Nanamontsana Ny Zava-bita Teo Amin'ny Varotra An-tserasera Ireo Mpanjifa Tamin'ny Fankalazana Ny Andron'ny Mpitovo

Ny 11 Novambra dia fankalazana ny Andron'ny Mpitovo any Shina kontinantaly. Ahoana no fomba hankalazan'ny olona izany andro manokana izany? Dia ohatran'ny hoe mandany vola an-tserasera – tamin'ity taona ity dia tena nanamontsana ny zava-bita mihintsy izy ireo.

Tamin'ny 11 Novambra 2012, ny orinasa Taobao sangany ao Shina mivarotra elektrônika dia nanao filazam-barotra 19,1 lavitrisa yaun (3.06 lavitra dolara amerikana) tao anatin'ny 24 ora – Fetin'ny Tsena an-tserasera Double Eleven [Iraika ambin'ny Folo indroa] [zh], izay tena betsaka miohatra amin'ny avo roa henin'ny varotra manontolon'ny Amerikana ao amin'ny Cyber Monday, varotra eo amin'ny 1.25 lavitrisa ny 2011.

Varotra tamin'ny fankalazana ny Andron'ny Mpitovo

Ny mpakafy an'i Taobao , ‘Poet with tears / Poetan-dranomaso’ (诗人泪xp) dia nizara [zh] tao amin'ny forum-n'ny Sina Weibo ny tetiandrony amin'izao fankalazana ny Andron'ny Mpitovo izao :

零点-两点之间淘宝,两点-十点之间睡觉,十点-十二点起床洗漱+吃饭,十二点-两点睡觉,两点-四点打游戏,四点-六点调戏光棍,六点-零点狂欢…. //@镇江校园:你们大学的女生光棍节都忙着干啥呢?织围脖?还是淘宝?还是淘宝?还是淘宝呢?

诗人泪xp:00:00 – 2:00 maraina niantsena tao amin'ny Taobao. 2:00 – 10:00 natory. 10:00 hatramin'ny 12:00 nifoha, nanasa tarehy sy niborosy nify. 12:00 hatramin'ny 14:00 niverina natory indray. 14:00 hatramin'ny 16:00 kilalao video. 16:00 hatramin'ny 18:00 nisangisangy mikasika ny mpitovo. 18:00 hatramin'ny 00:00 nikorana… //@镇江校园: Inona no ataonao ankizivavy eny amin'ny Kolejy ny Andron'ny mpitovo? Weibo? Taobao, Taobao, ary Taobao?

Ny varotra Double Eleven ao amin'ny Taobao dia nanomboka tamin'ny taona lasa ary amin'zao fotoana izao dia efa fantatr'ireo mpanjifa fa amin'ny misasakalina dia manao fihenam-bidy lehibe amin'ireo entana amidiny ny kompania, izany no antony itiavan'ny mpanjifa azy toa an'i  Poet with tears mifoha amin'ny misasakalina mandeha miantsena. Fa kosa ireo tovovavin'ny kolejy, izay tena mpankafy Taobao indrindra, dia miantsena foana ao amin'ny Taobao mandritra ny tontolo andro. Izany no mahatonga ny hoe mahatsikaiky koa ny fanontanian'i Poet with tears.

Screen capture of a frozen screen in Taobao Tmall at around midnight.

Solosaina nikatso azo sary tao amin'ny Taobao Tmall teo amin'ny manodidina ny misasakalina.

Poet with tears dia mety ho anisan'ny iray amin'ireo olona 10 tapitrisa izay nihazakazaka tao amin'ny Tmall [zh], rantsana mpaninjara ao amin'ny Taobao, tamin'ny minitra voalohany nisokafany. Tanatin'ny antsasak'ora, nahatakatra 100 tapitrisa dolara ny varotra.

Ny habetsahan'ny fifanankalozana ara-barotra tsy nampozina dia  navesatra ny rafitra fandoavam-bola ary dia nikatso avokoa ny solosainan’ ny olona. Nitaintaina avokoa izy ireo hoe rahoviana no hiverina amin'ny laoniny ireo solosaina nikatso, araka izay niadin-kevitra tanaty kofehin-kevitra iray [zh] tao amin'ny forum Xiaoshan tao an-toerana:

90后辣妈:关键时间掉链子就有点让你苦逼了。
荣二十佑三:页面都刷不出,十分钟就两亿五千万的成交额,真不是一般的强。
哭泣的依恋:偶再也不相信什么双11活动了“`

@90后辣妈: Tena mahasosotra mihintsy ilay fikatsoana amin'izao fotoana izao.
@荣二十佑三: Tsy mety tafiditra amin'ny pejiko akory aza aho. 250 tapitrisa yuan (40 tapitrisa dolara) ao anatin'ny 10 minitra, tena milay.
@哭泣的依恋: Tsy mba mino an'ireo Double Eleven ireo intsony aho…

Tsy ny mpanjifa ihany akory no nidonany tamin'izany, fa ireo mpivarotra ihany koa dia teo ambany ziogan'ny teritery eo amin'ny fitohanan'ny rohy. Mpivarotra iray, Mo Zi Kun (墨子坤), niteny [zh] tao amin'ny Sina Weibo hoe :

…从昨晚凌晨的秒杀开始,就状况频发,先是支付宝堵塞,后是淘宝系统崩溃,然后准备的450件的秒杀,最后被拍了600件衣服!我以为只要大家高兴就好,没想到却被很多朋友骂的很惨,还去淘宝投诉了我们2次。

…Niharatsy ilay zavatra nanomboka tamin'ny hetsika seckilling ny misasak'alina [jereo eo ambany]. Alipay [zh] [Paypal ho an-dry zareo Sinoa] tonga dia nikatso avy eo dia nidaboka ny Taobao. Ireo dokam-barotra seckilling dia nahazoana famandrihana 600! Te hampifalifaly ny olona aho nefa voakiana mafy tokoa. Nitatitra fitarainana anankiroa tao amin'ny Taobao izy ireo.

Tao aorian'ny fotoana very tamin'ny fahasimban'ny rafitra fandoavam-bola, dia tsy ampy intsony ny tahirin'entanan'i Mo Zi Kun mba hahafa-po an'ireo mpanjifa ary dia tsy maintsy namerim-bola izy. Rehefa naharay fitarainana maro toy izany izy, dia nanjary mety ho very ny fitokisana azy ka mety hiteraka fampiatoana ny kaonty maha-mpivarotra azy avy amin'ilay sehatra ety anaty aterineto izany.

Tetikady ho an'ny mpaninjara an-tserasera

Seckilling dia teny azo avy amin'ny kilalao video, ao anatin'ny tontolon'ny tsena an-tserasera dia tena mazava tsara ny hamarintany ny adin'ny samy mpividy: na azonao, na verinao daholo ny zavatra rehetra ao anatin'ny segondra vitsivitsy monja. Pika iray ary dia lasa ny tolotra. Manao dokam-barotra seckilling ireo mpivarotra maro mba hanintonana ny olona hijery ny pejy fanolorana sy hamangian'ny mpisera maro izany.

Raisina ohatra mpivarotra iray an'i Taobao dia nanan-kevitra ny hanontany ny Raibeny 72 taona mba hamorona modelin'akanjo ho an'ny vehivavy ao amin'ny tsenany. Ary dia lasa nalaza vetivety izany. Ny sasany mahita an'izany ho mampihomehy, ny sasany kosa somary hafahafa kely.

Yunke Jia (贾运可) mpibilaogy ao amin'ny Sina dia nino [zh] fa ny fahatapahan'ny ffifanakalozam-barotra tamin'ny Andron'ny mpitovo dia misy ifandraisany amin'ny “kolontsaina Diaosi “, kolontsaina iray mitovitovy amin'ny an'i Japoney “Otaku“:

我们可以将之称为“中国式嘻哈”,或者将这位老人的行为视为时下正火的“屌丝文化”的一个具体个例。笔者不知道这种文化会盛行多久,因为整体上“屌丝”这个词的内涵还处于一个不断丰富扩大的过程当中…..主流式样刻板固化的宣传模式也越来越为大众所反感。笔者以为,正是在这种情形之下,“屌丝文化”才能在如此短的时间之内风靡神州大陆

Angamba azontsika antsoina hoe “hip hop Shinoa” izy io, na ohatra iray amin'ilay “Kolontsaina Diaosi” [zh] malaza be amin'izao fotoana izao. Tsy azoko antoka hoe hatramin'ny oviana no haharetan'izany kolontsaina izany. Satria raha fotorana ny teny “Diaosi” dia mbola eo an-dàlam-pivoarana….. Vizana dia vizana mihintsy ny olona amin'ny fampielezan-kevitra mipoapoaka. Mieritreritra aho fa amin'izao toe-java-misy izao no hiparitaka ato anatin'ny firenena ny “Kolontsaina Diaosi “.

Diaosi dia fikambanan'olona izay manambany ny tenany toy ny hoe “mahantra, tsy mahay n'inona n'inona ary ratsy tarehy” miohatra amin'ny “ranjanana, manankarena ary tsara tarehy”. Mino izy ireo fa hijanona ho mpitovo ary fetin'izy ireo ny Andron'ny mpitovo. Misy mampihomehy ny tena ihany amin'izany famaritana izany,  raha jerena manokana ny toe-java-misy any Shina, ny zatovo mpanankarena, amin'ny mahazatra, dia nandova tamin'ny fianankaviany nefa dia mitonona ho isan'ny “Daosi” ka sady mahafinaritra no mihaja. Izany no nahatonga an'i Jia nino fa ny kolontsaina Daosi sy ny Andron'ny Mpitovo dia samy manana ny azy avy na amin'ny andaniny na amin'ny ankilany na samy amin'ny faritra iraisana aza ary dia mba nahira-tsaina kosa ireo mpivarotra sinoa fa naleon'izy ireo namadika ny sorisori-piainana tsy maintsy atrehana ho fahombiazana amin'ny varotra atao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.