Matimaty [tsy mafana tsy mangatsiaka] ihany ny fomba nandraisan'ny mpiserasera ny toetra avy amin'ny “fisiana manokana” misy an'i Palestina mankamin'ny maha-“fanjakana tsy miankina” ao amin'ny Firenena Mikambana – izay manontany izay azon'i Palestina amin'izany fihetsika ‘saimbolika’ ao amin'ny Firenena Mikambana izany, indrindra ho an'ireo miaina amin'ny fibodoana Isiraeliana sy ireo mpialokaloka.
Miahiaka avy any Gaza i Lina Al-Sharif:
@livefromgaza: Tsy Ramallah no renivohitro, Jerosalema no izy. Ary Palestina IRAY manontolo no tanindrazako. TSIA amin'ny #Palestine194
Manontany i Adam Al Aqqad:
@Abou_Charlie: Inona no ilàna ny #Palestine194? amin'ny Palestinianan'ny taona 48? amin'ny Palestiniana monina amoron'i Jordana? amin'ny Palestiniana ao Gaza? amin'ny mpialokaloka Palestiniana?
Nampiany:
@Abou_Charlie: Tsarovy fa izao no fototra, tolon'ny mpialokaloka ny tolona Palestiniana. Mifarana eo amin'ny zon'ny mpialokaloka ny tolonay. #Palestine194
Nisioka ny Palestiniana Doc Jazz:
@docjazzmusic: Saimbolika? Efa rendrika ao anatin'ny saimbolisma anie isika. Avereno ny taninay, ny zonay, ny fahafahanay, fa tsy fihetsika ‘saimbolika’ amin'ny antsoinareo hoe ‘fanjakana’.
Ampiany:
@docjazzmusic: Raha manohana an'i Isiraely ara-politika, toekarena ary ara-miaramila ry zareo dia manohana an'i Palestina ara-saimbolika. Ary dia heverina hifampiarahaba isika.
Nanamarika i Ahmed Shihab-Eldin:
@ASE: Izany hoe, Manaiky an'i Palestina ho fanjakana ny Firenena Mikambana amin'ny fotoana hanekeny ihany koa fa mibodo an'i Amoron'i Jordana sy Gaza i Isiraely. Hmm.
Nandritra ny Fivoriamben'i Firenena Mikambana tamin'ny alina, firenena 138 no nifidy ara-teknika amin'ny fanaovana an'i Palestina ho firenena faha-194 amin'ny sata maha-fanjakana tsy mpikambana azy ao amin'ny fikambanana mondialy.
Nisioka ny filohan'ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana Vuk Jeremić:
@UN_PGA: Ny firotsahan'i #Palestine dia neken'ny @UN #UNbid Eny – 138, Tsia – 9, tsy naneho hevitra – 41 pic.twitter.com/6wD4EbgT
Nozarainy ny kopian'ny lisitry ny firenena izay nanaiky sy nandà ary ireo tsy nifidy [jereo ny sary eto ambany].
Ireo firenena manohitra ny fitsapa-kevitra dia Isiraely, Kanada, Nauru, Palau, Nosy Marshall, Micronesia, Panama, ny Repoblika Czech ary i Etazonia – izay ahafahan'ny mpiserasera mianatra momba ny firenena sasany tsy mbola reny mihitsy hatramin'izay.
Mananihany ilay Isiraeliana Maya Norton:
@mayanorton: Ity no mba ahenoako amin'ny gazety izany Nauru, Palau, ny nosy Marshall & Micronesia. tahaka ny fanambarana an-gazety izy ity.
Mitsipatsipaka avy any rehetra any ny tsikera ary tratrany daholo. Ny sasany aza tsy resy lahatra momba ny Firenena Mikambana – sy ny anjara toerany. Mizara ny fihetseham-pony momba ny Firenena Mikambana i Muiz:
@muiz: Ny FM no fanazavana lehibe amin'ny fahafoanan'ny teny sy ny fihetsika azo tsapaintanana. Tena maro tokoa ny fanohanana am-bava an'i #Palestine – tena kely tokoa ny hetsika azo tsapain-tanana
Nahazo ny anjara tsikerany koa i Etazonia. Nisioka i Samar Dahmash Jarrah:
@ArabVoicesSpeak: Hijoro any amin'ny toerana ratsy ao amin'ny tantara tahaka ny hita matetika i Etazonia #UNBID
Ary ny Irakiana Mina Al-Oraibi misioka fa tsy azo ekena ny mahita ny filoha ejipsiana Mohamed Morsi mikabary mandritra ny fotoana hanaovana ny fifidianana:
@AlOraibi: Tsy mampino ny filoha ejipsiana nisafidy ny hitafatafa mandritra ny fotoana hanaovana fifidianana momba an'i Palestina! Miresaka zavatra tsy azo ekena
Ary nanohy izy:
@AlOraibi: Am-polony taona maro izay no nanao tsinontsinona ny fiarovana ny Palestiniana ny Filoha sy mpanao politika Arabo – malahelo mahita fa manao toy izany i Morsy.
Tao Bethlehema, George Hale nizara ity saripika [eto ambony], izay nahitana ny kabarin'ny mpitarika Palestiniana Mahmood Abbas tamin'ny kabarin'ny Firenena Mikambana tamin'ny rindrina mampisaraka amin'Isiraely:
@georgehale: Sary – Sehatra tao Bethlehema izay nijerena ny kabarin'i Abbas tao amin'ny Firenena Mikambana natao tamin'ny rindrin'Isiraely pic.twitter.com/sUTT6KjQ
Avy any Ramallah, nisioka ny sehatry ny fankalazana i Rania Zabaneh:
@RZabaneh: Ary mitohy ny fetin'ny #UNBid ao Ramallah: Mihiakam-pifaliana amin'ny feon'ny “i3linha ya sh3bi” [Dika: Lazao izany, Ry Oloko]. Saripika: pic.twitter.com/CN5XYZgo
Na izany aza, tsara ny fientanana an-tserasera. Nanamarika i Dima Khatib fotoana vitsy monja ny fifidianana:
@Dima_Khatib: Raha tsy jerena ny fahombiazan'ny #UNBid: fanohanana mahafinaritra ho an'i Palestina avy amin'ny ankamaroan'ny firenena manerantany, manohitra ny sitrapon'i Isiraely/Etazonia
Mandritra izany fotoana izany, ao Isiraely, nisioka i Joseph Dana:
@ibnezra: Ao amin'ny firenena tokony ho 7 tapitrisa, manodidina ny 500 ny Isiraeliana no nanao fihetsiketsehana, ao Tel Aviv, amin'ny fanaovana an'i Palestina ho Fanjakana ao amin'ny Firenena Mikambana.
ary nananihany izy avy eo:
@ibnezra: Farany: Tezitra i Vatikana fa hanitsakitsaka tsy ho ela ny sata manokana ananany ao amin'ny Firenena Mikambana i Palestina
Raha te-hahita resadresaka bebe kokoa, amarino amin'ny alalan'ny tenifototra #Palestine194 sy #UNBid.
Vakinteny fanampiny:
Reuters: Fanontaniana sy valiny momba ny fampiakaran-danjan'i Palestina ao amin'ny Firenena Mikambana?