Tantara tamin'ny 29 Novambra 2012
Mifanohitra Amin'ny Lalampanorenana Ve ny Fifidianana Ho Avy Any Japana?
Nisy vondrona mpisolovava nampakatra tamin'ny Fitsarana Ambony tao amin'ny distrikan'i Tokyo fa tsy mifanaraka amin'ny Lalapanorenana ny fifidianana ankapobeny ho avy. Saingy nolavin'ny Fitsarana ny raharahan'izy ireo tamin'ny 21 Novambra 2012....
Maoritania: Hetsika 25 Febroary Mitsipaka ny [Fibaikoana] Fanaraha-mason'i Frantsa
Mandalo vanim-potoana ara-politika tsy ahatsinjovana ny ho avy i Maoritania hatramin'ny nandefasana ny filoha Mohamed Ould Abdel Aziz hotsaboina any Paris rehefa naratran'ny tifi-bala izy tamin'ny 13 oktobra 2012. Mifandamina ny ao Maoritania mandra-piveriny...
Espaina: Mihantona Ny Fandroahana Hiala Amin'ny Trano Noho Ny Fanerena Ara-tsosialy
Anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Krizy ao Eoropa ity lahatsoratra ity. Fikambanana sy sehatra miady amin'ny fandroahana olona hiala amin'ny trano fonenany no nahomby tamin'ny fahazoan'ny Asociación Española de Banca (Fikambanan'ny...
Hitsidika An'i Pero, Arzantina ary Shily Ny Hazakazaka Dakar 2013
Nandritra ny dimy taona nifanesy, ny Fikambanana Dakar dia nisafidy ny faritra Amerika Atsimo ho ao anatin'ny fifaninanany ivelan'ny làlam-be iraisana. Hamakivaky firenena telo ny làlan'ny 2013 : Pero, Arzantina ary Shily.
Sazy Mandra-maty Ho Anà Poeta Qatari Iray Noho Ny Faniratsiràna Emir
Androany i Qatar dia nanameloka an'i Mohamed Bin Rashid Al-Deeb hifonja mandra-maty .. noho ny nanoratany tononkalo iray. Ilay tononkalo, amin'ny teny Arabo, dia lazaina fa manindrahindra ny Lohataona Arabo, manao fampitahana ireo firenena miaina ambany famoretana sy ambany jadona. Araka ny ambaran'ilay Qatari mpanao gazety, Abdulla Al Athbah, ny tononkalon'i Al-Deeb dia maniratsira ny Emir Qatari [mpitondra] no fahitàna azy, ary niantso ny hanonganana ny fanjakany.
Fanadihadiana Feno Endrika Politika Mitarika Ny Mpianatra Avy Any Tibet Hanao Hetsi-panoherana Ao Shina
Ny 26 Novambra 2012 dia nanodidina ny arivo ireo Tibetàna mpianatra any Shina no nanao hetsi-panoherana tao amin'ny Kaominin'i Chabcha, Prefektiora Mizakatenan'i Qinghai Tibetàna hanoherany ny fanadihadiana iray feno endrika politika tao aminà toeram-ponenan'ny mpianatra ao amin'ny Sekoly Fiofanana ho mpitsabo
Mbola Manaloka Ny Etiopiana Ve Ny Avelon'i Meles Zenawi ?
Na dia telo volana aza izao no lasa taorian'ny nanambaràna tamin'ny fomba ofisialy ny nahafatesan'i Meles Zenawi, ilay Praiminisitra Etiopiana nodimandry, ary taorian'ny volana maro nisian'ny resabe mikasika ny momba azy, ny avelony kosa tsy mampiseho marika mihitsy hoe hanaisotra ny vahohony amin'ireo Etiopiana.
Hetsi-panoherana Erantany Ho An'ny Guarani-Kaiowá, Vazimba Teratany Ao Brezila
Nihorohoro izy ireo tamin'ny fandrahonana azy ireo hoesorina amin'ny taniny, ny fahapoizinan'ny ranony amin'ny ataon'ireo mpiompy, ary vonona hanohitra hatramin'ny fara-fofon'ainy. Manoloana ireo zavatra mandreraka ireo, dia ny media sosialy sy avy eny an-dalambe no hitan'ny vondrompiarahamonin'ny Guarani-Kaiowá ao Pyelito Kue / Mbarakay, ao amin'ny kaominin'i Iguatemi, Mato Grosso do Sul (MS) hahazoana fanohanana avy amin'ireo mpikatroka mafàna fo erantany.
Mikomy Ireo Gadra Rosiana, Manofahofa Faneva Hoe “Ampio Izahay Azafady,”
Nandritra ny herinandro tao amin'ny fonjan'i Kopeysk, eo ivelan'ny tanànan'i Chelyabinsk, gadra eo amin'ny 250 eo no nanomboka nanao fihetsiketsehana teny an-tampon'ny tranobe, nilanja sora-baventy [ru] miangavy hoe “ampio izahay azafady” ary nitaraina...