- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Poa-Basim-Pifaliana No Nanamarihana Ny Fampitsaharana Ny Adin'Isiraely sy Gaza

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Palestina, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

Miato ny ady eo amin'Isiraely sy ny Hamas, namarana ny herinandrom-pifanandrinana izay nahafatesana farafahakeliny Palestiniana 155 sy Isiraelianina dimy.

Raikitra ny fifamelezana teo amin'Isiraely sy Gaza taorian'ny nikendren'ny voromby baikoan-davitra [drone] Isiraelianina sy nahafatesany ny lehiben'ny miaramila Hamas tamin'ny 14 Novambra, izay nomarihan'ny fanombohan'ny fifampitifirana an-tsisintany. Ny mpitolon'i Gaza moa mitifitra balafomanga mankany Isiraely, izay midaroka baomba an'i Gaza hatreny an-tanety, na an'habakabaka na an-dranomasina.

Araka ny fifanaraha-pampitsaharan'ady, noelanelanin'i Ejipta, Isiraely moa hampitsahatra ny endrika fanirikiriana rehetra ataony amin'i Gaza, izay hamarana ny “fanafihana balafomanga sy endrika fanafihana hafa rehetra manerana ny sisintany.” Raha tontosa ao anatin'ny 24 ora ny fifanarahana fampitsaharan'ady dia hikarakara ny fomba hamaranana ny fanidiana tanteraka an'i Gaza i Isiraely amin'ny fanokafana ny fiampitana sisintany sy famelana malalaka ny fivezivezen'ny olona sy ny entana.

An-tserasera, mihamiangona [1] ny fitsinjovana ny fanambarana ny fampitsaharan'ady.

Nandray naoty i Andy Carvin:

@acarvin [2]: Apart from new year's, I don't think I've ever seen so many people tweet what time it is. #gaza #ceasefire

“Ankoatra ny taombaovao, tsy mbola nahita olona maro tahaka izao manontany ora aho.”

Raha nanamarika i Iyad El_Baghdadi:


@iyad_elbaghdadi
: 9:08 local time, explosions still being heard in #Gaza, sirens still being sounded in #Israel.

“9:08 ora eto an-toerana, mbola misy fipoahana heno hatrany eto Gaza, mbola maneno hatrany ny anjombona ao Isiraely.”

Tsy ela, nanenika ny habakabak'i Gaza ny poabasim-pifaliana.

Ao amin'ny Audioboo, ny lehiben'ny BBC ao Afovoany Atsinanana Paul Danahar, izay any , no mizara [3] rakipeo:

Mitantara ny eny an-dalana i Nayef:


@TheNElectric:
Gaza streets are full of celebrations. Satisfaction, pride & glory are drawn all over Gazans faces

“Henika fankalazana manerana ny lalan'i Gaza. Fahafaham-po, rehareha sy voninahitra no mandravaka ny tavan'ny Gazaita”

Raha nandray naoty i Majed Abusalama:

@MajedAbusalama [4]: We do not trust #Israel but we can enjoy this moment of #Peace. in #Gaza people are so strong, I really #love them. #resistance

“Tsy matoky an'i Isiraely isika fa afa-mifaly ity fotoanan'ny fandriampahalemana ity. Matanjaka tokoa ny vahoaka ao Gaza, tena tiako izy ireo. Fijoroana”

Iza no nandresy?

Mananihany ilay Ejipsiana Mostafa Hussein:

@moftasa [5]: Congratulations Bibi. You made Khamas stronger.

[Bibi no praiminisitr'i Isiraely Benjamin Netenyahu ary Khamas no fomba anononan'ny Isiraelianina maro ny Hamas]

“Arahabaina Bibi. Nataonao natanjaka kokoa ny Khamas.”

Nisioka i Shadi Hamid:

@shadihamid: [6] So Hamas got: greater regional legitimacy, spike in popularity, end of assassinations, easing flow of goods into Gaza & a weaker PA to boot.

“Ny azon'ny Hamas: fankatoavana kokoa eo amin'ny sehatra rezionaly, faratampon-daza, famaranana ny famonoan'olona, fanamorana ny fivezivezen'ny entana mankany Gaza ary mihamalemy kokoa ny Fahefana Palestinianina ho fanombohana.”

Notohizany:

@shadihamid [7]: In asymmetric battles such as this one, it's very hard for a group like Hamas to ever actually “lose,” as long as it survives.

“Amin'ny ady tsy mifanentana tahaka ity iray ity, sarotra dia sarotra ho an'ny vondrona tahaka ny Hamas izany hoe tena “resy” izany, raha mbola miavo-tena hatrany izy.”

Niteny ilay Isiraelianina Elizabeth Tsurkov hoe:

@Elizabeth [8]: Bibi kept talking about weakening Hamas and removing them from power for years, and this agreement solidifies their rule

“Efa an-taonany maro no nitenenan'i Bibi ny amin'ny hanaovana izay hampalemy ny Hamas sy ny hanesorana azy eo amin'ny fitondrana, fa ity fifanarahana ity nanamafy ny fitondran-dry zareo.”

Nanampy i Lauren E. Bohn, izay any Jerosalema:


@LaurenBohn:
Talking to handful of #Israel analysts who all say #Hamas came out of this a winner: more international recognition + credibility #Gaza

“Tamin'ny fifampiresahana tamin'ireo mpamakafaka ao Isiraely izay samy niteny avokoa fa ny Hamas no tafavoaka ho mpandresy: fankatoavana sy fanekena iraisampirenena bebe kokoa #Gaza”

Ary ny mpanao gazety Gregg Carlstrom nisioka:

@glcarlstrom: [9] My Twitter feed variously informs me that the real winners today are Israel, Hamas, Egypt, the US and Iran. (but everyone agrees Abbas lost)

Samy manana ny filazany amin'izay tena mpandresy daholo androany ny tao amin'ny famahanana Twitter-ko manao hoe isiraely, Hamas, Ejipta, Etazonia ary i Iran. (saingy miara-manaiky ny rehetra fa i Abbas no resy)


Fiderana an'i Ejipta

Midera ny fanelanelanana nataon'i Ejipta tamin'ny fampitsaharana ny ady ny Palestiniana ao amin'ny Twitter.

Manoratra i Yaser Alzaatreh [ar]:

مصر رئيسا وحكومة وشعبا كانت معنا. وقفت دون تردد. صرخ الصهاينة ألما من وقفتها. عادت مصر إلينا وعدنا إليها، فهي قائدة العرب وعنوان عزتهم.


@YZaatreh
: Niaraka tamintsika i Ejipta, ny Filohany ary ny vahoakany. Tsy nisalasala nanohana antsika ry zareo. Nanohina ny Sionista ny fijoroany. Niverina ho antsika i Ejipta ary nitodika ho any aminy isika. Ejipta no mpitarika ny Arabo sy mariky ny reharehany.

Ary nanampy i Ola Anan avy any Gaza:

من كل قلبي .. شكرا مصر 🙂

@olanan [10]: Avy any amin'ny lalina ao amin'ny foko ao no mankasitraka anao ry Ejipta!!

Inona ny Manaraka?

Nampandrosoan'ny maro tamim-pisentoana ny fampitsaharan'ady.

Nisioka i Karen Knox, avy any Tel Aviv:

@KarenAbroad [11]: So thankful for #ceasefire tonight as I tuck my little girl into bed here in #TelAviv.

“Feno fankasitrahana tamin'ny fampitsaharana ny ady androany alina rehefa nitondra ny zanako vavy teo am-pandriana teto TelAviv”

Saingy mbola manontany tena ihany ny maro hoe haharitra hafiriana indray moa ity fandriampahamelana eo amin'i Gaza sy isiraely ity.

Niteny ilay Palestiniana Hasan Karajah says:

البعض سيذهبون لشرب نخب الانتصار بعد تعبهم في كتابة التغريدات و رجال المقاومة يكونوا في اجتماع الان لوضع خطة الضرب القادمة #المقاومة_مستمرة

@hasankarajah [12]: Hisotro ho amin'ny fandresena ny sasany rehefa leon'ny manoratra ny sioka saingy ny olon'ny fitolomana kosa hihaona handrafitra indray ny tetikady amin'ny fifandonana manaraka. Mitohy ny tolona.

Ary namarana i Tsurkov avy any Isiraely:

@Elizrael [13]: In 20min the post on Bibi's official fb page on the cease-fire got 1,344 responses. Overwhelming majority is negative http://on.fb.me/TcsAc1 [14]

“Nahazo valinteny 1344 ny pejy fb ofisialin'i Bibi tao anatin'ny 20 minitra nanoratana ny fampitsaharan'ady, miiba ny maro anisa be dia be tamin'izany”