02 Desambra 2012

Tantara tamin'ny 02 Desambra 2012

India: Fanolanana Ao Haryana Niteraka Diabe Ho Fanoherana Ny Herisetra

  02 Desambra 2012

Tao anatin'ny volana vitsivitsy izay dia nanjary toy ny mahazatra ny naheno resaka fanolanana tao amin'ny fanjakana Indiana ao Haryana. Natao ny diabe naharitra sivy andro hanavatsavana tanàna sy tanandehibe any Haryana antsoina hoe Dalit Mahila Garima Yatra (Diabe ho amin'ny hambom-pom-behivavy Dalit) hihaonana amin'ny niharan'ny fanolanana, manampahefana ary ny fokonolona

Te-ho Filoham-pirenena Vaovao Meksikana Daholo Ny Olon-drehetra

  02 Desambra 2012

Raha i Enrique Peña Nieto nianiana ny ho filoham-pirenena vaovaon'i Meksika, ireo mpisera amin'ny ateriet kosa nanomboka nampiasa ny tenifototra #SiYoFueraPresidente (Raha mba izaho no filoha) mba hizaràna ny fomba fijerin'izy ireo mikasika ny olana maika indrindra mihatra amin'ny firenena.

Saodiana Mpikatroka Mafàna Fo : “Fitsabahana Manadihady Tafahoatra Izao, Fanenjehana Anay Noho Ny Fomba Fijerinay/Fihevitray”

Natao androany 01/12/12 tao amin'ny Fitsarana Heloka Bevava tao Riyad ny fakàna am-bavany fahafito amin'ny fotoam-pitsarana misy amin'izao fotoana an'ireo mpikatroka roa mafàna fo mpiaro zon'olombelona, Mohammad Al-Qahtani sy Abdullah Al-Hamid. Tamin'ny fakàna am-bavay farany, namaly ireo fiampangana ny mpiaro ny voampanga, ary androany, nitondra 'fanazavana' misimisy kokoa ny avy amin'ny fampanoavana