- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Sombin-Tantara Noforonina Fohy no Nitazonana Ilay Mpisiokantserasera Monina Ao Beijing

Sokajy: Shina, Fisamborana sy faneriterena, Hafanam-po, Lalàna, Mediam-bahoaka, Solovava, Feo voarahona, GV Mpisolovava

Mpisera Twitter ao Beijing @Stariver [1] no notànana nanomboka tamin'ny 7 Novambra 2012, tamin'ny fanombohan'ny Kongresy Nasionaly faha-18n'ny Antoko Komonista Sinoa. Araka ny filazan'ny namany izay nitsidika ny fianakaviany tamin'ny 17 Novambra, ny fialàna bala mody nataon'ny polisy dia “voarohirohy ho nanaparitaka vaovao tsy marina sy mampihorohoro tamin'ny aterineto” i @stairver.

Angamba mikasika ilay sioka “sombin-tantara bitika noforonina” [2]izay mangala-tahaka fahantany ilay sarimihetsika Hollywoodiana “Final Destination” tamin'ny 4 Novambra 2012 izany mody lazaina fa vaovao “diso sy mampihorohoro” izany. Mikasika ny Kongresy faha-18 ilay lahatsoratra:

#剧透推 #慎入 死神来了6即将上映。大会堂突然倒塌,正在开会的2000多人只有7人幸免,事后却又一一离奇死亡。是上帝的游戏,还是死神的怒火,神秘数字18怎样开启地狱之门?11月8日全球院线震撼登场!

#Sioka momba ny Voina #Tandremo sary mampihoro-koditra “Final Destination 6” no fantatra fa hivoaka tsy ho ela. Nianjera tampoka ny Lapan'ny vahoaka. Namoy ny ainy teo noho eo avokoa ireo olona maherin'ny 2.000 tao am-pivoriana, ankoatra ny 7 tamin'izy ireo. Kanefa namoy ny ainy tao anatin'ny misitery ihany koa izy fito ireo avy eo. Lalao avy amin'Andriamanitra ve izany, sa fahatezeran'ny Fahafatesana? Ahoana ny fomba amoahan'ireo isa 18 hafahafa ny vavahadin'ny Helo? Tompon'andraikitra voalohany eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena tamin'ny 8 Novambra. Mampiseho anao seho tena manafintohina tanteraka!

Araka ny filazan'i @mozhixu [3] [zh], ny tena anaran'i @stariver dia Zhai Xiaobing (翟小兵)teraka tamin'ny 1976. Monina ao amin'ny distrikan'i Miyun, Beijing ankehitriny. Mpitantana orinasa momba ny famatsiam-bola izy, nahavita ny fianarany tao amin'ny Oniversite Peaking ary mpiasa teo amin'ny sehatry ny fampahalalam-baovao izy taloha.

Tsy nilaza ary namoaka ny fisamborana azy mihitsy ny naman'ny @Stariver sy ny fianakaviany satria nanantena fa hoafahana izy aorian'ny faha-18 taonan'ny Kongresy tamin'ny 14 Novambra. Kanefa mbola tsy nisy famantarana mihitsy amin'ny mety ivoahany.

Mpisera Twitter @wenyunchao mipetraka ao Hong Kong nikarakara fanentanana fanangonan-tsonia [4] [zh] tamin'ny aterineto, miantso ho amin'ny fanafahana azy amin'ny 17 Novambra 2012. Nilaza momba an'i Liu Yanping ny fanambarana amin'ny fanentanana izay nanipika hoe:

“‘散布虚假恐怖信息’是指刑法第二百九十一所指的“编造爆炸威胁、生化威胁、放射威胁等恐怖信息,并严重扰乱社会秩序”。从该条推文内容来看,明确指出为虚构,不会引起惶恐。从结果来看,没有构成扰乱社会秩序。这样的指控是荒谬的。”

在此,郑重要求北京警方拿出点幽默感,切勿小题大作,特别是不要在“十八大”刚开完的时候毁灭公众对新执政层的善意期待,以这种莫须有的方式对普通公民的正当言论自由加以限制和迫害。呼吁北京警方立即无条件释放推特网友“星河舰队”。

‘Ity nolazaina fa “fampielezana vaovao tsy marina sady mampihoron-koditra” dia mifandraika amin'ny lalàna laharana 291: “famoronam-baovao mampihorohoro miresaka fanafihana baomba, taharo shimika sy taratra radioaktifa izay miteraka fanelingelenana eo amin'ny filaminana ara-tsosialy”. Raha tsaraina amin'ny votoatin'ny sioka, efa voalaza fa tantara foronina ka tsy hiteraka tahotra. Tsy hiteraka fanelingelenana sosialy ny vokatr'izany. Hafahafa ny fanamelohana.’ Manantena izahay fa hanana fahaiza-mampitokelaka ny polisin'i Beijing ary tsy hamorona toe-javatra goavana amina resaka bitika. Aza simbana indrindra re ny lazan'ny mpitarika vaovao taorian'ny Kongresy faha-18n'ny antoko. Mahametra izao fiampangana tsy misy fotony olo-pirenena mampihatra ny fahalalaha-pitenenany izao. Mandrisika ny famoahana avy hatrany ny mpisera Twitter @stariver izahay.

Mpisera Twitter hafa Twitterer @Badiucao namorona [5] afisy momba ny “Final Destination 6″ mba hamazivaziana ilay fisamborana hafahafa:
[5]