Pakistana: Baomba Dimy Namely Tanàna Telo Tao Anatin'ny Iray Andro

Andro mahatsiravina ny Alarobia 21 Novambra noho ny fanafihan'ny Tallibana ireo Imambargahs, diabem-pisaonana Muharram, sy ireo sampan-draharaha misahana ny fitandroana fahalemana ao KarachiRawalpindi, ary Quetta. Vokany, olona 20 no namoy ny ainy ary 43 kosa naratra.

Nanaiky mivantana tsy mitsitsy ny mpitondra tenin'ny Talibana, Ehsan Ullah Ehsanor fa izy ireo no tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana ireo Miozolomana Shiita , ary nivoady fa mbola hisy fanafihana maro sahala amin'izany hitranga amin'ny manaraka.

Baomba tao Karachi

Baomba roa no indray nifanesy nipoaka tao akaikin'i Imambargah ao amin'ny distrikan'i Orangi. Nafenina tao anatina posiposy ny baomba. Mbola tsy nisy ny filaharan'ny mpivavaka handeha hisaona nandritra ny fotoana nipoahan'ny baomba. Nohodidinin'ireo mpitandro ny filaminanana avy hatrany ny faritra, ary nanosika ireo vahoaka sy mpanao gazety izy ireo mba tsy ho tratry ny loza. Tampoka teo anefa, nisy baomba nipoaka fanindroany. Fantatra fa tsy nisy ny aina nafoy tamin'izany.

Vahoaka sy mpiambina mitangorona ao anaty toerna iray taorian'ny fipoahan'ny baomba teo akaikina Imambargah Hyder-e-Karrar ao an-tanànan'i Orangi, ao Karachi. Sary: Owais Aslam Ali. Copyright Demotix (21/11/2012)

Tamin'ny 18 Novambra, nisy baomba nipoaka teo anoloana Imambargah ao amin'ny faritry ny tanànan'i Abbass izay namoizan'ain'olona 2 sy maratra 15.

Baomba nipoaka tao Quetta

Ireo sampan-draharaha misahana ny filaminana no tena nokendren'ity fanafihana ity. Bomba 15kg no naraikitra tamina moto teo akaikin'ny vavahady fidirana ao amin'ny fonjan'ny distrika. Olona 7 no namoy ny ainy, ary anisan'izany ireo mpiasa 3 avy ao amin'ny Frontier Constabulary (Polisin'ny sisintany). Olona maherin'ny 16 kosa no naratra.

Baomba nipoaka tao Rawalpindi

Olona nanao sorona ny ainy amin'ny fanapoahana baomba (kamikazy) – izay eo amin'ny 17 na 18 taona eo -no nanapoaka ny baomba teny aminy nandritra ny fotoam-pivavahana fisaonana manodidina an'i Dhok Sayidan. Nitovy ny tamin'ny nampiasaina tao Karachi ihany ny teknika nampiasana tao. Baomba roa indray no nifanesisesy nipoaka nifanelanelana efa-polo minitra. Ity fanafihana ity no tena nisianà rà mandrika satria, mpisaona 23, izay ankizy ny 8 no namoy ny ainy.

Mitangorona eny manodidina eny ny olona mba hijery ny fahapotehana nateraky ny fipoahana baomba tao Rawalpindi. Sary: Sajjad Ali Qureshi. Copyright: Demotix (21/11/2012)

Fanehoan-kevitra

Human Rights Watch nanameloka mafy ny asa fampihorohoroana atao amin'ireo Miozolomana Shiita ao Pakistana:

“Mila mandray ny andraikiny ireo manampahefana Pakistaney manoloana ny loza atrehan'ny vahoaka Shiita ka tokony horaisina avokoa ny fepetra rehetra ilaina. Tokony hosamborin'izy ireo ohatra ireo mpikambana amin'ny vondrona mahery fihetsika tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana teo aloha.”

Nanameloka ity asa fampihorohoroana ity ihany koa ireo mpisera Twitter sy mpikirakira aterineto.

Marvi Sirmed nisioka hoe:

@marvisirmed: dear LeJ, many Shias dead. Islam saved. Right? La'anat tum logon per.

Ry namana Lashkar-e-Jahangvi [fikambanana mpampihorohoro voaràra], Shiita maro no namoy ny ainy. Avotra ny Islamo. Sa tsy izany? Hanafay anareo anie Andriamanitra.

Shamama Abbasi nisioka hoe:

@shamama_abbasi: Miara-ory amin'ireo fianakavian'ny maty ao rawalppindi, baomba nipoaka tao karachi, tena asa fampihorohoroana adala sy mampahonena. Salaam Ya Hussyn [Ho ao amin'i Hussain anie ny filaminana]

Maro ireo nanamarika fa tsy dia nahasarika loatra ny asa fampihorohoroana natao tamin'ireo Miozolomana Shiita raha oharina amin'ny fanafihan'i Isiraely an'i Gaza (Jereo ny Tatitra Globalvoices)

Ghaffar Hussain nisioka hoe:

@GhaffarH: Shiita am-polony no namoy ny ainy noho ny baomba nipoaka tao Karachi saingy tsy avy ao Gaza ireo niharam-boina ary tsy jiosy ihany koa ireo mpamono olona, araka izany afaka mandehandeha ianao, tsy misy zavatra azo jerena eto.

Rohan naneho hevitra:

Iriako mba ho raisin'i Pakistana ho tena fandrahonana lehibe ho azy ny Islamo mahery fihetsika, fa tsy i India no melohina. Tsy mba mahita fihetsiketsehana na famoriam-bahoaka ho fanoherana izany vono olona izany aho. Kanefa, miahiahy momba an'i gaza, barma, assam ny vahoaka?? Tsy mahalala menatra mihitsy ve ianareo??????????

Tao amin'ny lahatsoratra bilaoginy, Abdul Nishapuri nanao fanontaniana mitombina:

“Nahoana no tsy misy lanjany ireo ankizy Shiita 6000 namoy ny ainy tao Pakistana noho ireo Palestiniana am-polony?”

Shafi Sial nisioka hoe:

@Sahfisial: Mitomany mafy an'i Gaza ny vahoaka ao #Pakistan izay 90% amin'izy ireo ihany no nahare fa nifamono ao amin'ny taniny ihany ny #Shiita  #Hazara & #Ahmadis!

Basit Saeed nisioka hoe:

@basit_saeed: Manohitra ny famonoan'olona ao Gaza izahay saingy tsy mba miraika hanameloka ny famonoana ireo Shiita koa izahay! Fepetra mahasosotra! #Karachi

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.