Tantara tamin'ny 30 Novambra 2012
Ejypta: Miala ny Mpangeja -Fizarana Fahatelo!!
Amin'izay faritana ho andiany fahatelo amin'ny revolisiona Ejypsiana, nidina an-dalambe indray ny Ejypsiana manerana ny firenena fa tsy i Kairo ihany mba hampita hafatra goavana fa vonona izy ireo hanongana izay...
Iran: Eritreritra Momba An'i Gaza sy Isiraely
Nalefan'i Peyman Majidzadeh voalohany tao amin'ny Arseh Sevom ny lahatsoratra Ady inona izany? Ny fanohanana ny Palestiniana no politika ivelany laharam-pahamehana ho an'i Iran araka ny filazan'ny mpitondratenin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Iraniana, Ramin Mehmanparast....
Shina: Ny Faratenin'Ireo Tibetana 19 Nandoro Ny Tenany
Tsering Woeser, mpanoratra izay mitatitra ny toe-draharaha momba ny zon'olombelona any Tibet, dia nanangona ireo faniriana farany sy ireo didy miafina 19 avy amin'ireo Tibetana nandoro ny tenany ho fanampiana ny olona hahatakatra ny zavatra takiany.
Manintona Ny Saina Ho Any Amin'ireo Olona Manana Fahasembanana Any Jamaika Ny Fampirantiana Zava-kanto Vaovao
Nanan-danja ny fiandohan'ilay fampirantiana voalohany indrindra notanterahin'ilay mpanakanto Jamaikana Astro Saulter, tsy noho ny fanolorany mpanakanto iray vaovao eo amin'ny sehatry ny zava-kanto ao an-toerana ihany, fa koa noho ny fitarihany ny fahalinana amin'ny filàna fidirana amin'ny fanabeazana haikanto tsara kokoa, indrindra ho an'ireo olona manana kilema.
Homs: Tantaran'ny Tanàna Syriana Revolisionera Rava
Anisan'ny tanàna Syriana maro hita amin'ny lohatenim-baovao ankehitriny i Homs, izay tanàna niorina tamin'ny 2300 talohan'i Kristy. Azo tarafina amin'ny alalan'ny fahapotehan'ny fanorenana sy maritrano manan-tantara, ireo mpialokaloka an'hetsiny ary...
“La Calle Loíza”, Làlana Manan-tantara Nanita-dàlana Tao Amin'ny Aterineto
Manana fiatoana vaovao ny fitsangatsanganana any amin'ny làlana mikintaontaona indrindra any amin'ny renivohitr'i Porto Rico,San Juan, ka amin'ny aterineto izany. Calle Loíza, any afovoan-tanàna manan-tantara any Santurce, dia fifangaroana trano miloko Karibeana maro maha-te honina sy ny manara-damaody.
Tsy Ahenoam-Baovao Intsony i Syria

Omaly alakamisy, nitatitra ny orinasam-panarahamaso ny fahafaha-miserasera aterineto miorina ao Etazonia antsoina hoe Renesys fa tapaka tanteraka ny aterineto ao Syria, izay “manala tanteraka ny firenena amin'ny aterineto.”