Famoriam-bahoakan'ny Pitak Siam Lasa Herisetra Tany Thailand

Nivadika ho herisetra ny famoriam-bahoaka nokarakarain‘ny tambajotra Pitak Siam ho fanoherana ny governemanta, na ny “Arovy i Thailand” satria nifandona tamin'ny polisy ireo mpanao fihetsiketsehana tao Bangkok ny Sabotsy 24 Novambra 2012. Nitifitra entona mandatsa-dranomaso ny polisy mba hanaparitahana ireo vahoaka marobe izay nanandrana hiditra faritra mena.

Saksith Saiyasombut avy amin'ny Siam Voices dia nampita mivantana tamin'ny bilaogy ilay fihetsiketsehana. Mino izy fa hoe hifarana amin'iny tolakandro iny ilay fihetsiketsehana satria tsy dia nahangona olona mavitrika loatra ilay izy:

Nifarana aloha loatra tamin'ny 5:20 hariva ilay famoriam-bahoakan'ny Pitak Siam, rehefa injay niakatra teny an-tsehatra  Jeneraly Boonlert Kaewprasit mpitarika ilay vondrona ary niteny ny fiafaràny, nilaza ny tsy hanao sorona aina hafa bebe kokoa sy hitahiry ny hery sy tanjaka ho an'ny hetsika ho avy.

Nefa ny tena antony marina nanafoanana tanteraka azy dia tsy inona fa hoe tsy nahazo olona betsaka. Tany ampiandohana ilay vondrona dia niteny fa lasa izao rehefa feno 50.000 ny isan'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta – vinavina avobe napetraka saingy tsy tafita nandritra ny tolakandro, satria ny vinavina azo noeritreretina hatramin'izao dia nahazoana olona manodidina ny 30.000, raha tsy nanome afa-tsy ny 20.000 aza ny polisy.

Ny Pitak Siam dia nangataka ny hialàn'ny governemantan'ny  Praiminisitra Yingluck Shinawatra. Ampangain-dry zareo ho nanao kolikolky ny governemantan'i Yingluck ary tsy ampy fanajàna manoloana ny mpanjaka

Polisy mijoro ao ambadiky ny ampinga fiarovany tena rehefa sendra korontana, manoloana ny Lapa Ananda Samakhom. Sary an'i  Geoff Costley, fizakà-manana @Demotix (11/24/2012)

Iray amin'ny mpanao fihetsiketsehana milanja sorabaventy maneho ny fahafoizan-tenany ho ny mpanjakan'i Thailand. Say avy amin'i @seacorro

Vao manomboka milatsaka ny orana dia maka fialofana eo akaikin'ny sarivongan'ny Mpanjaka Rama V tao amin'ny Royal Plaza ireo mpanao fihetsiketsehana. Sary an'i Geoff Costley. fizakà-manana  @Demotix. (11/24/2012)

Ny lahatsary eto ambany dia maneho ny fifandonana teo amin'ny polisy sy ny mpanao hetsi-panoherana :

Ny tenifototra #pitaksiam sy #psiam no nampiasaina hanaraha-maso ny hetsika. Ireto ambany ireto ny fanehoan-kevitra vitsivitsy:

@bkkbase Tsy dia zava-dehibe loatra ny antony nampiatoana ilay hetsika. Niato ilay izy. Tsy nisy rà latsaka androany. Mandresy i Thailand. #PSiam

@Aim_NT Iray tamin'ny mpanao fihetsiketsehana no nitaraina hoe nahoana no faran'izay tsotra toy zany no niatoan'ilay famoriam-bahoaka nefa be ny heriny sy tanjany natontony tao ho fanohanana. Makkawan #Psiam

@Ryn_writes averiko tsindriana ity > RT @bkkbase: Jereo.  Izao no fiasan'ny Demaokrasia. Omeo anjara fitenenana ny olona. Avelao ry zareo hiteny. Avelao ry zareo hody. Tsy misy ilàna izay ISA akory. #Psiam [ISA dia ny Lalànan'ny filaminana anatiny any Thailand]

@PravitR Ny masoko no nahita fa ny fifandonana faharoa tao amin'ny fihaonan-dàlana tao Misakawan dia nitranga taorian'ny fisisihan'ireo mpanao hetsi-panoherana hamaky ny sakana natan'ny polisy #Psiam

@freakingcat hifarana ao anatin'ny 30 mn monja ny hetsi-panoherana #pitaksiam satria manomboka ny tantara an-tsary ao amin'ny TV Thai

@thanr Noheveriko fa nanadino nametaka tamin'ny anarany ny teny hoe ‘demaokrasia’ ry #pitaksiam, kanjo avy eo oh…

@fratticcioli Ny hafanan'ny mitatao vovonana mbola namely mafy lavitra noho ny entona mandatsa-dranomaso mba hampitoniana ireo mpanao fihetsiketsehana #pitaksiam. Nahazo sakafo maimaim-poana ihany koa izahay.

Ny vondron'ny Lobaka Mena, izay ny mpitarika an-dry zareo dia mpiara-mitolona amin'ilay Praiminisitra teo aloha Thaksin Shinawatra sady rahalahin'i Yingluck, nanentana ny vahoaka mba tsy hanaraka ny fitakian'ny Pitak Siam

Ny mpitarika dia nanentana ny vahoaka Thai hojoro hiray hina eo an-damosin'ny governemanta voafidy tamin'ny fomba demaokratika tao Thailand ary hiroso hatrany mankany amin'ny fanovàna ny lalam-panorenana, fitakiana ny rariny ho an'ireo niharan-doza tamin'ny 2010, ary hanome famelàn-tsazy ho an'ireo gadra noho ny politika avy amin'ny lafy rehetra.

Tsy hoe satria nifarana tamin'ny fomba ofisialy ilay famoriam-bahoaka dia midika izany fa hoe nifarana ny tolona. Aoka isika tsy hanamaivana ny tanjak'ireo hery manohitra ny demaokrasia eto amin'ity firenena ity.

Raha manana ahiahy momba ny resaka kolikoly na fihetseham-po mandà ny fanjakan'olon-tokana ianao, ilainao ny miditra amin'ny fantsona/tambajotra tena mifanaraka amin'izany mba hanandratana azy ireny. Izany no ilàna ny rafitra demaokratika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.