- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitorahana Bilaogy Ny Fahavoazana Taorian'ny Horohorontany tao Huitán, Goatemala

Sokajy: Amerika Latina, Goatemalà, Mediam-bahoaka, Voina, Rising Voices

Tena voa mafy tokoa ireo mponina any ambanivohitr'i Goatemala tamin'ilay horohorontany [1] nanana maridrefy 7,4 izay namely ny morontsiraka Pasifika ny 07 Novambra 2012.

Ny bilaog [2]y [es] ho an'ny Famakiambokim-bahoaka Mi Nuevo Mundo (Ny  Tontoloko vaovao) – isan'ireo tetikasa Xela Civic Libraries [3] tohanan'ny Rising Voices, ao amin'ny vohitr'i Huitán [4] ao anatin'ny departemanta Quetzaltenango [5] – dia nizara sary sy tatitra mikasika ny fiantraikan'ilay horohorontany tamin'reo fianakaviana monina ao amin'io faritra ambanivohitra ao Goatemala io.

Tanaty lahatsoratra iray [6] [es] naely ny 10 Novambra, Roman Díaz Castañón, mpitantana ilay trano famakiambokim-bahoaka, dia nitatitra fa maro ireo trano rava sy fianakaviana tsy manan-kialofana ao amin'ny faritra iray atao hoe Huitancito ao Huitán:

las familias lloran por ese desastre,ellos están en extrema pobreza y están pasando una situación alarmante, no han llegado ayudas de instituciones como víveres, alimentos, necesitamos de su ayuda.

Mitomany ny fianakaviana maro noho izao faharavàna izao, latsaka ao anaty fahantrana lalina izy ireo ary dia mandalo fotoan-tsarotra. Fanampiana, toy ny sakafo, tsy misy tonga avy amin'ny fanjakana, mila ny fanampianareo izahay.

Family from Huitancito, Huitán [6]

Fianakaviana avy ao Huitancito, Huitán, sary avy amin'ny bilaogin'ny Biblioteca Comunitaria Mi Nuevo Mundo.

House destroyed in Huitancito, Huitán [6]

Trano rava ao Huitancito, Huitán, sary avy amin'ny bilaogin'ny Biblioteca Comunitaria Mi Nuevo Mundo.

Rubble after the earthquake in Huitancito, Huitán [6]

Korontana sisa tavela taorian'ny horohorontany tao Huitancito, Huitán, sary avy amin'ny bilaogin'ny Biblioteca Comunitaria Mi Nuevo Mundo.

Roa andro taty aoriana, Roman nitatitra [7] [es] fa ny Alahady 11 novambra, Riecken Foundation Guatemala [8] ary Famakiambokim-bahoaka dia nanome fanampiana ho anà fianakaviana folo tratry ny horohorontany tao Huitancito, Huitán. Notsipihan'io lahatsoratra io fa mbola mila fanampiana toy ny sakafo, kojakojan-dakozia, lamba firakotra, ary fitaovana hananganana trano ilay tanàna. Manarak'izay, Roman dia nanampy fa fianakaviana 100 no niharan'ity horohorontany ity, ary 20 no very trano fonenana.

Residents of Huitancito, Huitán receive aid from Riecken Guatemala and community library Mi Nuevo Mundo [9]

Mponina ao Huitancito, Huitán mandray fanampiana avy amin'ny Riecken Guatemala sy ny Trano famakiambokim-bahoaka Mi Nuevo Mundo, sary tamin'ny bilaogin'ny Biblioteca Comunitaria Mi Nuevo Mundo.

Fotoana fohy taorian'izay, nisy lahatsoratra [10] [es] fohy nilaza fa ny famonjena avy amin'ny governemanta dia efa tonga ny 12 Novambra. Ny bilaogy dia mbola hitatitra hatrany ho an'ny mpamaky momba ny fitsinjarana ny sakafo sy ireo fanampiana hafa.

Government arrives with food for families affected by earthquake in Huitán [10]

Tonga ny Governemanta miaraka amin'ny sakafo ho an’ ireo fianakaviana izay tratry ny horohorontany ao Huitán, sary avy amin'ny bilaogin'ny Biblioteca Comunitaria Mi Nuevo Mundo.

Hatramin'ny 07 Novambra dia mbola betsaka ireo setrin'ny horohorontany tao Goatemala, tafiditra amin'izany ny horohorontany [11] manana maridrefy 6,5 ny 12 Novambra. Ny tatitra ofisialy momba ny maty manerana ny firenena dia nahatratra 42 ireo tra-boina [12] hatreto.