- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Espaina: Fifidianana Katalana – “Garcia Avokoa Izahay Rehetra”

Sokajy: Espaina, Fifidianana, Fifindràmonina, Fitantanam-pitondrana, Fiteny, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

Mitodi-doha mankany amin'ny biraom-pifidianana indray androany alahady, 25 Novambra 2012 ny any Katalonia izay ao raha mitokozihitra ny eo amin'ny toekarena ary mavaivay ny adihevitra momba ny fisintahana amin'i Espaina. Nanomboka tamin'ny alalan'ny lahatsary mampiady hevitra nivoaka tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Antokom-Bahoakan'ny Katalana [1] [es] (Partit Popular de Catalunya na PPC) izay mpitàna ny firaisampirenena ny fampielezan-kevitra, izay nifantoka indrindra tamin'ny adihevitra momba ny fahaleovantena [2] [fr] tamin'ny herinandro lasa teo.

Ny lahatsary, izay milaza fa mety hanery ny Katalana manana fiaviana Espaniola hanova ny anarany ny fitondrana mahaleo tenan'i Katalonia, no manamarika ny fiezahan'ny PPC hitarika ny adihevitra momba ny fisintahana hanana endrika ara-poko — ka nahazo tsikera mavaivay avy amin'ny mpifanandrina politika sy ireo mpanohana azy, izay mampiasa fombam-pitenenana tsy misy fanilikilihana [3] [ca], amin'ny familiana ny adihevitra ho ara-poko na raha atao ankapobeny kokoa dia ara-kolontsaina.

Mitranga amin'ny andro voalohany amin'ny fahaleovantenan'i Katalonia ny lahatsary, izay ahitana lehilahy iray noterena hanova ny anarany Garcia, izay manana fiaviana espaniola, ho anarana Katalana, Garriga. Avy eo hay nivadika ho nofiratsy novisavisaina ilay tantara ary ampinoana ny mpijery fa mba hamaranana iny nofiratsy iny, dia mila mifidy PPC izy.

Niteraka domberina miiba avy hatrany teo amin'ny mpiserasera Katalana ao amin'ny Twitter, izay namorona ny tenifototra #totssomgarcia [4] [ca] na “Garcia avokoa izahay rehetra” ho fanehoam-piraisankina amin'ny Katalana “Espaniola” sy ho fitsikerana ny dokam-pampisaraham-bazana ataon'ny PPC, ilay lahatsary izay efa nihoatra ny 70.000 sahady ny nijery azy tao amin'ny youtube. Navoitran'ny sasany ho diso tafahoatra ilay lahatsary, rehefa fantatra fa Garcia no anaram-bositra be mpanana indrindra any Katalonia [5] [ca] ary mbola mampisalasala [6] ny fiaviana ara-pokony.

Navoitran'ny mpiserasera sasany ihany koa ny esoeso fa ny hany fotoana tokana nisiana fandrarana anarana tany Espaina dia nandritra ny fitondrana jadon'i Francisco Franco — izay nahitana minisitra avy amin'ny Antokom-bahoaka Espaniola, misy ny PPC tao tamin'izany fotoana.

@victorcullell [7] Quin detall aquesta campanya del PP. I pensar que durants anys va estar prohibit inscriure noms en català al Registre Civil #totssomgarcia [8]
@victorcullell [7] Oadray ilay antsipiriam-panentanana avy amin'ny PP. Hampieritreretana fa natao ho tsy ara-dalàna nandritra ny taona maro ny anarana Katalana #totssomgarcia [8]
@xpgxavier [9] Els pares em volien Jordi,el mossen va dir que no, que Jorge,davant la negativa vaig ser Javier,ara Xavier, Paredes Garcia #totssomgarcia [8]
@xpgxavier [9] Nokasain'ny ray aman-dreniko ho Jordi ny anarako fa tsy maintsy nataony ho Jorge izany. Nanapa-kevitra tamin'ny Javier ry zareo. Ankehitriny aho Xavier Paredes Garcia #totssomgarcia [8]
@AdriaAlsina [10] Al 1959 es va obligar a que tots els noms es registressin en… castellà#totssomGarcia [11] http://ca.wikipedia.org/wiki/Cronologia_de_la_repressi%C3%B3_del_catal%C3%A0 … [12]
@AdriaAlsina [10] Tamin'ny 1959 ry zareo nandrara ny anarana tsy Espaniola #totssomGarcia [11] http://ca.wikipedia.org/wiki/Cronologia_de_la_repressi%C3%B3_del_catal%C3%A0 … [12]
Misy koa ny tranga manararaotra ny fanohanany ny fahaleovantenany ireo mpisera manana anarana Garcia, na anarana espaniola hafa.
@perearagones [13] Srs del PP:La meva mare, el meu germà i jo ens diem Garcia i volem la independènciaVisca els Garcia i visca Catalunya Lliure! #totssomGarcia [11]
@perearagones [13] Ry PP: Garcias ny reniko, izaho sy ny rahalahiko fa mitady ny fahaleovantena izahay. Ho ela velona ny Garcias rehetra ary ho ela velona i Katalonia!  #totssomGarcia [11]
Ny mpanao politika Josep Huguet avy ao amin'ny Repoblika Ankavian'i Katalonia (ERC) sy mpanohana ny mpifaninanana amin'ny PPC, niara-niloapeo tamin'ny maro amin'ny fombam-pampielezankevitra mihantsy.
@Josep_Huguet [14] Tinc besavis a l'Aragó, gendres i joves de famílies andaluses i navarreses.I el PP parla de neteja ètnica.Els nazis són ells#totssomGarcia [11]
@Josep_Huguet [14] Manana ray aman-drenibe any Aragon aho, havana any Andalozia sy Navarre. Ary dia te-hiresaka foko ny PPC. Nazis ireo. #totssomGarcia [11]
Misy ny mpisera sasany mitsikanikany fa tsy manintona mpifidy ny paikam-pampielezankevitra nataon'ny PPC.
@OscarVallFoto [15] 2 vídeos més així del PP abans del #25N [16] i es fan independentistes fins les mones del zoològic. #totssomGarcia [11]
@OscarVallFoto [15] Lahatsary roa mialoha ny #25N [16] sisa dia ataon'ny PP mpisintaka avokoa ny rehetra, na dia ny gidro ao amin'ny valam-biby [zoo] aza. #totssomGarcia [11]