Tontolo Arabo: Inona No Hiova Amin'ny Fahalanian'i Obama Fanindroany?

Lany ho filoham-pirenena amerikana fanindroany i Barack Obama nefa ahoana ny fandraisan’ireo mpampiasa aterineto manerana ny Tontolo Arabo izany? Indro misy pitiny kely tamin’ireo bitsika tao amin’ny  Twitter taorian’ny fahalaniany indray. Mizarazara ireo  fihetseham-po ka raha tsy faly noho ny politika ivelan’i Etazonia any amin’ny faritra ny ankabeazany, ny hafa kosa dia faly noho ny fandresen’i Obama.

Mamoaka ireo paikadin’ny firaisana tsikombakomba hiseho masoandro I Saudi Essam Al Zamil. Hoy izy [ar]:

إسرائيل كانت تفضل فوز رومني. رغم ذلك خسر. غريبة!! ما كانوا يقولون إن إسرائيل والصهاينة يتحكمون العالم ويحركوننا كأننا بيادق على رقعة شطرنج؟!

@essamz: Tian’Israely kokoa raha i [Mitt] Romney no nandresy. Nefa resy izy. Mahagaga!!! Tsy nilaza va izy ireo hoe Israely sy ny mponina ao Ziona no mitantana izao tontolo izao ka nanisakisaka antsika tahaka ny fanisaka ny vatom-panorona?

Lasa saina i Gigi Ibrahim, Ejiptiana, hoe mba tahaka ny ahoana re ny fihetsik’i Obama [mandoka ny vadiny sy ireo zanany vavy] rehefa nandresy raha filoham-pirenena Arabo izy:

@Gsquare86: Obama miteny ampahibemaso ny fitiavany an’i Michelle sy miresaka amin’ny zanany vavy, haha, eritrereto anie raha i Morsi na filoha Ejiptiana no manao izany e.

Nizara hevitra mitovitovy amin’izay i Kuwaiti Al Saqar:

اوباما يحتضن زوجته بعد الفوز بالرئاسة وربعنا يفوز بانتخابات جمعية يتزوج على مرته !! هههههههههههه

@alsaqar_87: Namihina ny vadiny i Obama taorian'ny nandreseny tamin’ny fifidianana raha ireo namantsika kosa maka vady faharoa  rehefa mandresy amin’ny fifidianana izy ireo !! haha

Manome voninahitra ny lahatenim-pandresen’i Obama ilay mpanao politika Koetiana Dr Aseel Al Awadhi:

خطاب اوباما بعد اعلان فوزه يجب ان يدرس كمادة اساسية لكل القيادات العربية. نستورد منهم كل شئ ليش ما نستورد نوعية خطابهم السياسي؟

@AseelAlawadhi: Tokony ho fitaratra ho an’ireo filoha arabo rehetra ny lahateny nataon’i Obama taorian’ny fandreseny.  Manafatra ny zava-drehetra avy amin'izy ireo isika koa maninona koa moa isika raha mba mampiditra ny hakingan'izy ireo ara-politika?

Ary eso malefaka kosa no nataon’ilay Syriana Bint Al Rifai nanomezany voninahitra ny fitantanan’i Obama:

@BintAlRifai: Fitantanan’i Obama… Mahafolaka tanteraka ny fampiasana ny molotra

Niezaka ny hahatonga saina ny olona ilay Ejiptiana Raafat Roheim tamin’ny filazana fa tsy miova miaraka amin’ny fiovanà filoha ny politika ivelan’i Etazonia:

الناس العبيطة اللي مفكره أن سياسة أمريكا الخارجيه هتتغير لو رومني فاز، والنبي آتوكسو. لو كيم كارداشين بقت الرئيس السياسه مش هتتغير يا مواشي


@Raafatology:
Ny olona tsy misy saina dia mihevitra fa niova ny politika ivelan’i Etazonia raha nandresy teo i [Mitt] Romney. Na dia i Kim Kardashian aza no lasa filoham-pirenena dia tsy hiova izany ny politikan-dry zareo.

Manamarika ilay Ejiptiana mpanao gazety, Ayman Mohyeldin hoe:

@AymanM: fampielezan-kevitra mandritry ny 2 taona, vola an-davitr’isa no lany, nandresy i Obama, fehezin’ny demokraty ny antenimeran-doholona, mitantana ny antenimieram-pirenena ny repoblikana nefa hampiova zavatra ve izany?

Raha mianihany mikasika ny fifandraisan’I Obama amin’ny Islam ilay Jordaniana Naseem Tarawnah:

@tarawnah: Raha misaotra an’i Allah ny filoha Obama mandritry ny lahatenim-pandreseny, dia mihorohoro ny olon-drehetra. NY OLON-DREHETRA.

Mandritra izany fotoana izany, ilay Jordaniana Fadi Zaghmout dia manohana an’i Obama:

@ArabObserver: Hifidy an’i Obama kosa aho amin’ny #USElection #ivoted  noho ny maha-mponin’izao tontolo izao ahy.

Ampiny hoe:

@ArabObserver: Misaotra indrindra ry Amerikana namako  nifidy ny faasalaman-tsaina omaly. Fandresena ho antsika rehetra ity. Arahabaina!

Ary mirary soa ho an’i Amerika ilay Ejiptiana Nadia El-Awady:

@NadiaE:Mahafinaritra ny mandre ny fandresen’i  #Obama eo am-pifohazana. Mirary soa ry Amerika a.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.