- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tetikasa Fandikanteny: Fanambarana Fiarovana Ny Fahalalahan'ny Aterineto Ankapobeny

Sokajy: Fitsipika, Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Solovava, Fitantanana-aterineto, GV Mpisolovava

Nandritra ity herinandro manontolo ity, handika fanangona-tsonia amin'ny aterineto [1] ho fiarovana ny zon'olombelona amin'ny aterineto sy handrisika ireo governemanta mpikambana ao amin'ny Firaisambe Iraisam-pirenena misahana ny Fifandraisan-davitra mba hitandro ny fisokafan'ny aterineto mandritra ny fivoriamben'ny UIT [2] ireo mpilatsaka an-tsitrapo mpandika teny Lingua [3]ato amin'ny Global Voices.

Misokatra ho an'ny tsirairay na fikambanana ao amin'ny fiarahamoni-pirenena soniavina ny fitakiana “Protect Global Internet Freedom statement” (Fanambarana Fiarovana ny Fahalalahan'ny Aterineto ankapobeny) izay mivaky toy izao manaraka izao:

Hihaona hanavao ny fifanekena ilaina avy amin'ny ny sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana iray antsoina hoe Firaisambe Iraisampirenena misahana ny Fifandraisan-davitra (UIT) amin'ny 3 Desambra ho avy izao ny governemanta manerantany. Nisy tamin’ireo governemanta sasany no nanolo-kevitra amin’ny tokony hanitarana ny fahefan’ny UIT amin’ny fitantanana ny aterineto any amin'ny lalana mety hanimba ny fisokafan'ny aterineto sy ny famoronana zava-baovao avy aminy, mampiakatra ny sara-pidirana ary mikiky tsikelikely ny zon'olombelona amin'ny aterineto. Miantso ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo olom-pirenena manerantany izahay mba hanasonia ity Fanambarana  momba ny Fiarovana ny Fahalalahan’ny Aterineto Ankapobeny ity:

Tokony ao anatin’ny mangarahara no handraisana fanapahan-kevitra momba ny fitantanana ny Aterineto ary tokony handray anjara amin’izany avokoa ny fiarahamonim-pirenena, ny governemanta sy ny sehatra tsy miankina. Miantso ny UIT sy ny firenena mpikambana ao aminy izahay hifikitra amin'ny mangarahara sy hitsipaka izay sosokevitra mety hanitatra ny fahefan’ny UIT  amin’ny fitantanana ny aterineto ka mety hanimba ny zon’olombelona amin’ny aterineto. 

Raha hanasonia ny fangatahana, tsidiho ny habaka Protect Global Internet Freedom [1]. Ampidiro ny anaranao, ny  fanampin’anarana, adiresy mailaka, ny anaran’ny fikambanana (raha manao Sonia amin’ny anaran’ny fikambanana  na fiarahamonim-pirenena ianao), rohin'ny fikambanana, ary fanteno ny firenena misy anao.

Alefa ao amin’ny tranokalan’ny fitakiana avokoa ny dikateny rehetra, izay ny OpenMedia [4], vondrona Kanadiana miaro ny zo nomerika no mampiantrano izany.

Arakaraka ny ivoahan'ny dikateny  (jereo eo ambony), no iangaviana anao ho tsy misalasala mizara ny rohy ao amin’ny  tambajotra sosialy sy amin’ny namanao.