Ny 26 Novambra 2012 dia nanodidina ny arivo ireo Tibetàna mpianatra any Shina no nanao hetsi-panoherana tao amin'ny Kaominin'i Chabcha, Prefektiora Mizakatenan'i Qinghai Tibetàna (na Tsolho amin'ny fanonona azy amin'ny teny Tibetàna) hanoherany ny fanadihadiana iray feno endrika politika tao aminà toeram-ponenan'ny mpianatra ao amin'ny Sekoly Fiofanana ho mpitsabo. Araka ny ambaran'ny VOA Tibetàna, nandritra ilay hetsika ireo mpianatra dia nihiaka “teny faneva mitaky fitovian'ny zom-pirenena, ny fahalalahana mampiasa ny teniny, fanajàna ny marina sy fametrahana fomba fitantanana vaovao ” . Maherin'ny 20 ireo mpianatra no naratra ary efatra no tena voa mafy atahorana. Araka ny mpanome vaovao avy ety ivelany dia nakatona ny sekoly. Ny lahatsary eto ambany dia mampiseho ny zava-nisy teny amin'ny hetsika:
Araka ny Ivontoerana Tibetàna momba ny Zon'Olombelona sy ny Demaokrasia / Tibetan Center for Human Rights and Democracy (TCHRD), ilay hetsi-panoherana dia nateraky ny fanadihadiana iray nozarain'ny manampahefana tamin'ireo mpianatra mba ho enti-manaramaso ny fitoniana, hono. Nadikan'ny TCHRD ilay antontan-taratasy :
1. Tokony hifototra amin'ny inona ny fampandrosoana ara-toekarena eto Tsolho?
1. Voaaro sy mivoatra ve ny kolontsaina Tibetàna?
2. Mifanohitra ve ny fiarovana ara-tontolo iainana sy ny asa fanorenana an-tanàn-dehibe?
3. Midika famotehana ny tenin'ny vitsy an'isa ve ny fampiasàna teny roa amin'ny fampianarana?
4. Iza amin'ny manampahefana no tsy manao na inona na inona mba hiantohana ny fitovian'ny zom-pirenena?
5. Inona no antony ao ambadik'ireo hetsi-panoherana fandoroana tena?
6. Inona no voka-dratsy ateraky ny hetsi-bahoaka tsy nahazo alàlana?
7. Iza no manetsiketsika fisamantsamahana sy miteraka korontana?
8. Ahoana no fomba hahatakarana ny fametrahana am-pahendrena sy amin'ny fomba mety ny politikan'ny fahalalahàna ara-pinoana?
9. Anaty firindràna tsara ve ny tontolon'ny fampandrosoana amin'izao fotoana, tsy zavatra tokony holalàina ve?
Misy sombintsombim-baovao sy sary mikasika ilay hetsika ao amin'ny Facebook sy Twitter
Dossier Tibet dia nandika iray tamin'ireo sorabaventin'ny teny fanevan'ny hetsika : “Tsy azonareo atao ny misambotra ny rahalahiko sy mamono ny namako!”
Lhase Sonam dia nampakatra saripika misy ireo mpianatra naratra ho ao amin'ny pejiny Facebook :
Tsy ity no voalohany nanaovan'ny Tibetàna mpianatra ao Qinghai hetsika hanoherana ny politikan'ny governemanta Shinoa. Tany amin'ny Oktobra 2010, nanodidina ny 8000 ireo mpianatra nanao hetsi-panoherana tao Tsolho nanohitra ny politikan'ny teny tany an-tsekoly. Ireo Tibetàna mpianatra dia matahotra hoe hihen-danja be hatrany hatrany ny kolontsainy, ny teniny ary ny maha-izy azy.