- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Novonoina Tany India Ilay Mpampihorohoro Tao Mumbai, Nefa Hitondra Fitoniana Ve Izany?

Sokajy: Azia Atsimo, India, Ady & Fifandirana, Lalàna, Mediam-bahoaka

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  fifandraisana iraisampirenena & Fandriampahalemana. [1]

Mumbai marks first anniversary of  26/11 attacks [2]

Mumbai manamarika ny tsingerintaona voalohan'ilay fanafihana tamin'ny 26/11  (26 Nov 2009) avy amin'i Vinit Gupta © Demotix.

Ny 21 Novambra 2012 no novonoina i Mohammed Ajmal Amir Kasab [3], Pakistane mpikatroka avy amin'ny Lashkar-e-Taiba [4] sady ilay hany mpampihorohoro tratra velona taorian'ny fanafihana tao Mumbai tamin'ny 2008 [5]. Notanterahana ilay famonoana ho faty, taorian'ny nandàvan'ny Filoha [6]Indiana Pranab Mukherjee [6] ny fangatahana famindram-po nataon'ilay Kasab 25 taona, hetsika iray nanamarika ny fiafaràn'ny dingam-pitsaràna efa nitatra lava be.

Vantany vao nivoaka ny vaovao mikasika ilay famonoana tamin'ny fanantonana, haingana sy tan-katezerana no nipatrapatrahan'ireo fanehoan-kevitra tety anaty aterineto. Namelona indray koa ny adihevitra momba ny fanamelohana ho faty any India ilay vaovao, sy ny hoe natao handresen-dahatra sa natao hiantsiana ny mety ho fanafihana mpampihorohoro amin'ny ho avy izy iny.

Lashkar-e-Taiba (LET), izay nahazo toerana mavesa-danja taorian'ilay fanafihana tao Mumbai, dia nandrahona [7]  avy hatrany fa mety mbola ho be ny fanafihana. Ireo Taliban any Pakistan koa dia nivoady ny hanafika lasibatra Indiana [8].

B. Raman, Indiana iray mpitàna birao fahiny, dia naneho hevitra [9] tao anatin'ny bilaoginy momba ireo loza:

Ny sampan-draharahantsika momba ny fandriampahalemana dia tsy maintsy efa nandinika ny mety ho valinkafatra na valifatin'ny jihad mpampihorohoro any Pakistana sy India ary nanamafy ny fiarovana mba hisorohana ny fanafihana miendrika valifaty. Ny LET sy ireo fikambanana miaraka aminy dia mety hiketrika valifaty malaky be. Ny valifaty tsy misy fanomanana matotra faran'izay kely indrindra dia mety ho sarotra any amin'ireo faritany Indiana ivelan'i Jammu sy Kashmir (…) Ny fanamafisana ny fiarovana hita maso any [Jammu sy Kashmir] ary Afghanistan dia tokony ho laharam-pahamehana. Ny faritra iray hafa tena tokony hasiana fanaraha-maso dia ny Kaomisiona Ambony Indiana ao Islamabad izay mety ho lasa lasibatry ny fanafihana.

Amin'ireo olom-pirenena Indiana, avo dia avo ny fihetseham-po teo ampandrenesana ny vaovao. Toy ireo maro izay niharan'ilay zava-doza mivantana tamin'ny 2008, ilay bilaogera Matangi Mawley (izay namoy ny dadatoany nandritra ilay fanafihana) dia nanoratra hoe [10] :

Dona kely ho an'ireo manampahefana nahazoana nanatanteraka izao famonoana ho faty izao tamin'ny fomba milamina, misaotra anao ry Filoha Pranab tamin'ny fandraisana fanapahan-kevitra hentitra ary ianao ry India – ela ny ela mba nahazo rariny kely ihany ireo niharan-doza! Mahatsiaro ilay dadatako tsy foiko avy amin'ny reniko, izay namoy ny ainy tamin'ilay andro manjombon'ny 26/11

Fihetsehampo mitovy amin'izany no navoaka tao amin'ny Twitter, satria be no mahatsapa fa hoe na somary taraiky ihany aza ny fitsarana, dia mba nanao ny asany ihany raha i Kasab no asiana resaka. Ny sasany koa dia naneho ny fahafaham-pony hoe ny governemanta Indiana, izay nandany an-tapitrisa maro [11] nihazonana an'i Kasab tany am-ponjany, dia mety tsy nitsitsy fandaniana amboniny tamin'ny volam-bahoaka. Tsikaritry ny maro ny dingana napetraka hodiavina, saingy nisy ihany koa ny fiderana ny amin'ny tokony hitazonana ny rafi-pitsaràna.

Nandita Saikia [12] (@nsaikia): Tsy hoe nandany vola fotsiny i India ‘hitazonana an'i Kasab ho velona’; nandany vola izy tamin'ny dingana ara-dalàna sy ho fitazonana ny lalàny manokana. Tsy azo iadian-kevitra ny fandaniana.

Tsy ny tsirairay izay namoy havan-tiana nandritra ilay fanafihana tao Mumbai tamin'ny 2008 no nahita fiadanam-po (na antony tokony hahafaly) tamin'ny nahafatesan'i Kasab. Ashish Chowdhry, izay namoy ny anabaviny sy ny zaobaviny tamin'ilay zava-doza dia nibitsika hoe:

Ashish Chowdhry [13] (@AshishChowdhry): Nahoana aho no tokony ho faly tamin'ny nahafatesan'i Kasab? Mifaly aho rehefa…ahato ny fampianarana ankizy tsy manan-tsiny hamono amin'ny anaran'Andriamanitra…

Nisy ihany koa fisaintsaina, [14] amin'ny maha-miaramila anaty andian-tafika azy, momba ny nandresen-dahatra mora foana an'i Kasab, raha ireo tena atidoha tao ambadik'ireo fanafihana kosa mbola mitohy miriaria any, tsy hitan'ny fitsarana.

Laughing Gas [15] (@waatho): Ajmal Kasab dia mpisolo vaika ny ankalana fotsiny. Bitika ny fahafahampo na ny fahazoana aina rehefa fantatrao fa hoe mbola vatom-panorona iray monja no niala teo ambony latabatra.

Vishal Dadlani [16] (@Vishal): Aza manaiky ho hadalaina sy rebirebena amin'ny fahafatesan'i Kasab. Mahalahelova satria mbola tsy ireo tena atidoha no vitantsika ny nisambotra azy. Na mifandamìna aloha isika samy isika.

Nametraka ho lohalaharana ny adihevitra momba ny fanamelohana ho faty ilay famonoana amin'ny fanantonana – fifanakalozan-dresaka tonga tsara ao anatin'ny fotoana mety, raha raisintsika fotsiny hoe tsy ela akory izay ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana no nandany volavolam-pandaminana iray [17] mitodika amin'ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty manerana izao tontolo izao. Raha firenena 110 no nifidy nankasitraka, India sy  Pakistan kosa isan'ireo firenena 39 izay nifidy nitsipaka [18] ilay volavola. Oculus Dada, mpisera anaty aterineto, dia nibitsika mikasika ilay fotoam-pifidianana :

Oculus Dada [19] (@daddy_san): FYI (ho fampahafantarana anareo), ora 12 lasa izay, nifidy nitsipaka ny fanapahan-kevitry ny Firenena Mikambana mandràra ny fanamelohana ho faty i  India. Fantatsika ankehitriny hoe nahoana. #Kasab

Bilaogera maro hafa no naneho ny fihetsehampon-dry zareo tamin'ny alàlan'ny lahatsoratra sy bitsika mikasika ilay fanamelohana ho faty. Ny sasany tsy mahita intsony izay ho vahaolana fanolo [20] hiatrehana ny raharaha Kasab na dia tsy tena maneho hevitra momba ny fanamelohana ho faty aza. Ny hafa indray nankasitraka ny famonjàna sy ny sazy mandra-pahafaty. [21]

Mikasika ny ho fiantraikan'ny famonoana an'i Kasab mandritra ny taona maro hifandimby, dia tsy mitovy ny hevitry ny rehetra. Ny Christian Science Monitor miteny hoe toa tsy dia hisy fiantraikany loatra eo amin'ny dingana fikatsahana fandriampahalemana eo amin'i India sy Pakistan [22] isany, raha ny Deutsche Welle kosa milaza ny mifanohitra amin'izay [23]. Tao anaty lahatsoratra iray nampiantranoina tao amin'ny Kafila, ilay bilaogera Indiana, Yug Mohit Chaudhry, dia niresaka ‘ny herin'ny famelàna’ ao anatin'ny vanim-potoanan'ny fanantonana an'i Kasab. Mampita ireo feo farany tsy dia milaza soa loatra, hoy izy manoratra [24]:

Ny famonoana an'i Kasab amin'ny anaran'ny Indiana rehetra dia tsy hanao afa-tsy hamelona avy any ifotony ny faniriana valifaty izay hanao ny fiarahamonina misy antsika ho lian-drà kokoa, mpamaly faty sy mahery setra. Na amin'ny fomba ahoana na ahoana, tsy hiasa ho amin'ny fitoniantsika izany na ho an'ny fahasambarantsika izany.

ISN logo [25]Ity lahatsoratra ity sy ny dikanteniny amin'ny teny Espaniola, Arabo sy Frantsay dia tohanan'ny International Security Network (ISN) ho isan'ny fiaraha-miasa hikatsahana izay hamoahana ny feon'ireo olom-pirenena tsotra mikasika ny olan'ny fifandraisana iraisam-pirenena ary ny fandriampahalemana erantany.  Navoaka voalohany tao amin'ny [26] bilaogy ISN [25], ity lahatsoratra ity, jereo ato [27] ny tantara mitovitovy aminy.