Yemen: Fanafihana Nandritra Ny Ashoura Tao Sanaa

Ny 24 Novambra no andron'ny Ashoura, ary io no andro iray izay sady ankalazain'ny sekta Shiita sy Sionita ao anatin'ny tontolo Miozolmana manerantany. Kanefa, ao Yemen, andro nahitan-doza izy io satria olona efatra no maty ary ampolony no naratra taminà fipoahana iray izay nikendrena Fety Shiita Fankalazàna ny Ashoura tao Sanaa renivohitra. Io no fandarohana baomba voalohany indrindra namelezana sekta nitranga tao Sanaa, fivoaran-draharaha mampiahiahy miaraka amin'ny tanjona mazava handrehitra ady ao amin'ny samy sekta ao Yemen. Marobe ny mpikirakira aterineto ao Yemen nanameloka ilay fanafihana sy nibitsika fanambaràna izay manohitra ny fanasamantsamahana

Tsy nino mihitsy i Mai Saleh nibitsika hoe :

@A4Mai: Fanafihana iray nikendrena ny Fety Shiita Fankalazàna ny Ashoura nahafaty olona 4 tao #Sanaa. Azontsika antoka fa izay tokoa ve #Yemen?

Sarah Jamal nibitsika hoe :

@Sarah_Sanaa: Sambany tao Sanaa.. fanapoahana baomba nikendrena ny fety fankalazàna fanaon'ny  Shiite #Yemen

Adam Baron, vahiny mpanao gazety monina ao , nanamarika hoe :

@Adammbaron: mino fa nisy fanafihana natao tamin'ny fety fankalazan'ny Houthi ny ashura tao #yemen (farany avaratra) tany aloha , saingy ny androany no sambany tao  sanaa.

Nampiany hoe :

@Adammbaron: Namoaka fanamelohana henjana ilay fanafihana androany tao Sanaa ny Antokon'ny Rariny & Fanorenana. Nisy antoko hafa nanao toy izany ve? #Yemen alwfaqnews.net/Detail.aspx?…

Atiaf Alwazir nibitsika hoe :

@womanfromyemen: famelezana baomba androany tao #Sanaa nikendrena olona nankalaza ny Ashoura, nahafatesana olona 3 & naharatràna 5 marebpress.net/news_details…

Sarah Jamal nibitsika ny anaran'ireo niharan-doza tamin'ilay fanafihana, miaraka aminà lahatsary iray :

@Sarah_Sanaa: lahatsary mampiseho an'i Yahya Al Kohlani, Abdulmalek Al Makhathi &Ibrahim Al Ghorbani samy maty tao anatin'ilay fipoahana daholo #Ashoura #Yemen youtube.com/watch?v=eES_c3D…

Ny lahatsary taorian'ilay fipoahana dia nakarin'i YouthStandYEMEN ao amin'ny YouTube   (sary mahery setra)

Afrah Nasser, bilaogera, dia nitondra fanavaozana ny isan'ireo maty :

@AfrahNasser: Tafakatra ho 4 no isan'ireo olona maty tamin'ny fanafihana androany, nandritra ny fankalazana ny Ashoura. Mandria am-piadanana! #Yemen

Nampakatra ilay tantara ho ao amin'ny bilaoginy ihany koa izy:

@AfrahNasser: lahatsoratra vaovao ho an'ny bilaogy: “Maty telo nandritra ny Fankalazàna ny Andro Masin'ny #Ashoura tao #Yemen” afrahnasser.blogspot.se/201… #rejectsectarianism

Iona Craig, iray amin'ireo antitra indrindra sy lohan'ireo vahiny mpanao gazety monina any Yemen, mibitsika hoe :

@ionacraig: Fanafihana ny Houthis tao Sana'a. Tsy izany no karazam-pandrosoana ilain'i Yemen.

Farany dia nampitandrina i Atiaf Alwazir :

@womanfromyemen: Misy ireo vondrona mahita tombontsoa amin'ny fanosehana ho any amin'ny fisamantsamahana ao  #Yemen – aoka isika tsy ho roboka ao anatin'izany fandrika izany!

Matetika dia ampiasaina ny fanasamantsamahana ho toy ny politika hitsinjarazaràna sy ifanarahana, ary marobe ny Yemenita no tsy mety hiroboka ao anatin'izay fandrika izay na hijery ny firenen-dry zareo, izay efa misamantsamaka eo amin'ny sehatry ny politika, ho viravirain'ny tanjona tahaka izany na hiditra amin'ny famporisihana hiady. Izay olona tena tia marina an'i Yemen dia tsy haniry mihitsy ny hivadihany ho Libanona na Irak iray hafa indray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.