Made in Libya / Vita Avy any Libia: Bilaogera Ahmed Ben Wafaa

Mpampianatra Siansa i Ahmed Ben Wafaa, izay nanomboka nibilaogy tamin'ny 2000 mba hahafahany milaza amin'ny fombany ny toe-javatra misy ao amin'ny fireneny, ary tamin'ny alalan'ny biloaginy “Made in Libya”, na ny Vita avy ao Libya [ar] dia vitany ny tonga tamin'ny toerana maha-loharanom-baovao azy nandritra ny revolisiona Libiana.

Ao amin'ny bilaoginy, Ahmed no manolotra ny tenany manokana araka izao manaraka izao [ar]:

اسمي أحمد علي بن وفاء ، ليبي ، ولدت بقرية “أبوروية” في مدينة مصراته سنة 1981، أحمل شهادة بكالوريوس من كلية العلوم (قسم علوم الحياة). عندي شغف كبير بالتدوين – لكنه الكسل!

Ahmed Ben Wafaa no anarako. Libiana aho. Teraka tao an-tanànan'i Aburuya ao Misratah tamin'ny 1981. Manana ny diplaoma BS (Bakalorea momba ny Siansa) avy amin'ny Fakiolten'ny Siansa (Depratemantan'ny Siansa momba ny Aina). Mankafy sy tena liana be amin'ny fanoratana bilaogy aho saingy eo ny hakamoana [izay manakana ahy tsy hahasoratra be kokoa].

Nitafatafa tamin'i Ahmed aho taorian'ny ezaka maro natao mba hifandraisana taminà bilaogera Libiana noho ny halemen'ny fitaovana fifandraisan-davitra ao Libia amin'izao fotoana izao. Iray volana no lasa vao nahazo valinteny taminy, hoy izy, satria tsy afaka nahita aterineto tsara koriana mihitsy izy.

Sarin'i Ahmed nakariny tao amin'ny bilaoginy “Made in Libya”.

GV: Oviana ianao no nanomboka ny hetsika nataonao ety anaty aterineto ary inona no nahasarika anao tety anaty tontolon'ny bilaogy?

أحمد بن وفاء: بدايتي مع الإنترنت كانت عام 2000، وقتها كان التدوين العربي يتعثر في خطواته الأولى، وقد أعجبتني فكرة أن يكون للمرء صفحة خاصة – خلال بضع دقائق – يعبر فيها عن أفكاره واهتماماته المختلفة (سياسية، تقنية، فنية الخ) بحرية، بعيداً عن جمود واحتكار وسائل النشر التقليدية.

Ahmed: Efa hatrany amin'ny taona 2000 tany ho any ny tantarako miaraka amn'ny aterineto. Tamin'izany fotoana, mbola vao nianatra nandeha ny fitorahana bilaogy taty amin'ny Tontolo Arabo. Tiako tamin'izany ny hevitra hoe mba manana pejy manokana an'ny tena samirery azon'ny tena amoahana amin-kalalahana ny hevitra sy lohahevitra mahaliana samihafa (politika, teknika, zavakanto …), lavitry ny vahohon'ireo fampahalalam-baovao mahazatra.

GV: Azonao ambara fohy amiko ve ny mikasika ny loza natrehan'ny bilaogera Libiana nandritra ny fitondrana [jadon'ny filoha teo aloha Muammar] Gaddafi?

أحمد بن وفاء: كان التدوين عن السياسة أمراً شبه مستحيل لأن أي انتقاد تفسره الأجهزة الأمنية – ضيقة الأفق – كتهجم على رأس النظام (القذافي شخصياً) فيتم قمعه بشكل فوري، ومازلت أذكر ما تعرض له الصحفي ضيف الغزال عام 2005 حين كتب مقالاً على الانترنت ينتقد فيه الفساد والقمع الذي يتعرض له المواطن، فتم اختطافه وعثر على جثته لاحقاً وعليها آثار التعذيب (ومبتورة الأصابع) في إشارة واضحة لا تحتاج إلى تعليق!

Ahmed:Ny mibilaogy resaka politika aloha dia tena zavatra azo lazaina fa tsy azo natao satria izay rehetra kiana atao dia raisin'ny fomba fijery terin'ny mpitandro filaminana ho toy ny famelezana ny lohan'ny fitndrana (Gaddafi) daholo ary dia iharan'ny fampanginana avy hatrany. Mbola tsaroako hatrany ny zavatra niainan'ilay mpanao gazety iray, i Daif el Ghazal nandritra ny 2005, rehefa nanoratra lahatsoratra iray izy tety anaty aterineto, nanakiana ny kolikoly sy ny famoretana atrehan'ny vahoaka. Nalaina an-keriny izy ary nyfatiny sisa no hita aty aorana miaraka aminà diam-bono fampijaliana (bory ny rantsan-tànany) ho hafatra mazava tsy ilàna fanazavana akory.

GV: Fantatry ny rehetra fa ny fahatapahan'ny herinaratra tany Libia sy ny fanakanana ireo fantsom-baovao vahiny tsy hiditra tany amin'ny firenena, dia nametaka ireo bilaogera ho loharano sarobidy nahazoana ny vaovao nandritra ny ravolisiona Libiana. Azonao ambara ve ireo  zava-niainana izay mandoko tsara io tena zava-nisy io?

أحمد بن وفاء: بصراحة لم يكن للمدونات دور كبير أثناء الثورة لأسباب كثيرة ربما من ضمنها خشية المدون من اكتشاف هويته من قبل النظام، فلجأ معظمهم للكتابة بأسماء مستعارة والانتقال لمخاطبة الشريحة الأكبر التي تستخدم فيسبوك بالإضافة لسرعة انتقال المعلومات هناك وسهولة مشاركتها، وأذكر أنه في يناير الماضي قام بزيارتي صحفي اسمه عبد الله السالمي من قسم (BBC Monitoring) -وهو قسم مهتم بالحصول على الأخبار من مصادر إعلام المواطن كالمدونات وتويتر وغيرها – وأخبرني أن مدونتي كانت ضمن 3 مدونات ليبية كانوا يحرصون على زيارتها بشكل يومي أثناء الثورة الليبية، وأعتقد أن عدد المدونات النشطة أثناء الثورة لم يتجاوز 10 مدونات (من داخل البلاد).
وقد كانت مهمتنا في غاية الصعوبة بسبب سيطرة النظام على قطاع الإنترنت بشكل كامل وقيامه بقطعه على كامل البلاد بعد وقت قصير من اندلاع الثورة! مما جعل من دخولنا للانترنت (عبر وسائل بديلة) في غاية الصعوبة، بالإضافة لانشاء مخابرات النظام ما يسمى “بالجيش الالكتروني” الذي كان مهمته حجب واختراق المواقع وصفحات فيسبوك المؤيدة للثورة.

Ahmed: Amim-panetren-tena aloha an, tsy dia nitàna anjara andraikitra be loatra nandritra ny revolisiona ny bilaogy noho ny antony maro, toy ny, ohatra hoe, ire bilaogera natahtra sao ho fantatry ny mpitondra ny tena momba azy. Noho izany dia nanomboka nampiasa solonanarana ny ankamaroan-dry zareo na nitodika tamin'ny fampiasàna ampahany betsaka ny Facebook, ho fanampiny amin'ny fanafainganana ny fampitàna vaovao tao amin'ity sehatra ity sy ny hamoràn'ny fifampizaràna azy. Tadidiko amin'ny Janoary lasa teo, nandray mpanao gazety mpanara-maso avy amin'ny BBC aho (departemanta iray izay mikaroka vaovao avy amin'ny alàlan'ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra toy ny bilaogy, Twitter sns), Abdullah Al Salemi, izay niteny tamiko fa ny bilaogiko dia isan'ireo bilaogy Libiana telo tsidihan-dry zareo isan'andro vaky nandritra ny revolisiona Libiana. Saingy heveriko fa ny bilaogy navitrika indrindra nandritra ny revolisiona dia tsy nihoatra ny 10 (avy ao anatin'ilay firenena) ary ny iraka nefainay dia tena sarotra be satria ny fanjakana dia nanao ampihi-mamba sy nanara-maso ny aterineto sady voabahana koa izy io fotoana fohy taty aorian'ny nanombohan'ny fitroarana. Io no nahatonga ny fahafahanay miditra aterineto (tamin'ny alàlan'ny fitaovana hafa) ho faran'izay sarotra, ho fanampin'ny nananganan'ireo sampam-pitsikilovan'ny fanjakana ilay antsoina hoe “tafika elektronika” izay nanao vain-dohan-drahara ny fijirihana tranonkala toy ny Facebook izay nanaohana ny revolisiona.

GV: Nirodana ny fitondran'i Gaddafi ary toy izany koa ny jadona. Niova ve ny teo-draharaha iainana? Mandry fahalemana ve ny bilaogera amin'izao fotoana ao Libia sa mbola misy hatrany ny tsipika mena sy fadifady tsy tokony hihoarana?

أحمد بن وفاء: لم تعد هناك خطوط حمراء أو تابوهات، وأصبح انتقاد الحكومة والسخرية منها بالكاريكاتير أو المقال أمراً عادياً، لكن الكاتب بات يخشى عمليات الانتقام الفردية بسبب عدم تشكل الجيش واستتباب الأمن في البلاد بشكل كامل وانتشار السلاح.

Ahmed: Tsy misy intsonyny tsipika mena na fadifady. EFa laza zavatra mahazatra izao ny fanakianana sy ny fanesoesoana ny governemanta amin'ny alàlan'ny kisarisary na lahatsoratra. Saingy ankehitriny dia ny valifatin'ny isam-batan'olona no mampahatahotra ny mpanoratra  satra hatramin'izao tsy mbola misy tafika na mpitandro filaminana ao amin'ny firenena ary mbola be fitaovam-piadiana miparitaka any rehetra any

GV: Ahoana no fahitànao ny hoavin'ny bilaogy sy ny fampahalalam-baovaon'olon-tsora ao Libia?

أحمد بن وفاء: متفاءل طبعاً، فقبل حقبة القذافي كان الدستور يكفل حرية التعبير وكانت تجرى سجالات فكرية ساخنة في عشرات الصحف اليومية قبل أن يختزلها القذافي في بضع صحفحكومية بائسة لا يشتريها أحد.

Ahmed: Velom-bolo aho mazava ho azy, satria talohan'i Gaddafi ny lalam-panorenana dia niantoka ny fahalalahana maneho hevitra ary efa fahita foana ny adihevitra mafonja eny anaty gazety an-soratra eny isan'andro talohan'ny nampiatoan'i Gaddafi an'izany rehetra izany sy nanombohany ny gazetim-bahoaka izay tsy misy te-hividy azy akory.

Azonao arahana ihany koa i Ahmed ao amin'ny Twitter sy Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.