- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Isiraely: “Mahatsiaro Toy Ny Anaty Faritra An'ady i Ashdod “

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Palestina, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Tamin'ny 10 Novambra, nitifitra balafomanga tsy midaroka fiara mifono vy (anti-tank) tamin'ireo miaramila Isiraeliana mpanao fisafoana i Gaza tao amin'ny faritra Isiraeliana, ao amin'ny sisintanin'i Gaza sy Isiraely, ka naharatràna olona efatra. Novalian'i Isiraely tamin'ny alalan'ny tifitra an'habakabaka izany tao Gaza; ary avy eo novalian'ireo antoko miaramila sy ny Hamas tamin'ny tifitra balafomanga ihany koa. Taorian'ny fifampiraharahana hanatsahatra ny ady, izay efa teo am-pijanonana ny tifitra balafomanga avy ao Gaza, novonoin'ny drones [voromby baikoan-davitra] an'ny tafika Isiraeliana ny lehiben'ny miaramila Hamas, Ahmad al-Jabari. Tifitra balafomanga variraraka kosa no namalian'ny miaramila tao Gaza izany. Nipoaka tamin'ny tranon'olona iray tao atsimo tanànan'i Kiryat Malachi ny iray tamin'ireo balafomanga, ka namoizan'aina olona telo tao amin'ilay fianakaviana. Farafahakeliny olona 13 no namoy ny ainy, olo-tsotra ny sasany tamin'izany, ary olona an-jatony no naratra vokatry ny fanafihana nataon'ny tafika Isiraeliana tao Gaza.

Nizara ny zava-niainany sy ny fihetseham-pony tao amin'ny aterineto ireo Isiraeliana niaina ny tifitra balafomanga tsy ankiato.

Hagit Eisha, mponina ao amin'ny atsimon'ny tanàna Beer Sheva nandefa ity manaraka ity [1]tao amin'ny Facebook:

בדרך להורים שלי לאסוף את הילדה, ארבעה טילים מעליי ומולי, אזעקה, הבזקי אור, שובלי עשן. פחד אלהים. אני צורחת לאבא שלי בטלפון שאני מתה הוא בטוח שמדבר עם בת 12 מרגיע אותי שהוא מחכה לי בחוץ וצהל מגן עליי ואני צורחת. עברו עוד כמה אזעקות מאז והגוף עדיין רועד. חיכיתי שיעשו לזה סוף אבל מלחמה זה מפחיד

Teny an-dalana ho any amin'ny ray aman-dreniko handeha haka ny zanako vavy. Balafomanga efatra no teo amboniko sy teo anoloako, fahatairana, tara-pahazavana, setroka manerana ny lalana. Natahotra mafy aho. Niantso ny raiko tamin'ny finday aho ary nilaza azy hoe maty aho, toa mihevitra izy fa toy ny miresaka amin'ny ankizy 12 taona. Nampahery ahy izy ary nilaza tamiko fa miandry ahy ao ivelan'ny trano izy ary harovan'ny tafika Isiraeliana aho, nikikiaka kosa aho avy eo. Maro ireo fanairana nanomboka hatreo ary mbola mangovitra foana ny vatako hatramin'izao. Tiako raha mba hatsahatr'izy ireo izao [tifitra balafomanga] izao satria mampihorohoro tokoa ny ady.


Gal Zohar Za'arur
 izay monina ao atsimon'i Isiraely nandefa ity hafatra ity [2] tao amin'ny Facebook:

אנחנו במשפחה כבר מבוגרים, הצעיר בן 15, כל נושא האזעקות והטילים כבר לא מרגש אותנו, אזעקה פירושה לספור עד 15 ולקוות לטוב.
במוצאי שבת הייתי אצל חברה טובה כשהייתה אזעקת ‘צבע אדום’, במהלך האזעקה הם נכנסו לממ”ד, אני כבר רגיל לא לחפש אותו אבל נכנסתי איתם, שם ראיתי את האח הקטן שלה מחבק את אמא שלו בפחד, לרגע אחד שאלתי את עצמי למה הוא פוחד כל כך, למה הוא עוד לא התרגל.
ובשנייה שאחרי הבנתי שהאבסורד האמיתי הוא לא שהוא מפחד, אלא שאני התרגלתי.

Tao amin'ny fianakaviako, izay efa samy lehibe avokoa, 15 taona ny zandriny indrindra. Tsy dia manelingelina anay intsony ny fanairana rehetra sy ny balafomanga. Midika ny fanairana fa mila manisa hatramin'ny 15 ianao dia manantena ny tsara indrindra. Tamin'ny Asabotsy alina, tany an-tranon'ny namako aho raha nanomboka naneno ny fanairana ‘Loko Mena [3]‘ [rafi-panairana (radara)]. Nandritra ny fanairana, nandeha tao amin'ny fialofana miaro amin'ny baomba izy ireo. Efa zatra tsy mitsofoka amin'izany intsony aho, kanefa mbola niaraka tamin'izy ireo ihany. Nahita ny rahalahiny mbola kely mifikitra amin-tahotra amin'ny reniny aho, ary nandritra ny fotoana fohy, nanontany aho hoe fa maninona izy no matahotra, ary maninona izy no mbola tsy zatra amin'izany foana hatramin'izao.
Fotoany fohy avy eo indray, tsapako fa adalana tanteraka ny mieritreritra hoe matahotra izy, fa izaho mihitsy no efa zatra amin'ilay zavatra. 

MK Ilan Gil'on, mpikambana ao amin'ny antoko Meretz monina ao Ashdod, nandefa ity sary ity  [4]tao amin'ny Facebook, ahitana soratra hoe: “Mamonjy fialofana amin'ny baomba miaraka amin'ny zafikeliko Noya”.

Dana, monina ao Ashdod, nandefa ireto sioka [5] roa [6] ireto:

לפחות 5 נפילות בלי אזעקה, פיצוצים מכל עבר, אשדוד מרגישה כמו איזור מלחמה. עופרת יצוקה הייתה מסיבת כיתה לעומת עכשיו.
בת 3. מתולתלת, סמוקה ושמנמונת, יצאה לחדר מדרגות עם מטריה ורודה עם נקודות. אמא שלי שאלה אותה למה? והיא ענתה שזה ייגן עלינו. תמימות גנוזה.

Farafahakeliny, feom-basy dimy mbola tsy nisy fanairana naneno, fipoahana hatraiza hatraiza, mahatsiaro ho toy ny faritra an'ady i Ashdod. Tahaka ny fitsangatsangana eny amin'ny zaridaina ny Hetsika Vitsìy nohamafisina (toy ny tamin'ny 2009) raha oharina amin'izany.

Zazavavy kely 3 taona, olioly volo, takolaka mavokely, dongadonga, nivoaka tao ambanin'ny tohatra niaraka tamin'ny elo mavokely mitsipitsipika. Nanontany azy ny reniko hoe fa ahoana. Nilaza izy fa hiaro antsika izany. Hatsoram-po miafina.

Mitantara ireo tifitra balafomanga marobe tao Beer Sheva ity lahatsary ity,  [7]izay navoaka tamin'ny 14 Novambra tao amin'ny Facebook, ary nisy nizara in-4.700

Maro tamin'ireo Isiraeliana, anisan'izany ireo izay misioka avy ao amin'ny toerana fialofana miaro amin'ny baomba no naneho ny fanohanany feno ny tafika Isiraeliana, ny hafa kosa nitsikera mafy ny governemanta.

Shirly Karavani, mponina ao atsimon'ny tanànan'i Ashqelon nanoratra ity vaovao farany tao amin'ny Facebook ity [8] izay niely tokoa:

שלום, אני תושבת הדרום, ולמרות מה שמנסים מתחכמים למיניהם בערוצי התקשורת, אני ממש, אבל ממש לא מוכנה לזה! גם רוב מי שסביבי אגב, בטח לא כל מי שגרים בשכונות הישנות יותר ואינם מוגנים כלל. כי גם לא היה להם 70,000 ש”ח לממ”ד. אז תפסיקו בבקשה להפוך אותנו לחוסן הלאומי שלכם בבקשה. אני בסך הכל רוצה לחיות בשלום, ולגדל את ביתי בנחת. אני בטוחה שכמוני יש אלפי אמהות בשני צידי הגדר, מאות אלפי אפילו. קורבנות של מנהיגים שלא מנסים למצוא פתרון אמיתי ורואים רק עד קצה הכסא שעליו הם רוצים לשבת.

Miarahaba, mponina aty atsimo aho, ary na dia eo aza ireo ambaran'ny sasany amin'ny fampahalalam-baovao,tsy nivonona tanteraka tamin'izany mihitsy aho! Ary toy izany ihany koa ireo mpiara-monina manodidina ahy, indrindra ireo monina amin'ny faritra taloha izay tsy mba voaaro mihitsy satria tsy manam-bola hanamboarana fialofana amin'ny baomba izy ireo izay mitentina 70.000 shekels. Koa azafady, ajanony ny mandray anay ho toy “herim-pirenenareo’. Ny zavatra hany mba faniriako dia ny miaina anaty filaminana sy mamelona ny zanako vavy. Mino aho fa an'arivony ireo renim-pianakaviana tahaka ahy ao amin'ireo sisintany roa [Gaza-Israel], an'hetsiny mihitsy aza. Araraotin'ny mpitondra izay tsy mba miezaka mitady vahaolana marina sy tsy mihevitra afa-tsy ny fijanonany eo amin'ny fahefany izahay.

Bar Heffetz [9], izay monina ao akaikin'ny sisitanin'i Gaza-Isiraely, nanoratra hoe:

נגמרו לי המילים, לחשוב שהילדים שלי הם כלי משחק של ביבי וברק.
די כבר…….
3 דקות מחאן יונס

Tsy mahita holazaina intsony aho. Raha mieritreritra aho hoe kilalaon'i” Bibi sy Barak [ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny Fiarovana, tsirairay] ireo zanako . Ampy izay… 3 minitra avy eo Khan Younis

Ary hoy indray izy avy eo:

טוב בוקר כזה אני באמת לא זוכר, לא מפסיקים ליפול כאן פצמרים וקאסמים כולל אחד צמוד למרפאה….
אי אפשר לכוון כמה לרחוב עזה ולמגדל החדש של ברק….

Tsy mba nahatsiaro maraina tahaky androany aho [fipoahana marobe]. Tifitra tafondro sy balafombanga (Kassam) tsy an-kiato, teo akaikin'ny toeram-pitsaboana no nianjera ny iray tamin'izany…
Iriako mba hianjera ao amin'ny “lalana Gaza” ny sasany amin'izany [fonenana ofisialy an'ny Praiminisitra ao Jerosalema] sy tranobe vaovao an'i Barak [nalaza ratsy i Barak tamin'ny fividianany trano lafo be tamin'ny tilikambo avo-be tao Tel Aviv, ary noho ny fahatezeram-bahoaka, namidiny indray izany ary nividy trano taminà trano avo-be moramora kokoa izy …

Hafatra  [10]avy amin'i Michal Vesser, mpampianatra sy mponina ao Kfar ‘Aza, akaikin'ny sisintany, nalefan'ny mpianany tao amin'ny Facebook:

אל תגנו עלי !
תודה רבה באמת. אם הגנה כזו לא זקוקים להתקפה…
אני יושבת בממ”די בקיבוץ כפר-עזה ומקשיבה להפצצות של מלחמת כל בכל.

אם ברצונכם להגן עלי – אז אנא מכם: אל תשלחו את צה”ל “לנצח”. תתחילו לחשוב לטווח ארוך ולא רק עד לבחירות הבאות. נסו לשאת ולתת עד שיצא עשן לבן. הושיטו יד למחמוד עבאס. תפסיקו עם “חיסולים ממוקדים”, תביטו לעיני האזרחים גם בצד השני.
אני יודעת שמרבית הציבור יאשים אותי בהתייפיפות נפש. אבל אני זו שיושבת כאן עכשיו כשפצמ”רים נופלים בחצרי, לא סער, לא ביבי וגם לא שלי ויאיר. אני זו שבחרה לגדל כאן את ילדיה

אז אל תעשו לי טובה ואל תהרגו אזרחים מעבר לגדר בשביל להגן על חיי. אם אתם מעוניינים להפסיק את פעולות האיבה מן העבר השני – תפתחו את האזניים ותתחילו להקשיב.
סכסוכים אלימים לא נפתרים באלימות נוספת.
שקט אינו מושג על ידי דיכוי האחר. להיפך, זה מתכון בטוח להמשך מעגל האימה.

Aza arovana aho!
Tena misaotra betsaka. Amina fiarovana tahaka izany, izay mbola mila miaro-tena… Nipetraka tao amin'ny trano fialofako amin'ny baomba aho tao amin'ny Kibbots Kfar ‘Aza ary nihaino ireo fipoahana nandritra ity ady miharo-hafetsena ity.

Raha te hiaro ahy ianao – aza mandefa tafika Isiraeliana mba “handresy”. Mba mieritreritra vinavina lavitra fa tsy hatramin'ny fifidianana izay hoavy ihany. Andramo ny mifampiraharaha, ampio i Mahmoud Abbas. Ajanony ny ‘famonoan'olona lasibatra’, jereo ireo olom-pirenena ao amin'ny faritra hafa. Fantatro fa maro amin'ireo olona no mety hanome tsiny ahy noho ny fahalemeko. Kanefa anisan'ireo mijanona eto aho amin'izao fotoana izao, ary milatsaka ao amin'ny tokontaniko avokoa ny balatafondro, tsy misy an'i Saar [Minisitry ny Fampianarana], tsy Bibi, na Shelly [Yechimovitch, lehiben'ny antokon'ny mpiasa izay naneho ny fanohanany ny hetsiky ny tafika Isiraeliana], tsy Yair [Lapid ihany koa, mpiasa tamin'ny fahitalavitra izay nivadika ho mpanao politika ka naneho ny fanohanany ny fitantanan'ny governemanta ny krizy ihany koa]. Izaho ny hany tokana nisafidy hamelona ireo zanany


Arak'izany, mba mangataka zavatra aminareo aho, aza vonoina ireo olom-pirenena ao amin'ny faritra hafa mba hiarovana ny aiko. Raha tianao ny hiafaran'ny fanafihana ao amin'ny faritra hafa, sokafy ny sofinao ary mba henoy aho.
Tsy voavahan'ny herisetra fanampiny ny ady feno herisetra.
Tsy ho tratra ny filaminana raha hampijaliana ny hafa. Marina ny mifanohitra aminy – torolalana amin'ny fanohizana ny tontolon'ny voninahitra.

Maro tamin'ireo Isiraeliana ankavia no nanamarika ny fifandraisana amin'ny fanamafisana ny herisetra sy ny fifidianana hoavy, izay atao amin'ny 22 Janoary 2013. Malaza [11] amin'ny fanaovana hetsika miaramila ny governemanta Isiraeliana rehefa akaiky toy izao ny fifidianana.

Nampiseho ny fitsapan-kevi-bahoaka (sondage) farany teo fa tsy hahatratra ny isa farany ambany (2%) takiana amin'ny fifidianana akory  ny antokon'ny minisitry ny Fiarovana, Ehud Barak. Blue Collar, orinasam-pahalalam-baovao sosialy ankavia nandefa ity sary [12]ity izay milaza ny tombotsoa azon'i Barak amin'ny fanamafisana ny herisetra amin'ny Palestiniana mialoha ny fifidianana.

“Inty i Ehud. Nanao fampielezan-kevitra amin'ny famotehana an'i Gaza”

Yoav Abramovich namazivazy hoe [13]:

כאשר שר הבטחון אומר ש”ישראל תגיב בזמן ובמקום שהיא תמצא לנכון”, הוא מתכוון לסביבות חודשיים לפני הבחירות.

Raha nilaza ny minisitry ny Fiarovana fa “hihetsika ny Isiraely amin'ny fotoana mety sy amin'ny toerana safidiana” ny tiany ambara dia hoe afaka roa volana mialoha ny fifidianana.