Mihozongozona Ny Fitondrana Ao Iran Mialoha Ny Fifidianana Ho Filoham-pirenena
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Fifandraisana Iraisampirenena & Fiarovana

Sadegh Larijani, Filohan'ny Fahefam-pitsarana ary ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad. Avy amin'ny Baztab.net (fampiasàna nahazoana alàlana).
Ny 22 Oktobra 2012, nanoratra taratasy misokatra tsy mbola nisy toa azy ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad ho an'ny fitsarana ao Iran miampanga azy ireo ho mitondra tena mifanohitra amin'ny lalam-panorenana tamin'ny nanakanan-dry zareo azy tsy hitsidika ilay Fonja malaza ratsy ao Evin , Tehran, toerana izay ifonjan'ilay mpanolotsainy amin'ny serasera , Ali Akbar Javanfekr, amin'izao fotoana.
Tao anatin'ilay taratasy, nampahafantatra i Ahamdinejad fa nisy fampitam-baovao iray “top secret / fampitam-baovao faran'izay miafina” naparitaky ny filohan'ny fitsarana, Sadegh Larijani izay nilaza fa ny fangatahan'ny filoha hitsidika an'i Evin dia tsy mitondra tombontsoa velively ho an'i firenena. Milaza i Ahmadinejad fa maniry izy ny hanadihady ny fepetra iainan'ireo voafonja.
Ity rivo-pifandonana henjana ity dia niteraka resabe maro teo amin'ireo Iraniana mpikirakira aterineto sy ny fiarahamonina sivily. Betsaka ireo tranonkala mpanohitra sy mpanao gazety, ohatra, no nihevitra fa ilay taratasin'i Ahmadienjad dia tsy misy mihitsy hifandraisany amin'izay resaha fitsarana sy zon'olombelona, fa mariky ny toerany mitsingilahila manoloana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ho avy amin'ny 2013.
Iran Green Voice manamafy [fa] fa fifandonana mazava mialoha ny fifidianana eo amin'ireo samy sampana manohana ny fitondrana izao. Ireo mpiara-dia fahiny tamin'i Ahmadinejad no lasa fahavalony ankehitriny, ary mampiakatra hatrany ny tsindry mahazo azy.
Nooshabe Amiri, mpanao gazety iray monina any Eoropa, miteny ao amin'ny Roozonline [fa] fa io dia “adin'amboadia” ary i Ahmadinejad izy tenany mihitsy no endrika hita mason'ny fanitsakitsahana ny zon'ireo Iraniana.
Azarak mihevitra fa i Ahmadienajd dia filoha sarintsariny [fa] izay miezaka maka ny fon'olona sy fanohanana ao anatin'izao volana vitsy itondrany izao, raha ireo mpifaninana aminy avy ao anatin'ny fitondrana kosa, toa an'i Larijani, tsy mamela azy haka aina. Ilay bilaogera dia mamoaka izao fandalinana manaraka izao mikasika ny ho fandehany:
1- Tsy te-hanome azy vintana mihitsy na kely aza ireo manampahefana ao anatin'izao volana faramparany itondrany izao mba hahafahany mampiasa ireo olana saropady, toy ny fomba fitondra ireo gadra noho ny politika, hanatsaratsarany endrika manoloana ny vahoaka.
2- Ratsy dia ratsy ny zava-misy any am-ponja ka hatramin'ny filoha avy no tsy tsara ampahafantarina azy ireny sy hampiasa azy ireny ho toy ny karatra enti-mandresy manoloana ireo mpanohitra azy.
3- Maniry i Ahmadinejad hampiseho amin'ireo mpanohana azy fa zava-tsarobidy aminy ny momba azy ireo, saingy ny fitsarana kosa tsy maniry ny hanome azy izany vintana izany.
4- Io dia lalao iray ka ny fitondràna miezaka ny mamorona ny fisian'ny fanoherana avy ao anatiny, hanomezana safidy ny vahoaka hisafidy ny ratsy sy ny faran'izay ratsy amin'ny hoavy. Ny sampam-pitsikilovan'ny fitondrana sy ny mpandini-draharahany dia miketrika mametraka izany endri-dalao izany.
Arman manoratra hoe [fa]:
Ny taratasin'i Ahmadinejad ho an'i Larijani, filohan'ny fitsarana, dia taratasy famakiana ady amin'ny Mpitarika Ambony, Ayatollah Khamenei. Tsy misotro rano ny filohan'ny fitsarana raha tsy efa avy nangataka alalana avy tany amin'i Ayatollah Khamenei, izy indray dia tena mpanompo manatanteraka ny sitrapon'i Khamenei.
Tsy isalasalàna, ny anton'ny nanapariahana ilay taratasin'i Larijani ho an'i Ahamdinjead ho toy ny “fampitam-baovao faran'izay miafina” dia ny mba hamelàna an'i Ahmadinejad hahafantatra ny fomba fijerin'i Khamenei.
Saingy tsy noraisin'i Ahmadinejad ho tao anaty kajikajiny izay ary nokianiny tamin'ny teny henjana ilay taratasy.
Tanaty sariitatra iray navoaka tao amin'ny Mardomak sy teny anatin'ny mediam-bahoaka Iraniana, Mana Neyestani dia mampiseho an'i Ahmadinejad miafina ao anaty lobolobo iray miantso ilay mpanolotsainy amin'ny resaka serasera, miteny hoe “Hey Javanfekr, ao tsara ve ianao? Izaho ihany ity, Mahmoud.”

Kisarisary nataon'i Mana Neyestani tao amin'ny Mardomak (fampiasàna nahazoana alàlana)
Moeni, bilaogera iray monina ao Iran, izay matetika no manao fampiasàna sarinteny rehefa miresaka momba ny politika, miteny [fa] fa hafahafa sy ratsy ilay taratasin'i Ahmadnejad’… “na dia tsy hametraka fanontaniana momba ny maha-olo-marina an'i Ahmadinejad aza isika, izay nihevitra tampoka teo ny hitsidika ny fonja, volana vitsy monja mialoha ny fahataperan'ny fotoam-piasàny, ny taratasy toy itony dia natao fotsiny “hampientanentana” sy hanamaloka ny “fara-vodilanitra” [ny tontolo iainana politika manontolo].”
Ity lahatsoratra ity sy ny dikanteniny amin'ny fiteny Espaniôla, Arabo ary Frantsay, dia tohanan'ny International Security Network (ISN) ao anatin'ny fiaraha-miasa hikatsahana ny famoahana ny feon'ireo olon-tsotra mikasika ny olan'ny fifandraisana iraisampirenena sy ny fiarovana maneran-tany. Ity lahatsoratra ity dia navoaka voalohany tao amin'ny bilaogin'ny ISN, jereo ato ny tantara mitovitovy aminy.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...