Tantara tamin'ny 20 Novambra 2012
Ny Ankizy No Mizaka Ny Vokatry ny Ady Ao Gaza
Mahavaky fo ny mahita ny sarin'ireo ankizy Palestiniana namoy ainy izay niparitaka tamin'ny fampahalalam-baovao sosialy androany, ho fanaraina ny saina manoloana ny voina miseho amin'izao fotoana izao ao Gaza, satria...
Mibilaogy Amin'ny Anaran'i Hamid

Efa ela i Antonella no tsy nibilaogy. Tamin'ny 25 Aprily 2012 izy no nibilaogy farany, toy izao no nosoratany tamin'izany: “Ry namana Hamid, Isan'andro no ahitako ny halehibiazan'ny fo,...
Manohitra Ny Ady Miaramila Atao Ao Gaza ny Isiraeliana
Nanentana ireo Isiraeliana an-jatony ny vondrona Facebook omaly mba ho tonga hanao fihetsiketsehana ao amin'ny kianjan'i Tel Aviv, Habima. Niantso ireo vahoaka ny vondrona mba “Hanohitra ny ady noho ny fifidianana! Handà...
Noesorin'i Putin Ny Minisitry Ny Fiarovana Mba Hisondrotan'ny Mpandova azy?

Tamin'ny fiandohan'ny volana Novambra, vonona hifidy indray an'i Barack Obama ho filoham-pirenena ny Amerikana, nanapaka ny finamanany efa ela tamin'i Anatoly Serdyukov i Vladimir Putin, minisitry ny Fiarovana tao Rosia nanomboka...
Maoritania: Avadiky ny Mpampianatra Korano ho Mpangataka ny Ankizy Madinika
Hahita ankizy fantatra amin'ny hoe Al Mudat ianao eo amin'ny salan-taona 4 - hatramin'ny 14 taona, mangata-bola, ianao manerana ny renivohitra Maoritaniana Nouakchott. Tsy mangataka vola hoan'ny tenany ireo ankizy ireo - ny mifanohitra amin'izany aza, ilain'izy ireo ilay vola hanaramàna ny mpampianatra Korano.
Fitorahana Bilaogy Ny Fahavoazana Taorian'ny Horohorontany tao Huitán, Goatemala

Ny bilaogin'ny Trano Famakiambokim-bahoaka Mi Nuevo Mundo (Ny tontoloko vaovao) avy amin'ny tanàna Huitán dia nizara sary ary nitatitra ny fahavoazana taorian'ilay horohorontany nanana maridrefy 7.4 izay nandona ny morontsiraka Pasifika Goatemala ny 07 Novambra 2012.
Mihozongozona Ny Fitondrana Ao Iran Mialoha Ny Fifidianana Ho Filoham-pirenena
Vao haingana izao dia nolavin'ny fitsarana ao Iran ny fahafahan'ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad mitsidika ny iray amin'ireo fonja malaza indrindra ao amin'ny firenena. Midika ve io fanapahan-kevitra io fa efa mihen-danja ny fahefan'ilay Filoha an-dalam-panaperana ny fotoam-piasany, volana vitsy aty alohan'ny fifidianana amin'ny taona ho avy?
Filipina: Ny Fomba Nivadihan'ny “I’m a Liar?” Ho Lasa Tenifototra #amalayer
Mpianatra eny amin'ny Kolejy, nitrerona ilay vehivavy iray mpiambina tao amin'ny tobim-piarandalamby ao Manila sady niampanga ity farany ho nivatravatra. Voarakitra anaty lahatsary ny hatezerany ary nisy nampakatra aty anaty aterineto. Ireo Filipiana mpikirakira aterineto nahita ilay lahatsary dia samy nanatsiny ilay mpianatra avokoa ho be dehaka sy tsy ampy fanajàna. Nampiasain-dry zareo ny tenifototra #amalayer ho enti-manondro ny fomba fanonon'ilay mpianatra ny teny hoe ‘I'm a liar’.
Fisaintsainana Taorian'ny Hetsi-panoherana #8N Tao Arzantina
Amin'ny alàlan'ny Twitter sy bilaogy, ireo teratany Arzantina (sy vahiny sasany) no nandalina ny ankehitriny sy ny ampitson'ny firenena taorian'ny hetsi-panoherana goavana manohitra ny governemanta, natao ny 8 Novambra 2012 teo (#8N).
Kanadiana Miandry Fanamelohana Ho Faty Any Iran Hatramin'ny 2008
Voafonja ao Iran sy nohelohana ho faty noho ny fiampangàna azy ho nanao asa fitsikilovana ilay teratany Kanadiana Hamid Ghassemi tamin'ny 2008. Ny fianakaviany, namany ary mpiray vodirindrina aminy any Toronto sia mbola manohy manentana hatrany ho amin'ny famerenana azy.