Na dia Eo Aza Ny Mpitarika Vaovao, Mbola Marefo ny Hoavin'i Shina
Dikandahatsoratra
Nandritra ny herinandro no nanatontosàna ny faha-18 ny Kongresy Nasionalin'ny Antoko Komonista Sinoa ary nifarana tamin'ny 14 Novambra 2012 teo. Taranaka mpitarika vaovao, izay tarihin'i Xi Jinping sy Li Keqiang, no nisolo toerana ny ekipa mpitarika teo aloha izay notarihin'i Hu Jintao sy Wen Jiabao.
Raha tonga teo amin'ny fahefana i Hu sy Wen folo taona lasa izay, nihevitra ny fampahalalam-baovao mpanohana ny fanovana ara-politika, indrindra ny Southern Daily Group fa hanokatra pejy vaovao momba ny fanavaozana ny lalàna sy ny politika ny mpitarika vaovao tamin'izany. Saingy nifarana ny folo taona nitondran'i Wen, ary nanjary karazana fepetram-pitantanana ara-tsosialy sisa ny lova navelan'izy ireo [zh] mba hanaraha-maso tsara ny tsy fiovaovana, ny fitomboan'ny fiarovam-pirenena, ny fanaovana ho tanandehibe ao anatin'ny fotoana fohy ny any ambanivohitra sy ny fitomboan'ny harin-karena faobe (PIB) haingana. Mibaribary fa diso fanantenana [zh] ny mponina noho ny tsy fisian'ny fanatsarana ny lalàna sy ny politika. Mbola manohina loatra ny firesahana ny lasa eo amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra. Miompana any amin'ny folo taona hoavin'ny mpitarika vaovao ny feo amin'ny ankapobeny ao amin'ny fampahalalam-baovao fehezin'ny fanjakana. Saingy ao amin'ny fampahalalam-baovao sosialy kosa, misokatra kokoa amin'ny tsikera ireo mpiserasera.

Ny faha-18n'ny Kongresy Nasionaly Congress of the Communist Party of China. Photo from Voice of America. Public Domain.
Mpahay lalàna momba ny zon'olombelona Guo Feixiong nilaza ny fijeriny mikasika ny 10 taona lasa tao amin'ny forum ho an'ny olom-pirenena [navoaka tao amin'ny bilaogy Charter 08 izany fijeriny izany]:
在这十年中,官员腐败的规模,同经济成就一道,登上了历史高峰。乘时崛起的世袭家族、官僚特权阶层和部门利益集团,构成了今日中国社会的三大等级-半等级势力。…从当年社会财富总量中割走的份额越来越大,底层民众越是被经济增长的高速列车所抛出,部分人甚至在医疗、教育、社保新“三座大山”压迫下回归赤贫,那些曾经分享了经济增长部分红利的城市地区,则由于“一套房子消灭一个中产家庭”,出现了“中产人为不定形”的阶层结构振荡,一旦遭遇大衰退,年轻人群的供给能力将难以为继。而权力私有化、社会等级化的大势决定下的普遍的机会不均等,更使得整个平民阶层越来越感到出路渺茫,因而越来越气馁、受挫乃至绝望。
更大危害则在于维稳体制的尾大不掉…通过对“新黑五类”的打压,维稳体系成功地为后极权主义扩充了数十倍的敌人,由此,他们反弹出更大的恐惧,并试图用升级的暴力迫害彻底抹平自己的恐惧。迄今为止,他们仍陷入制造对立,拒绝和解的迷雾中。
Tao anatin'izay folo taona izay, niha-nahazo vahana tanteraka ny kolikoly teo amin'ny sehatry ny toekarena ary nahatratra taha ambony indrindra teo amin'ny tantara. Ny fianakaviana mpanankarena, ny manampahefana manana tombotsoa manokana sy ireo vondrona nomena tombontsoa manokana no sokajiana ho hery telo lehibe eo amin'ny fiarahamonina ankehitriny… miha-mahazo vahana hatrany ny habetsaky y harena angonin'izy ireo amin'ny fanaovana tantely afa-drakotra ny hare-pirenena ary voahilika amin'izany fanangonan-karena haingana izany ny [vahoaka] ambany saranga. Ny sasany nanjary mpitrongy vao homana noho ny fahalafosan'ny fitsaboana, ny fampianarana sy ny fiantohana ara-tsosialy. Amin'ireo disitrika ambanivohitra sasany izay nahazo tombony tamin'ny fandrosoan'ny toekarena, kanefa noho ny fisian'ny fanambakana tamin'ny tany aman-trano, nidiran-trosa be ireo fianakaviana saranga antonony. Noho ny fitontongan'ny toekarena, tsy afaka mamelon-tena araka ny tokony izy intsony ny tanora ankehitriny. Ny tombotsoany manokana no nahamaika ny manampahefana ao amin'ny governemanta ka tsy nisy intsony ny fizarana tombotsoa mitovy. Tsy mety mahita vahaolana ireo vahoaka ka mahatsiaro diso fanantenana sy kivy.
Ny ahiana indrindra dia avy amin'ny rafi-pikirakirana ny fitombenan'ny toekarena… Ny fampijaliana ireo saranga sosialy dimy vaovao no niteraka fahavalo im-10 avo heny nandritra ny vanim-potoana taorian'ny jadona. Niteraka tahotra lehibe izany ary niezaka izy ireo hanala izany tahotra izany tamin'ny alalan'ny fampiasana herisetra. Voafandrika ao anatin'ny ranomodin'ny famoronana fahavalo sy tahotra ry zareo ary nandà tsy nety hihavana [amin'ny mpanohitra].
Tao amin'ny habaka fandefasana lahatsoratra bitika, mampiseho ny fahadisoam-panantenany i Guo mikasika ny tombana tamin'ny folo taona lasa nitantanan'i Hu-Wen. Ireto ambany ireto ny fantina tamin'izany fanehoan-kevitra izany [zh]:
说山东话的李:十年前,大家对新政抱有厚望,可结果却是大失所望。十年后,大家没什么期望,也就没什么失望的了。
Shandong Li: Folo taona lasa, nanana fanantenana lehibe ny vahoaka tamin'ny alalan'ny politika vaovao, saingy nampadiso fanantenana ny vokatr'izany. Folo taona taty aoriana, tsy manam-panantenana izahay araka izany tsy hisian'ny fahadisoam-panantenana.
奋青张珑耀:十年前你来了,大家对你充满了期待,以为会有新政。结果十年来除了房价飙升、腐败横行、贫富差距剧增以外,什么都没发生。但我们还是对你报以希望,以为你能最后一搏做出改变,结果最后你居然被一只诈尸的蛤蟆给搞趴下了。你辜负了跟随你多年兄弟们的期望,更辜负了多年来对你寄予厚望的人民的期望!
Angry youth Zhang Longyao: Folo taona lasa, tonga ianao ary feno fanantenana ny vahoaka. Nihevitra izahay fa hisy ny politika vaovao. Saingy tao anatin'izay folo taona lasa izay, ny fananan-tany haingana, ny kolikoly, sy ny hantsana mampisaraka ny manankarena sy ny mahantra no hitanay. Na dia izany aza, mbola nanantena izahay fa afaka mitondra fanovana ianao alohan'ny handaozanao ny fitantanana. Kanefa toran-kovitra ianao manoloana ilay sahobakaka izay lazaina fa maty [midika hoe Jiang Zeming]. Nandiso fanantenana ireo rahalahinao izay nanohana anao sy nametraka ny fahatokisany taminao nandritra izany taona izay ianao.
彭泓源:有人说虎哥完败,我认为未必,还是那句话,灯一关,谁都一样,当年鼓吹某某新政的西方周末,留下十年笑柄而已。
Pang Hongyuan: Nilaza ny sasany fa efa vita ny amin'i Hu. Tsy mino aho. Raha ny tena izy, (mandritra ny alina, mivolombatolalaka avokoa ny saka rehetra) raha tsy misy fahazavana , mitovy avokoa ny mpitarika rehetra. Nanjary vazivazy ankehitriny ny vaovao nandritra ny herinandro izay nidera ny fiverenan'ilay antsoina hoe politika vaovao.
t-sd:所谓糊稳新政,压根儿没有的事。2002-2012糊稳十年,乃大历史上较1992-2002更不堪的十年。
t-sd: Mbola tsy tafapetraka foana hatramin'izao ilay lazaina fa politika vaovao Hu-Wen. Mbola ratsy indrindra noho ny tamin'ny taona 1992 hatramin'ny 2002 ny fandrosoana noentin'i Hu-Wen nandritra ny folo taona 2002-2012.
突然空闲_: 别告诉我谁谁谁多英明多有能力多有魄力,去想想10年前那“谁谁新政”!一个绝对倒退的十年,今后的十年能否前进,不得而知,但求倒退的速度慢点。
Suddenly free: Aza milaza amiko fa maranin-tsaina, mahavita zavatra, mahery ranona na i anona. Jereo fotsiny ny folo taona lasa sy ny politika vaovao an-dranona na i ranona! Folo taona nihemorana. Tsy fantatro raha handroso amin'ny folo manaraka, maniry fotsiny aho fa tsy hihemotra intsony isika.
刘胜军改革 : 【我的未来十年十大心愿】1、不用再到海外买婴儿奶粉;2、能在大超市买到安全的食品;3、白领不再沦为房奴;4、环境污染不再恶化;5、贫富差距不再扩大;6、企业家不再忙着移民;7、裸官不再增多;8、股市从圈钱机器变成价值创造场所;9、人民不再“拼爹”,机会公平;10、对公权力的约束取得显著进展
Mpanao matoan-dahatsoratra Liu Shenjun: [Ny fanantenako amin'ny folo-taona hoavy] 1. Tsy mila mividy vovondronono any ivelany ho an'ny zaza intsony; 2. Afaka mahita sakafo ara-pahasalamana eny amin'ny magazay lehibe; 3. Tsy mila ho andevon'ny varotra momba ny tany aman-trano intsony ny mpiasa birao; 4. Tsy hiharatsy intsony ny fahalotoan'ny tontolo iainana; 5 Tsy hiha-lalina intsony ny hantsana mampisaraka ny mahantra sy ny mpanankarena; 6 Tsy hitsoaka any ivelan'ny firenena ireo mpandraharaha; 7. Tsy dia misy kolikoly intsony eo amin'ireo manampahefana; 8. Tsy ho fitaovana famokaram-bola intsony ny tsenam-bola fa ho tsena fampiasam-bola; 9. Tsy mila miankina amin'ny ray aman-dreniny intsony ny olona vao hisondrotra ambony eo amin'ny fiarahamonina, ary hanana anjara mitovy (égalité de chance); 10. Fahafahana mifehy kokoa ny fahefan'ny manampahefana.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...