Iran: Fakafaka Ataon'ny Mpiserasera Momba ny Efa-taona Fanampiny Ho an'i Obama
Nivoaka voalohany tao amin'ny Arseh Sevom nosoratan'i Peyman Majidzadeh
Efa niraraka avokoa ny confetti (poti-taratasy maro loko fanao amin'ny fety) ary efa tsy vaovao malaza intsony ny momba ny fifidianana Amerikanina. Nifidy ny Filoha Barack Obama ny Amerikana tamin'ny Talata 6 Novambra 2012 izay nanasonia ny fifidianana azy indray. Tao amin'ny fifidianana nandaniam-bola be indrindra hatramin'izay teo amin'ny tantaran'i Etazonia, araka ny tatitra nataon'ny Center for Responsive Politics [en], Nahazo mpifidy lehibe 332 i Obama raha 206 kosa ny azon'i Romney. Na dia ny olom-pirenena Amerikanina ihany aza no afa-mifidy dia narahin'ny vahoaka manerana izao tontolo izao akaiky ny valim-pifidianana. Koa satria moa anisan'ny firesaky ny politika ivelany ao Etazonia i Iran, tsy mahagaga raha liana dia liana amin'io fifidianana io ny Iraniana. Ny ankamaroan'ny Iraniana nitady an'i Obama handresy hisorohana amin'izay mety ho ady hitranga, na dia maro amin'izy ireo aza no mahita ny sazy ara-toekarena tsy latsaka ambanin'ny ady mangina mamely ny olo-tsotra ao Iran.
Maro ny adihevitra nitranga teo amin'ny Iraniana. Tamin'ireo Iraniana maro nanaraka akaiky ny vali-pifidianana, nanoratra i Soroush [en]:
“The world moved a step farther from insanity of war, I hope.”
“Nihemotra dingana iray amin'ny ady tsy amin'antony izao tontolo izao, manantena aho”
Amin'ny sata navoaka farany, namoaka ny sarintanin'ny vokatra miaraka amin'ny fanazavana tahaka izao:
“I strongly believe this was a milestone in the history of Iran, too. Future will show us how!”
“Mino tanteraka aho fa dingana tsara ho an'ny tantaran'i Iran koa io. Ny hoavy no hanambara antsika izany!”
Ho setrin'ny fampielezan'ny mpaneho hevitra iray ny fironany amin'i Romney noho ny fiakatry ny vidi-javatra tsy zaka sy ny vidi-piainana miakatra tahaka ny balafomanga any Iran, hoy kosa i Soroush [fa]:
“Aleoko mandoa vola avo roa heny hahazoana jiro toy izay tsy manana mihitsy. Tena miahiahy fatratra aho hoe aorian'ny ady mety ho nisy teto Iran dia ho tafavoaka tsaratsara kokoa noho i Afghanistan isika (izay tsy azo sainina velively). Leon'ny ady naharitra valo taona aho. Raha ny marina, tena mihoatra noho ny leo aza. Farafaharatsiny ankehitriny mba misy fanantenana [tsy isian'ny ady]…”
Ali Abdi namoaka naoty tao amin'ny Facebook-ny [fa] talohan'ny fifidianana:
“Samy tsy mety amin'ny vahoaka Iraniana na i Obama na i Romney. Samy manohana ny fanasaziana izaitratra ny vahoaka Iraniana ny roa tonta no miaradia amin'ny fitondrana manavakavaka ao Isiraely… Obama no mahafantatra bebe kokoa momba ny tantara ara-politika, sosialy, kolontsaina, ary ny toe-javatra ara-jeografia tao Iran sy tao amin'ny reni-paritra misy antsika. Izy no manohitra ny fanafihan'i Isiraely an'i Iran ary tsy mazoto ny hanomana fanafihana ara-miaramila an'i Iran. Tsy izy no safidy tsara indrindra saingy izy irery no azo nofidiana ka tsy manohina loatra ny Iraniana. Tsy manan-jò hifidy ao amin'io firenena io aho, fa raha izany moa ka monina amin'iray amin'ireo fanjakana tena ianteherana, dia nifidy an'i Barack Hussein Obama aho.”
Ahmad namoaka indray ny lohateny avy amin'ny Al-Alam ao amin'ny bilaoginy [fa], izay nanoratra fa efa manakaiky ny zero amin'izao fotoana izao ny mety hisian'ny fanafihana an'i Iran na Syria. Raha mijery ny politikan'i Obama eo amin'ny fe-potoana faharoa, izao no nosoratany:
“Tsy hisy ny ady amin'i Iran.”
Ao amin'ny lahatsoratra antsoina hoe “Ny Fandresen'i Barack Obama sy ny fiantraikany eo amin'ny fiaraha-monina Iraniana”, aingam-panahy avy ao no mampahatsiahy ny voka-pifidianana tamin'ny 2009 ary mampivoitra avy amin'io voka-pifidianana io, fa 15%n'ny Iraniana ihany no mahay manavaka an'i Bush sy i Obama. Hoy ny mpanoratra:
“After Obama’s victory, implicit congratulatory messages could be found on various websites.”
“Taorian'ny fandresen'i Obama, misy hafatra fiarahabana ankolaka ihany hita amin'ny habaka samihafa”
Avy eo izy nanontany izay niova tamin'ny fahazoana politika nandritra izay efa-taona izay.
Nargess miarahaba an'i Obama tamin'ny famoahana indray ny sombin-kabarim-panekena tao amin'ny bilaoginy:
” … I believe we can keep the promise of our founders, the idea that if you're willing to work hard, it doesn't matter who you are or where you come from or what you look like or where you love. It doesn't matter whether you're black or white or Hispanic or Asian or Native American or young or old or rich or poor, able, disabled, gay or straight, you can make it here in America if you're willing to try…”
“… Mino aho fa afa-mitàna ny fampanantenan'ireo mpanorina [ny firenentsika] isika, ilay hevitra hoe raha vonona ny hiasa mafy ianao, tsy maninona hoe iza ianao na avy aiza na tahaka ny ahoana ianao na izay tianao. Tsy maninona ianao na mainty na fotsy na hispanika na aziatika na Amerikana zanatany [teratany] na tanora na antitra na manankarena na mahantra, salama tsara na manana fahasembanana, pelaka na tsotra, azonao atao eto [miasa] izany rehefa vonona ny manandrana an'izany…”
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...