- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Trinidad & Tobago: Rahona Mainty, Medaly Volamena

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fanatanjahantena, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Tantara, Tontolo_iainana, Voina

Nilona tao anatin'ny riaka mahery vaika sy tondradrano i Trinidad sy Tobago [1] ny marainan'ny 11 Aogositra 2012. Nihoatra ny morony ny reniranon'i  Diego Martin [2] sy Maraval [3] vokatry ny rivo-doza, ary marihina fa ireo no faritra be mponina indrindra.

Raha ny marina dia  nanolotra fanampiana ny haino aman-jery sosialy: avy hatrany dia nanomboka nametraka sary sy horonan-tsary maneho ny fahasimbana rehetra tao amin'ny vohikala Facebook ny mpiserasera aterineto mipetraka amin'ireo faritra voakasika amin'izany. Mampita vaovao ara-potoana tsara ihany koa izy ireo, izay miainga avy aminà torohevitra ho an'ireo faritra tsy azo andalovana tonga hatrany amin'ny antso fanampiana. Ny tany lemak'i Diego Martin [4], hita ao amin'ny tendro avaratra andrefan'ireo nosy roa lehibe indrindra, Trinidad, dia nambara tamin'ny fomba ofisialy fa faritra tra-doza [5], nohon'ny halehiben'ny fahavoazan'izy ireo eo amin'ny trano fonenana sy ny lalam-be [6] ary ny famoizana ain'olona roa vokatry ny fihotsahan'ny tany.

Matetika dia mamoaka sary sy horonantsary [7] maneho ny halehiben'ny fahavoazan'i Diego Martin i Papa Bois Conservation [8] ao amin'ny Facebook , nandritra izany dia nampahafantatra io rohy [9]io ny Trinidad and Tobago News Blog , ary mandefa avy hatrany any amin'ny rakitsary ho amin'ny rakitsarin'ilay bilaogy ao amin'ny Facebook izay mampiseho ny fahasimbana nateraky ny tondra-drano sy ny firotsahan'ny tany tany amin'ny faritr'i La Seiva sy Maraval  (izay voa mafy ihany koa).

Ny Facebook [10] no tambazotra sosialy nosafidiana natao hifaneraserana haingana indrindra – noho ireo mpikirakira aterineto afaka mifandray mivantana amin'ireo olona ao anatin'ny tambajotrany, maro amin'izy ireo mantsy no mpifanolo-bodirindrina amin'ireo niharam-boina ka mety ho afaka manolotra fanampiana eo amin'ny fanadiovana – fa ny Twitter [11] ihany koa dia loharanom-baovao manana ny lanjany mihitsy, hoy i Andre Thomas, iray amin'ireo mpampiasa Twitter:

@dre7413 [12]: Amin'izao fotoana izao, raha ny vaovao heno tamin'ny 7 ora, efa vita avokoa ny fanadiovana ny faritra rehetra. Tamin'ny twitter/facebook/sms/bbm no nandrenesan'ny mponina izany vaovao izany.

Fanavaozam-baovao hafa tao amin'ny Twitter nanambara fa nianjera ny tilikambon'ny fifandraisana finday iray, izay nahatonga ireo olona maro mipetraka any amin'ny toerana tena voa mafy ho tsy azo amin'ny antso finday:

@richjob [13]: Nianjera ireo ‘generateurs’ ary nirodana ny rindrina iray – tsy azo antoka ny fifandraisana amin'ny (tilikambom-pifandraisana finday) an'ny TSTT Diego Martin .

Nanampy izany i Trini Like Salt, bilaogera [14]:

Latsaka tao anaty renirano ny fitaovana fampiàn'ny orinasam-pifandraisana iray.
ANY ANATY RENIRANO!

Nahafa-po ny asan'ny Birao Miandraikitra ny Fiatrehana sy Fitantanana ny Loza Voajanahary [15] sy ny asa tsara vitan'ilay mpanao gazety Samson Nanton [16] teo amin'ny fampitàna ny vaovao ara-potoana tamin'ny alalan'ny Twitter. Avy hatrany dia voafaritra mazava tsara ny halehiben'ny fahavoazana:

@CaribbeanAccent [17]: Raha ara-tantara , dia io no #tondra-drano [18] nahery vaika indrindra tany amin ‘ny faritra andrefan'i #Trinidad [19]. 🙁 Hoy ny Praiministra Kamla Persad-Bissessar: tsy mbola nahita trangan-javatra toy ity mihitsy aho nanomboka taminn'ny taona 1962.

Na dia ny teratany avy ao Trinidad rehetra maneran-tany koa aza dia nanomboka nahatsapa izany:

@TriniLikeSalt [20]: Nandany ny fiainako rehetra tany Trinidad tao Diego Martin sy Petit Valley. Nipetraka tao De Valley foana ny fianakaviako nanomboka tamin'ny taona 50. Marary ny foko ary tohina aho.

Fa raha vao nanomboka narary ny fon'ny mponina Trinbagoniana, dia nisy zavatra nahafinaritra niseho nanetsika ny fon'izy ireo – na dia nandritry ny fotoana fohy monja aza – tao anatin'ny korontana tao: nahazo ny medaly volamena Olaimpikany faharoa teo amin'ny tantara i Trinidad sy Tobago, noho ny zava-bita mendrika avy amin'i Keshorn Walcott [21] izay vao sivy ambinin'ny folo taona monja nandritry ny hetsika nokarakaraina teo amin'ny fanipazana lefona.

Hoy ny Trinidad and Tobago News Blog [22] :

Izy no mpandray anjara tanora indrindra nandresy tamin'ny lalao Olaimpika fanipazana lefona, tovolahy voalohany indrindra avy any amin'ny faritra Andrefana nandresy teo amin'ny lalao fanipazana lefona tao anatin'ny 60 taona, ary voalohany nahazo medaly ho an'i Trinidad taminà hetsika anaty kianja.

Voaporofo tamin'ny fandreseny tamin'ny fifanitsanana maneran-tany tao Barcelone ny risim-pony sy ny fahaiza-manaony izay nahazoany medaly volamena tamin'ny lalao Olaimpika.

Fankasitrahana no atolotra azy nohon'ny zava-bitany goavana nandritry ny lalao Olaimpika tany Londona tamin'ny taona 2012.

Nahazo fankasitrahana ihany koa i Walcott  tao amin'ny Twitter [23], fa taoriana kely vao voaray ny vaovao lehibe izay milaza fa nahazo medaly alimo ny ekipam-pirenena lehilahy tamin'ny hazakazaka mifampitohy 4×100. Fa na teo aza izany, dia mbola nanalokaloka ny zava-drehetra ny tondra-drano. Nasehon’ i Trini Like Salt tao anatin'ny  lahatsoratra iray nampitondraina ny lohateny hoe “Ny tantaran'i Trinidad & Tobago Ankehitriny” [24] ny zava-nitranga rehetra:

Tovolahy 19 taona monja mahazo medaly volamena tamin'ny lalao Olaimpika tanaty kianja, ary medaly volamena faharoa eo amin'ny tantaran'ny firenena.
ekipam-pirenena mahazo medaly alimo tamin'ny hazahazaka mifampitohy 4×100.
Ambaran'ny Praiministra ho faritra tra-doza ny tany nahaterahako vokatry ny tondra-drano.
Milay e, sa tsy izany?

Ny hajiantsary nampiasaina tato anatin'ity lahatsoratra ity [25]dia an'i caribbeanfreephoto; sary nalain'i Dexter Paul, nampiasaina nahazoan-dàlana. Tsidiho ny tahirin-tsarin'i caribbeanfreephoto ao amin'ny flickr [25].