondra ‘fanazavàna’ misimisy kokoa ny avy amin'ny fampanoavana. Iraika ambinifitopolo ireo mpanohana tonga nanatrika ny fotoana, vehivavy ny telo. Ankoatra izany, ny mpifandray amin'ny Al Jazeera, Sky News sy AFP dia tao koa.

Natomboky ny mpampanoa lalàna tamin'ny fanazavàna fa hoe raha ny marina dia tsy ampangaina noho ny “fanohintohinana ny fandrosoan'ny firenena” ireo mpikatroka roa mafàna fo, fa kosa “mikasa ny hanohintohina ny fandrosoan'ny firenena”. Nambarany fa mivandravandra be ny fahasamihafàna eo amin'ireo roa ireo ho an'izay misy atidoha.” Notanisainy ny fangatahan-dry zareo hanao hetsika am-pilaminana sy porofo mivaingana ireo antoko politika. Nambarany ihany koa fa : “na iza na iza nanaraka ny nosoratan'ireo olona roa ireo, dia tsy misy mahita filazàna zavatra tsara ao anatiny na iray aza. Midika izany fa tsy mikatsaka afa-tsy ny tsy fahalavorariana ry zareo”

Nampian'ny mpampanoa lalàna porofo vaovao hanaporofoana ny tsy fanajàn'i Dr. al-Hamid ny mpitondra fivavaham-panjakàna indray : hadisoana tamin'ny fanoratana ny anaram-pianakavian'i Muhammad ibn al Uthaymeen [4], izay mpitondra fivavahana fatra-pandàla ny nentin-drazana tokoa ary hajaina fatratra. Tao anatin'ny bitsika iray avy aminy, nampangaina i al-Hamid ho nitanisa ny anaram-pianakavian'i Uthaymeen tamin'ny fomba hampaneno azy io tahaka ny hoe “Muhammad, ilay zanaky ny momba.” Saodiana iray mpampiasa Twitter no naneho fa  ‘nibaiko tena nanitsy’ ny teny Arabo fanoratana ny hoe ‘Uthaymeen‘ hivaky toy ny ‘momba‘ ny iPhone [5]. Ilay Saodiana mpikatroka mafàna fo, Sultan al-Fifi, dia naneho tamim-panesoana  ny hagagàny:

لم أكن أعلم أن ملاحقة مرتكبي الأخطاء المطبعية من صلاحيات هيئة التحقيق والادعاء العام 🙂 #محاكمة_حسم

@SultanAlfifi [6]: Tsy nahalala aho hoe anjara asan'ny Birao mpanao fanadihadiana sy ny mpampanoa lalàna koa ny asan'ny mpitsara ny diso fanoratra 🙂

Ireo mpanatrika, taorian'ny niafaràn'ny fotoana. avy amin'i @alajmi01

Tamin'ny fotoana teo aloha, niteny ny mpitsara fa nanana rakitra anaty CD misy ireo mpikatroka roa mafàna fo ireo izy ary namaky sasantsasany tamin'ny bitsika nalefan'i Dr. al-Qahtani, izay nahatonga ny ahiahiny androany, nitsaràny fa hoe tsaratsara ho azy aloha ny mitondra ny mpampanoa lalàna mivoaka miresaka mitokana ivelan'ny trano fitsaràna, izay manitsakitsaka tanteraka ny tsy fiandàniana. Nilaza ny mpitsara fa tamin'ny alàlan'ny ‘fantsona ofisialy’ no nahazoany ireo bitsika sy CD ireo. Namaly i Dr. al-Qahtani : “Tsy maintsy eto daholo ny porofo rehetra no aseho, eto anoloanay. ” Nilaza ny mpitsara fa tsy fanamarihana tahaka izany no ndeha handaniany fotoana. Niteny i Dr. al-Hamid : “Tsy miezaka ny hanodinkodina ny didy havoakanao izahay, saingy misy ny dingana izay tsy maintsy arahana.”

Nangataka i Dr. al-Hamid avy eo :

Ireo izay miteny fa voaràra ny fihetsiketsehana, inona no mba vitan'izy ireny? Nahavita namerina ireo tany nangalarina va re ry zareo? Ny tolona am-pilaminana no làlana… Fitsabahana manadihady tafahoatra izao, fanenjehana anay noho ny fomba fijerinay/fihevitray. Enjehinareo izahay satria izahay mino ny herin'ny tolona am-pilaminana.

Rehefa niteny ny mpitsara fa tsy afaka hanaporofo ny fitànana tsy an-drariny olona maherin'ny 30.000 [7] ireo mpikatroka roa mafàna fo, [7] dia nolazain'izy ireo indray mandeha indray, “sokafy ny fonja rehetra dia ho hitanareo ny amin'izay.” “sahala amin'ny fangatahana olona iray hanisa volon-drameva izany” hoy izy ireo nanampy..

Nanontany an'i al-Hamid ny mpitsara, “inona no tianao holazaina amin'ny hoe tolona am-pilaminana?” Namaly i al-Hamid hoe :

هذه محاكم تفتيش تحاكما على آرائنا. تحاكمنا لأننا نؤمن بالجهاد السلمي. أقسم بالله أنك إن سجنتنا 3 أشهر أو 30 سنة فلن نبالي وسنحتسبه جهادا سلميا وسيكمل الشباب من بعدنا المشروع.

Fitsabahana manadihady tafahoatra izao, fanenjehana anay noho ny fomba fijerinay/fihevitray. Enjehinareo izahay satria izahay mino ny herin'ny tolona am-pilaminana. Anaovako voady amin'Andriamanitra fa na hosazianareo 3 volana na 30 taona an-tranomaizina aza izahay, hotohizanay ny tolonay am-pilaminana ary hanaraka aorianay ny tanora.

Nirefodrefotry ny tehaka ilay trano fitsarana, rakotra tanora, izay nahatonga ny mpitsara tsy hahazo aina. Nibaiko ireo polisy izy hamoaka ny mpanatrika rehetra ho any ivelan'ny trano fitsarana ary nobaikoany ny hitànana ny iray tamin'izy ireo mandritra ny 24 ora, saingy avy eo dia nofoanany ilay baiko taorian'ny nangatahan'i Dr. al-Qahtani mba hatao toy izany koa.

Al-Qahtani mibitsika hoe :

@MFQahtani [8]: #ACPRA_trial (fitsarana _ACPRA) nifarana tamin'ny @ 10:30 maraina, taorian'ny tsy nanajan'ny mpanatrika ny baikon'ny fitsarana tamin'ny alàlan'ny fitehafana & fihogahogàna nandritra ny fakàna am-bavany, tsy ho ela ny antsipirihany. #Saudi #acprahr.

Amin'ny Sabotsy 8 Desambra no hatao ny fotoam-pitsarana manaraka.