01 Desambra 2012

Tantara tamin'ny 01 Desambra 2012

Lanja Miakatra “Saimbolika” Azon'i Palestina Ao Amin'ny Firenena Mikambana

Matimaty [tsy mafana tsy mangatsiaka] ihany ny fomba nandraisan'ny mpiserasera ny toetra avy amin'ny “fisiana manokana” misy an'i Palestina mankamin'ny maha-“fanjakana tsy miankina” ao amin'ny Firenena Mikambana – izay manontany izay azon'i Palestina amin'izany fihetsika ‘saimbolika’ ao amin'ny Firenena Mikambana izany, indrindra ho an'ireo miaina amin'ny fibodoana Isiraeliana sy ireo...

Mamafa Ny Tantaran'i Ethiopia Amin'ny Anaran'ny Fampandrosoana

  01 Desambra 2012

Tamin'ny 1896 no resin'ny tafika notarihan'ny Amperora Menelik II ny tafika Italiana izay nanana ny teknolojia ara-miaramila nandroso kokoa tao amin'ny fifanandrinana tao Adwa. Taorian'izany, nampiditra teknolojia maromaro ilay Amperora nandresy ka anatin'izany ny fampidirana ny lalamby tao amin'ny fireneny. Noho ny fandreseny tao Adwa sy ny ezaka nataony hanovàna an'i...

Polisy Toniziana Nampiasa Basim-borona Nitifirana Mpanao Fihetsiketsehana

Manodidina ny 265 ireo olona naratra tamin'ny Alarobia nandritra ny andro faharoa nifandonan'ireo mpitandro ny filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana tao Siliana, Avaratra-Andrefan'i Tonizia. Nanomboka tamin'ny 27 Novambra ny fifandonana, raha nikarakara fitokonana faobe teny an-dalambe ireo mponina ao Siliana, faritra mahantra fadiranovana, mba hitaky ny fialan'ny governora ao an-toerana,...

Te Hanongana An'i Mursolini ny Ejipsiana

Niverina indray tao amin'ny foiben'ny revolisiona Ejipsiana, ao an-kianja Tahrir, ao afovoan-tanànan'i Kairo ny Ejipsiana, mba hanohitra ny fahefana mihoampampana nataon'ilay filoha vaovao voafidy Mohamed Mursi ho azy manokana. Anisan'izany ny volavolan-dalàm-panorenana nambarany omaly (30 Nov 2012), izay novolavolain'ny antoko Islamista tarihiny, izay maro an'isa ao amin'ny antenimiera, ary mametraka...