- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mapa76 : Asa Fanavaon-gazety Angona Mampiseho Ny Fanararaotam-pahefan'ny Jadona Tao Arzantina

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka

Mitàna andraikitra fototra amin'ny asam-panadihadiana fanaon'ny gazety ao Arzantina hanadihadiana ny lasa sy ny ankehitrinin'ny firenena ny fanaovan-gazety angona [journalisme de données].

Paula Gonzalo ao amin'ny Periodismo Ciudadano [1] [amin'ny teny espaniola] nanipika ny asan'ilay mpanao gazety Sandra Crucianelli mikasika izany ary nampahafantatra ny tetikasa Mapa 76, sarintany ahafahana mamantatra toerana sy manangom-baovao mikasika ireo izay niharan'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona nandritra ny didy jadona [2] nitondràna ny firenena tamin'ny taona 1976 hatramin'ny 1983.

Eto ambany eto ny lahatsoratra [1] nadikan'i Paula Gonzalo, voaaro amin'ny zon'ny mpamorona: licence 3.0 Unported de Creative Commons (CC BU 3.0 [3]

Mapa 76 [1]

Mapa 76

Amin'izao revolisiona teknolojika izao sy ny fivelaran'ny fitaovana vaovao andraisan'ny besinimaro amin'ny endrika vaovao izao, miaina anaty vanim-potoana mampiroborobo ny fanaovan-gazety sy ny fifandraisana isika. Anisan’ny zava-baovao amin’izany ny fanaovan-gazety angona izay mandrafitra ny fomba vaovao ahatakarana ny fanaovan-gazety famotorana.

Monina ao Arzantina i Sandra Crucianelli [4] [amin’ny teny anglisy], Sakaizan'ny Knight International Journalism, izay manazava amintsika ny fomba ahafahana manambatra ny hery amin'ny alalan'ny fanaovan-gazety angona, ny fiaraha-mientan'ny olom-pirenena ary ny teknolojia vaovao eo anilan'ny gazety fampahalalam-baovao fanta-daza tahaka ny La Nación [5] [amin’ny teny espaniola], gazety lehibe indrindra ao amin’ny firenena Basée.

Mitarika ekipa mpanao gazety mpanao famotorona i Sandra Crucianelli [6] [uk] izay misahana manokana ny fanaraha-maso ny alehan'ny loharanom-bola ho any amin’ny sampan-draharaham-panjakana ao amin’ny firenena. Mandray anjara manokana amin’ny fananganana ekipa mpanao gazety voatokana amin’ny asa fanaovan-gazety angona ahafahana manatsoaka sy mamakafaka io karazam-baovao io izy ahafahana manatontosa fandaharam-panadihadiana « [ka manasa] ny olona hamaly sy handray anjara ».

Mandray anjara amin’ny tetikasam-paritra momba ny Hacks/Hackers [7] ihany koa i Sandra Crucianelli [8] amin’ny alalan’ny famoronana fampiharana vaovao ahafahana manangona sy manara-maso ny angona. Anisan'ny tetikasa amin'izany ny Mapa76 [9] izay sarintany ahafahana mamantatra ny toerana misy vaovao momba ilay antsoina hoe “ady maloto” ary ahafahana manangona fanampim-baovao momba ireo niharan'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona nandritra ny didy jadona miaramila tao Arzantina [2] (1976/83).

Mampahafantatra antsika izany tetikasa izany ao amin'ny habaka aterinetony izy :

Mapa76 [10] es un software de investigación periodística dedicado a la extracción automática de datos, análisis semántico y la estructuración de la información recopilada con el propósito de mostrar relaciones de manera visual e interactiva (líneas de tiempo, mapas interactivos y árboles de conexiones -treemap-) en la información relacionada con los juicios de la última dictadura militar y los juicios en curso. Esta herramienta debe permitir que el investigador pueda seleccionar y cruzar datos de diversas fuentes documentales para generar historias e identificar relaciones difíciles de encontrar y/o comprender por métodos tradicionales.

Las cifras oficiales [11] de desaparecidos durante la última dictadura militar argentina [12] (1976-1983) ascienden a 13.000, pero las organizaciones de derechos humanos afirman que son 30.000 [13].

Rindrambaiko famafakafana an-gazety ny Mapa76 [10] izay natokana itrandrahana ireo angona, amin'ny fanadihadiana ny heviteny sy ny firafitry ny angona mba ahafahana mampiseho imaso sy ifanatrehana (rojon-kevitra, sarintany ifandrimbonana ary –treemap -) ny fifandraisan'ny angom-baovao tamin'ny fitsarana nandritra ny didy jadona miaramila sy ireo angom-baovao ao amin'ny fitsarana an-dalana amin'izao fotoana izao. Io fitaovana io no ahafahan'ny mpanao fanadihadiana mifantina sy mampitaha ireo angona avy amin'ny loharanom-baovao samihafa mba hivoahana tantara maro sy mamantatra ireo fifandraisana sarotra hita na fantarina raha amin'ny fomba mahazatra.

Manamarika ny antontanisa ofisialy [11] fa 13 000 ireo olona nanjavona nandritra ny didy jadona miaramila farany teo tao Arzantina [2] (1976-1983), saingy nanambara kosa ny fikambanana miaro ny zon'olombelona fa 30.000 [13] no tena isan'ireo nanjavona..

Ao anatin'ity lahatsary noraketina tao amin'ny Arisivam-pirenena Fahatsiarovana) [14] [es], tao amin'ny Sekoly Mekanikan'ny Tafika teo aloha (ESMA) — toerana nanaovana fitazonana mangingina sy fampijaliana ary famonoan'olona — no anazavan'ny ekipan'ny Mapa76 [10] amintsika ny fomba fampiasana ny Mapa76 [10] entina ijerena ny banky angona avy amin'ny Comisión Nacional sobre Personas Desaparecidas (CONADEP -Vaomieram-pirenena misahana ny Olona Nanjavona).