- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nankatòavin'ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana Espaniola Ny Fanambadian'ny Samy Pelaka

Sokajy: Eoropa Andrefana, Espaina, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)

Nankatòavin'ny Fitsarana momba ny lalàm-panorenana espaniola ny ankamaroany betsaka [1] [es] tamin'ireo lalàna natolotry ny ny governemantan'i  José Luis Rodriguez Zapatero [2] tamin'ny taona 2005 (Antokon'ny Mpiasa Sosialista-PSOE [3] [es]) izay miantoka ny fitovian-jo ka mamela malalaka ny fanambadian'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy (pelaka)..

Toy izao manaraka izao ny fanovana hita tamin'ny lalàna:

“Manan-jo hivady ny lehilahy sy ny vehivavy izay samy manan-jo mitovy ara-dalàna.”

Novaina ho:

“Na samy lahy na samy vavy na tsia ireo roa tonta hifanambady, mitovy ihany ny fepetra sy ny fiantraikany amin'ny fanambadiana. »

Natolotry ny Antokom-bahoaka (PP [4] [es] teo anoloan'ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana izany lalàna nasiam-panovàna izany, fito taona lasa izay, nilaza ny Antokom-bahoaka tamin'izany fa manitsakitsaka ny Lalàm-panorenana Espaniola ilay lalàna satria mampitovy zo ny pelaka (homosexuelle) amin'ny lahy sy vavy miaraka. Nangataka tamin'ny PP ny Antoko Sosialista mba hanao fialantsiny noho ny fanilihany ireo pelaka, na dia izany aza, mbola tsy nisy mihitsy ny fialantsiny natao. Nilaza ny filoha ankehitriny, Mariano Rajoy, fa lalàna [5] [es] tsy manome alalana ny fanambadiana samy lahy na samy vavy no faniriany, mba hialàna amin'ny korontana […].” Fikasana izay nolavin'ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana sy ny olom-pirenena.

Teny an-dalambe, nirehidrehitra ny fihetseham-po. Vahoaka an'arivony no nidina an-dalambe mba hankalaza ny fankatoavan'ny lalàm-panorenana ny mariazin'izy ireo, sy ny dingana lehibe amin'ny fahalalahana, indrindra eo amin'ny mpifankatia pelaka izay nitolona tamin'ny fitovian-jo ara-tsosialy, sivily ary lalàna .

@irenecastello [6]Tomando la plaza de la virgen!! #SeLlamaMatrimonio [7] pic.twitter.com/t95cqPo2 [8]
 
@irenecastello [6]: Mizotra ao amin'ny Kianja La Virgen!! #SeLlamaMatrimonio [7] pic.twitter.com/t95cqPo2 [8]

Sary: @GalaDiazCuriel via twitter

@GalaDiazCuriel [9]“Lo siento Rajoy, yo me caso hoy” se escucha en la concentración en Sol tras el fallo del #TC [10]#AmarEsConstitucional [11] pic.twitter.com/soWG7UQB [12]

@GalaDiazCuriel [9]: “Miala tsiny aho Rajoy, hanambady aho androany” izany no heno nandritra ny famoriam-bahoaka tao Sol taorian'ny fanapahan-kevitry ny #TC [10] #AmarEsConstitucional [11] pic.twitter.com/soWG7UQB [12]

Tsy niandry ela ny fanehoan-kevitra tao amin'ny aterineto, tao anatin'ny minitra vitsy, anisan'ireo tenifototra be mpampiasa indrindra ny hoe #amaresconstitucional [13] (lalàmpanorenan'ny fitiavana).

@CarmenMonton [14]#SeLlamaMatrimonio [15]https://www.youtube.com/watch?v=ZuKy-99AK9o [16] Gran día para recordar y celebrar. Por los derechos de todas las familias. #amaresconstitucional [13]

@CarmenMonton [14]#SeLlamaMatrimonio [15] https://www.youtube.com/watch?v=ZuKy-99AK9o [16] Andro lehibe hotsarovana sy hankalazaina. Ho zon'ny fianakaviana rehetra.

@BeatrizRuizQ [17]: #Amaresconstitucional y por eso el Tribunal Constitucional ha sentenciado hoy que el matrimonio es igualitario #SellamaMatrimonio#igualdad

@BeatrizRuizQ [17]: #Amaresconstitucional izany no antony namoahan'ny fitsarana momba ny lalàmpanorenana ny didy ho an'ny fitovian-jo amin'ny fanambadiana. #SellamaMatrimonio#igualdad

@FcoConde [18]Viva el amor libre, siempre, aunque a ciertas personas les molesta, la unión entre dos seres humanos #SeLlamaMatrimonio [7]#AmarEsConstitucional [11]
 
@FcoConde [18]: Ho ela velona ny fitiavana malalaka, na dia misy aza ireo olona tsy faly amin'izany noho ny fitambaran'olon-droa. #SeLlamaMatrimonio [7]#AmarEsConstitucional [11]

@aitoro [19]: Documento del Tribunal Constitucional que avala el #matrimonioIgualitario (egalitarian marrriage) #AmarEsConstitucionalhttp://bitly.com/Re2p5y

@aitoro [19]:  Taratasin'ny tribonaly misy ny fankatòavan'ny Fitsarana momba ny Lalàm-panorenana #matrimonioIgualitario [20] #AmarEsConstitucional [11] http://bitly.com/Re2p5y [21] @aitoro [19]