25 Novambra 2012

Tantara tamin'ny 25 Novambra 2012

Espaina: Fifidianana Katalana – “Garcia Avokoa Izahay Rehetra”

  25 Novambra 2012

Mitodi-doha mankany amin'ny biraom-pifidianana indray androany alahady, 25 Novambra 2012 ny any Katalonia izay ao raha mitokozihitra ny eo amin'ny toekarena ary mavaivay ny adihevitra momba ny fisintahana amin'i Espaina. Nanomboka tamin'ny alalan'ny lahatsary mampiady hevitra nivoaka tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Antokom-Bahoakan'ny Katalana [es] (Partit Popular de Catalunya na PPC) izay mpitàna ny firaisampirenena ny fampielezan-kevitra, izay nifantoka indrindra tamin'ny adihevitra momba ny fahaleovantena [fr] tamin'ny herinandro lasa teo.

Pakistana: Baomba Dimy Namely Tanàna Telo Tao Anatin'ny Iray Andro

  25 Novambra 2012

Andro mahatsiravina ny Alarobia 21 Novambra noho ny fanafihan'ny Tallibana ireo Imambargahs, diabem-pisaonana Muharram, sy ireo sampan-draharaha misahana ny fitandroana fahalemana ao Karachi, Rawalpindi, ary Quetta. Vokany, olona 20 no namoy ny ainy ary 43 kosa naratra. Nanaiky mivantana tsy mitsitsy ny mpitondra tenin'ny Talibana, Ehsan Ullah Ehsanor fa izy ireo no tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana...

Made in Libya / Vita Avy any Libia: Bilaogera Ahmed Ben Wafaa

Mpampianatra Siansa i Ahmed Ben Wafaa, izay nanomboka nibilaogy tamin'ny 2000 mba hahafahany milaza amin'ny fombany ny toe-javatra misy ao amin'ny fireneny, ary tamin'ny alalan'ny biloaginy "Made in Libya", na ny Vita avy ao Libya [ar] dia vitany ny tonga tamin'ny toerana maha-loharanom-baovao azy nandritra ny revolisiona Libiana. Nitafatafa taminy i Ahmed Ben Jeddou mba hahalalàna misimisy kokoa mikasika ny fitorahana bilaogy sy ny famoahalalam-baovaon'olon-tsotra ao Libya taloha sy taorian'ny revolisiona

Famoriam-bahoakan'ny Pitak Siam Lasa Herisetra Tany Thailand

  25 Novambra 2012

Nivadika ho herisetra ny famoriam-bahoaka nokarakarain'ny tambajotra Pitak Siam ho fanoherana ny governemanta, na ny "Arovy i Thailand" satria nifandona tamin'ny polisy ireo mpanao fihetsiketsehana tao Bangkok2. Nitifitra entona mandatsa-dranomaso ny polisy mba hanaparitahana ireo vahoaka marobe izay nanandrana hiditra faritra mena. Nangatahan'ireo mpanao fihetsiketsehana ny hialàn'ny Praiminisitra izay ampangain-dry zareo ho mpanao kolikoly sy tsy tia ny resaka demaokrasia.

Saodiana Mpitsara: “Izay Ampiharina Amin'ny Mpifehy , Tsy Ampiharina Amin'ireo Olom-peheziny”

Vao maraina be androany (24Nov), nanohy ny fakàna am-bavany ireo lehilahy roa mpikatroka mafàna fo manana ny maha-izy azy amin'ny fiarovana zon'olombelona ny Fitsarana Heloka Bevava ao Riyadh, Mohammad Al-Qahtani sy Abdullah Al-Hamid. Ny fitsarana androany dia fifanatrean'ny mpitsara sy ny andaniny avy amin'ny mpiaro fotsny ihany, ary tsy niloa-bava mihitsy mpampanoa lalàna. Olona enimpolo dimy amby no nanatrika ny fifanatrehana, ka tamin'izany no nilazàn'ny mpitsara fa : "Izay Ampiharina Amin'ny Mpifehy , Tsy Ampiharina Amin'ireo Olom-peheziny."