Niverina indray tao amin'ny foiben'ny revolisiona Ejipsiana, ao an-kianja Tahrir, ao afovoan-tanànan'i Kairo ny Ejipsiana, mba hanohitra ny fahefana mihoampampana nataon'ilay filoha vaovao voafidy Mohamed Mursi ho azy manokana. Anisan'izany ny volavolan-dalàm-panorenana nambarany omaly (30 Nov 2012), izay novolavolain'ny antoko Islamista tarihiny, izay maro an'isa ao amin'ny antenimiera, ary mametraka soatoavina Islamika vaovao ao amin'ny firafitry ny governemanta ao Ejipta sy ny fifanekena izay manohintohina ny zon'ny vehivavy sy ny fahalalaham-pitenenana.
Nirohotra teny an-dalambe ny mpanao fihetsiketsehana valo andro lasa izay raha nanindry ny fitsarana i Mursi, ka nanambara fa tsy mahazo mitsipaka ny fanapahan-keviny ny fitsarana. Nahatezitra ireo Ejipsiana marobe izany, izay niara-nirohotra teny amin'ny kianjan'i Tahrir ho fanoherana izay antsoin'izy ireo hoe Farao vaovao ao Ejipta sy ny antokony Mpirahalahy Miozolomana, izay lazain'izy ireo fa manangona fahefana tafahoatra.
Tonga tao amin'ny kianjan'i Tahrir ilay bilaogera Lilian Wagdy androany ary nizara ity sary manaraka ity tao amin'ny kaonty flickr-ny.
Maro ireo niantso an'i Morsi ho Farao vaovao ao Ejipta, nanao kisarisary fampitahàna an'i Morsi sy ireo mpanao didy jadona tahaka an'i Mussolini sy Hitler. Anarana iombonana nampiasain'ireo mpiserasera ho azy ny hoe Mursolini – izay misolo ny anarany sy i Mussolini.
Wagdy nizara ity sary ity tamin'ny fihetsiketsehana androany, nitafy toy ny Farao ilay mpanao fihetsiketsehana:
Toy izao ny fivakin'ny sora-baventy nolanjain'ireo mpanao fihetsiketsehana [ar]:
Tsy manaiky ny fahefana mihoampampana. Tahaka ny fahaterahan'i Hitler indray ny fahaterahan'i Mursi. Kolikoly tafahoatra ny fahefana tafahoatra
Ny hafa kosa niantso ho amin'ny fiafaran'ny tsy fahalalana:
Ny hafa kosa nanameloka ny fahefana tsy mitsaha-mitombo ananan'ireo Mpirahalahy Miozolomana, izay i Mursi no lehiben'ny fikambanana:
Notsarovana ihany koa ireo martiora tamin'ny revolisiona ejipsiana tamin'ny fihetsiketsehana androany. Wagdy nizara ireto sary ireto:
Hofaranantsika amin'ity sary miendrika faneva tao an-kianjan'i Tahrir tamin'ny alina ity: