- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Polisy Toniziana Nampiasa Basim-borona Nitifirana Mpanao Fihetsiketsehana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Manodidina ny 265 ireo olona naratra tamin'ny Alarobia nandritra ny andro faharoa nifandonan'ireo mpitandro ny filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana tao Siliana, Avaratra-Andrefan'i Tonizia. Nanomboka tamin'ny 27 Novambra ny fifandonana, raha nikarakara fitokonana faobe teny an-dalambe ireo mponina ao Siliana, faritra mahantra fadiranovana, mba hitaky ny fialan'ny governora ao an-toerana, ny fandrosoan'ny toekarena ao amin'ny faritra ary nitaky ihany koa ny fanafahana ireo mpanao fihetsiketsehana nosamborina nandritra ny fitroarana tamin'ny volana Aprily.

Ny nanaitra ny saina tamin'ity fifandonana ity dia ny fampiasan'ny polisy basim-borona nitifirana ireo mpanao fihetsiketsehana. Nanamafy i Ali Laarayedh, Minisitry ny Atitany ao Tonizia, fa nampiasa basim-borona ny polisy mba  “handravana ireo asa famotehana sy fandrobàna”, hoy ny fanambarany omaly nandritra ny fandaharana resadresaka tamin'ny fahitalavi-panjakana Al-Wataniay TV 1.

Tamin'ny 28 Novambra, Sami Ben Gharbia [1] nitatitra vaovao [2][ar] tao amin'ny Nawaat.org [3] :

حسب التقارير المصورة و المكتوبة للإحتجاجات التي شهدتها مدينة سليانة البارحة تأكد خبر سقوط العديد من الجرحى جراء استعمال سلاح جديد من قبل قوى «الأمن» ل «احتواء المظاهرات» و الإحتجاجات الإجتماعية و الإقتصادية. و على ما يبدو فإن أمن السيد وزير الداخلية علي العريض بصدد استعمال سلاح جديد في تونس كان قد تم التنديد باستخدامه دوليا خاصة في البحرين

Araka ny voalazan'ireo nanatri-maso sy ny tatitra an-tsoratra momba ny fihetsiketsehana omaly tao Siliana, olona naratra marobe no voarakitra vokatry ny fampiasan'ireo mpitandro ny filaminana basy vaovao, izay niezaka “handrava” ny hetsika ara-tsosialy sy toekarena. Fantatra fa mampiasa basy vaovao ireo polisin'ny Minisiteran'ny Atitany Ali Laarayedh, izay melohin'ny iraisam-pirenena ny fampiasana izany, indrindra tao Bahrain.

Ben Gharbia nanampy hoe:

وقد جاءت شهادات المواطنين و الأطباء لتؤكد خبر أستخدام قوات الأمن التونسي بسليانة لبنادق الصيد لتفريق المتظاهرين و إصابة البعض بشظايا رصاصها. إسم السلاح المستعمل في البحرين و الذي يبدو أنه استعمل هو أو شبيهه في تونس هو “الشوزن“. و هو عبارةعن بنادق للصيد ذات الرصاص المتشظي أو الانشطار ش

Nanamafy ihany koa ny fijoroana vavolombelona avy amin'ireo olom-pirenena sy ny dokotera fa nampiasa basim-borona ireo mpitandro ny filaminana Toniziana tao Siliana mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana ka naratra tamin'ny bala fitifiram-borona ny sasany tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana. Mitovy ny anaran'ny basy nampiasaina tao Bahrain ny basy nampiasaina tao Tonizia izay antsoina hoe “shotgun [4]“. Basim-borona ny Shotgun.

[5]

Tovolahy roa naratra tamin'ny basy vita Italiana: Sary: Nawaat

Nitatitra ihany koa i Nawaat fa orinasa Italiana antsoina hoe Nobel Sport [6] no mpanamboatra ity karazana basy nampiasan'ny polisy tao Siliana ity. Nandefa ny antsipirihany mombamomba ity orinasa ity i Ben Gharbia ary niantso ireo olom-pirenena Toniziana mba hanery ilay orinasa hampitsahatra ny fanondranana fitaova-piadiana tahaka izany ao Tonizia.

Nandefa lahatsary Youtube ahitana ireo olona naratra tonga avy any Siliana hoentina hotsaboina ao amin'ny toera-pitsaboana maso ao Tonizia ihany koa ny tranonkala [Fampitandremana: mampihoro-koditra ny sary]:

Nahatezitra sy nanohina ireo mpiserasera Toniziana ny fampiasana basim-borona. Tounsiahourra [7] nisioka hoe [8] [ar]:

هل يعلم الحقوقي المرزوقي الذي تسلم قبل يومين جائزة تشاتام هاوس ان شبابا فقدوا البصر في سليانة لأن الأمن اطلق رصاص الرش في عيونهم ؟ #Siliana

Mahafantatra ve ny mpiaro ny zon'olombelona Marzouki [Filohan'i Tonizia], izay nandrombaka ny loka Chatham House [9][amin'ny teny anglisy]  roa andro lasa izay fa lasa jamba ireo tovolahy tratran'ny bala notifirin'ireo polisy?

Mpanao gazety Toniziana Nadia Haddaoui [10] nanatsonga [11] [fr] ny Amnesty:

“La #chevrotine peut provoquer traumatismes majeurs et des décès si elle est tirée à faible distance” #Amnesty #Egypte #Bahrein #Siliana

“mety hiteraka ratram-po goavana na fahafatesana ny balam-borona raha elanelana akaiky (fohy) no itifirana azy”

Selim [12]nametraka fanontaniana lehibe [13] [fr]:

Comment ont-ils juste pu accepter d'utiliser ce type de munitions contre les tunisiens?? Blessures graves, risque d'aveuglement.. #siliana

Nahoana izy ireo no nanaiky hampiasa karazana basy tahaka izao amin'ireo Toniziana?? ratra goavana, sy fahajambana…#Siliana

Nilaza i Malek Kahdhraoui [14], lehiben'ny famoahan-dahatsoratra ao amin'ny Nawaat.org, fa tamin'ny volana jiona lasa teo, nampiasa karazana basy tahaka izany ihany koa ny polisy izay nitifirana ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fampiratiana lazain'izy ireo fa “maniratsira” .

L'utilisat° des armes à grenaille pr la police n'est pas nouvelle. Au mois 2juin +eurs 10énes de blessés par ces armes http://nawaat.org/portail/2012/0 [15]

Tsy vao izao ny polisy no mampiasa basim-borona. Tamin'ny volana Jiona, am-polony ireo naratra noho izay fitaovam-piadiana izany http://nawaat.org/portail/2012/0 [15]

Naratra ihany koa ilay mpanao gazety tao amin'ny France24 David Thomson [16] noho ny basim-borona. Nisioka [17] ny sariny mis ny ranjony maratra izy:

#Tunisie et me voici à l'hôpital de #Siliana blessé par un tir de chevrotines mais ça va, il y a des blessés graves pic.twitter.com/SJesLq5Z [18]

Eto amin'ny hopitaly ao #Siliana aho, naratra vokatry ny basim-borona, saingy salama tsara aho izao, nisy ireo naratra mafy pic.twitter.com/SJesLq5Z [18]

Mbola mitohy ny fitokonana faobe ao Siliana. Nandritra izany, nisy ihany koa ireo fihetsiketsehana hafa nokarakaraina tany amin'ny faritra hafa mba hanameloka ny herisetra ataon'ny polisy sy ho firaisankina miaraka amin'i Siliana.