Isiraely: “Mahatsiaro Toy Ny Anaty Faritra An'ady i Ashdod “
Tamin'ny 10 Novambra, nitifitra balafomanga tsy midaroka fiara mifono vy (anti-tank) tamin'ireo miaramila Isiraeliana mpanao fisafoana i Gaza tao amin'ny faritra Isiraeliana, ao amin'ny sisintanin'i Gaza sy Isiraely, ka naharatràna olona efatra. Novalian'i Isiraely tamin'ny alalan'ny tifitra an'habakabaka izany tao Gaza; ary avy eo novalian'ireo antoko miaramila sy ny Hamas tamin'ny tifitra balafomanga ihany koa. Taorian'ny fifampiraharahana hanatsahatra ny ady, izay efa teo am-pijanonana ny tifitra balafomanga avy ao Gaza, novonoin'ny drones [voromby baikoan-davitra] an'ny tafika Isiraeliana ny lehiben'ny miaramila Hamas, Ahmad al-Jabari. Tifitra balafomanga variraraka kosa no namalian'ny miaramila tao Gaza izany. Nipoaka tamin'ny tranon'olona iray tao atsimo tanànan'i Kiryat Malachi ny iray tamin'ireo balafomanga, ka namoizan'aina olona telo tao amin'ilay fianakaviana. Farafahakeliny olona 13 no namoy ny ainy, olo-tsotra ny sasany tamin'izany, ary olona an-jatony no naratra vokatry ny fanafihana nataon'ny tafika Isiraeliana tao Gaza.
Nizara ny zava-niainany sy ny fihetseham-pony tao amin'ny aterineto ireo Isiraeliana niaina ny tifitra balafomanga tsy ankiato.
Hagit Eisha, mponina ao amin'ny atsimon'ny tanàna Beer Sheva nandefa ity manaraka ity tao amin'ny Facebook:
בדרך להורים שלי לאסוף את הילדה, ארבעה טילים מעליי ומולי, אזעקה, הבזקי אור, שובלי עשן. פחד אלהים. אני צורחת לאבא שלי בטלפון שאני מתה הוא בטוח שמדבר עם בת 12 מרגיע אותי שהוא מחכה לי בחוץ וצהל מגן עליי ואני צורחת. עברו עוד כמה אזעקות מאז והגוף עדיין רועד. חיכיתי שיעשו לזה סוף אבל מלחמה זה מפחיד
Teny an-dalana ho any amin'ny ray aman-dreniko handeha haka ny zanako vavy. Balafomanga efatra no teo amboniko sy teo anoloako, fahatairana, tara-pahazavana, setroka manerana ny lalana. Natahotra mafy aho. Niantso ny raiko tamin'ny finday aho ary nilaza azy hoe maty aho, toa mihevitra izy fa toy ny miresaka amin'ny ankizy 12 taona. Nampahery ahy izy ary nilaza tamiko fa miandry ahy ao ivelan'ny trano izy ary harovan'ny tafika Isiraeliana aho, nikikiaka kosa aho avy eo. Maro ireo fanairana nanomboka hatreo ary mbola mangovitra foana ny vatako hatramin'izao. Tiako raha mba hatsahatr'izy ireo izao [tifitra balafomanga] izao satria mampihorohoro tokoa ny ady.
Gal Zohar Za'arur izay monina ao atsimon'i Isiraely nandefa ity hafatra ity tao amin'ny Facebook:
אנחנו במשפחה כבר מבוגרים, הצעיר בן 15, כל נושא האזעקות והטילים כבר לא מרגש אותנו, אזעקה פירושה לספור עד 15 ולקוות לטוב.
במוצאי שבת הייתי אצל חברה טובה כשהייתה אזעקת ‘צבע אדום’, במהלך האזעקה הם נכנסו לממ”ד, אני כבר רגיל לא לחפש אותו אבל נכנסתי איתם, שם ראיתי את האח הקטן שלה מחבק את אמא שלו בפחד, לרגע אחד שאלתי את עצמי למה הוא פוחד כל כך, למה הוא עוד לא התרגל.
ובשנייה שאחרי הבנתי שהאבסורד האמיתי הוא לא שהוא מפחד, אלא שאני התרגלתי.
Tao amin'ny fianakaviako, izay efa samy lehibe avokoa, 15 taona ny zandriny indrindra. Tsy dia manelingelina anay intsony ny fanairana rehetra sy ny balafomanga. Midika ny fanairana fa mila manisa hatramin'ny 15 ianao dia manantena ny tsara indrindra. Tamin'ny Asabotsy alina, tany an-tranon'ny namako aho raha nanomboka naneno ny fanairana ‘Loko Mena‘ [rafi-panairana (radara)]. Nandritra ny fanairana, nandeha tao amin'ny fialofana miaro amin'ny baomba izy ireo. Efa zatra tsy mitsofoka amin'izany intsony aho, kanefa mbola niaraka tamin'izy ireo ihany. Nahita ny rahalahiny mbola kely mifikitra amin-tahotra amin'ny reniny aho, ary nandritra ny fotoana fohy, nanontany aho hoe fa maninona izy no matahotra, ary maninona izy no mbola tsy zatra amin'izany foana hatramin'izao.
Fotoany fohy avy eo indray, tsapako fa adalana tanteraka ny mieritreritra hoe matahotra izy, fa izaho mihitsy no efa zatra amin'ilay zavatra.
MK Ilan Gil'on, mpikambana ao amin'ny antoko Meretz monina ao Ashdod, nandefa ity sary ity tao amin'ny Facebook, ahitana soratra hoe: “Mamonjy fialofana amin'ny baomba miaraka amin'ny zafikeliko Noya”.
Dana, monina ao Ashdod, nandefa ireto sioka roa ireto:
לפחות 5 נפילות בלי אזעקה, פיצוצים מכל עבר, אשדוד מרגישה כמו איזור מלחמה. עופרת יצוקה הייתה מסיבת כיתה לעומת עכשיו.
בת 3. מתולתלת, סמוקה ושמנמונת, יצאה לחדר מדרגות עם מטריה ורודה עם נקודות. אמא שלי שאלה אותה למה? והיא ענתה שזה ייגן עלינו. תמימות גנוזה.
Farafahakeliny, feom-basy dimy mbola tsy nisy fanairana naneno, fipoahana hatraiza hatraiza, mahatsiaro ho toy ny faritra an'ady i Ashdod. Tahaka ny fitsangatsangana eny amin'ny zaridaina ny Hetsika Vitsìy nohamafisina (toy ny tamin'ny 2009) raha oharina amin'izany.
Zazavavy kely 3 taona, olioly volo, takolaka mavokely, dongadonga, nivoaka tao ambanin'ny tohatra niaraka tamin'ny elo mavokely mitsipitsipika. Nanontany azy ny reniko hoe fa ahoana. Nilaza izy fa hiaro antsika izany. Hatsoram-po miafina.
Mitantara ireo tifitra balafomanga marobe tao Beer Sheva ity lahatsary ity, izay navoaka tamin'ny 14 Novambra tao amin'ny Facebook, ary nisy nizara in-4.700
Maro tamin'ireo Isiraeliana, anisan'izany ireo izay misioka avy ao amin'ny toerana fialofana miaro amin'ny baomba no naneho ny fanohanany feno ny tafika Isiraeliana, ny hafa kosa nitsikera mafy ny governemanta.
Shirly Karavani, mponina ao atsimon'ny tanànan'i Ashqelon nanoratra ity vaovao farany tao amin'ny Facebook ity izay niely tokoa:
שלום, אני תושבת הדרום, ולמרות מה שמנסים מתחכמים למיניהם בערוצי התקשורת, אני ממש, אבל ממש לא מוכנה לזה! גם רוב מי שסביבי אגב, בטח לא כל מי שגרים בשכונות הישנות יותר ואינם מוגנים כלל. כי גם לא היה להם 70,000 ש”ח לממ”ד. אז תפסיקו בבקשה להפוך אותנו לחוסן הלאומי שלכם בבקשה. אני בסך הכל רוצה לחיות בשלום, ולגדל את ביתי בנחת. אני בטוחה שכמוני יש אלפי אמהות בשני צידי הגדר, מאות אלפי אפילו. קורבנות של מנהיגים שלא מנסים למצוא פתרון אמיתי ורואים רק עד קצה הכסא שעליו הם רוצים לשבת.
Miarahaba, mponina aty atsimo aho, ary na dia eo aza ireo ambaran'ny sasany amin'ny fampahalalam-baovao,tsy nivonona tanteraka tamin'izany mihitsy aho! Ary toy izany ihany koa ireo mpiara-monina manodidina ahy, indrindra ireo monina amin'ny faritra taloha izay tsy mba voaaro mihitsy satria tsy manam-bola hanamboarana fialofana amin'ny baomba izy ireo izay mitentina 70.000 shekels. Koa azafady, ajanony ny mandray anay ho toy “herim-pirenenareo’. Ny zavatra hany mba faniriako dia ny miaina anaty filaminana sy mamelona ny zanako vavy. Mino aho fa an'arivony ireo renim-pianakaviana tahaka ahy ao amin'ireo sisintany roa [Gaza-Israel], an'hetsiny mihitsy aza. Araraotin'ny mpitondra izay tsy mba miezaka mitady vahaolana marina sy tsy mihevitra afa-tsy ny fijanonany eo amin'ny fahefany izahay.
Bar Heffetz, izay monina ao akaikin'ny sisitanin'i Gaza-Isiraely, nanoratra hoe:
נגמרו לי המילים, לחשוב שהילדים שלי הם כלי משחק של ביבי וברק.
די כבר…….
3 דקות מחאן יונס
Tsy mahita holazaina intsony aho. Raha mieritreritra aho hoe kilalaon'i” Bibi sy Barak [ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny Fiarovana, tsirairay] ireo zanako . Ampy izay… 3 minitra avy eo Khan Younis
Ary hoy indray izy avy eo:
טוב בוקר כזה אני באמת לא זוכר, לא מפסיקים ליפול כאן פצמרים וקאסמים כולל אחד צמוד למרפאה….
אי אפשר לכוון כמה לרחוב עזה ולמגדל החדש של ברק….
Tsy mba nahatsiaro maraina tahaky androany aho [fipoahana marobe]. Tifitra tafondro sy balafombanga (Kassam) tsy an-kiato, teo akaikin'ny toeram-pitsaboana no nianjera ny iray tamin'izany…
Iriako mba hianjera ao amin'ny “lalana Gaza” ny sasany amin'izany [fonenana ofisialy an'ny Praiminisitra ao Jerosalema] sy tranobe vaovao an'i Barak [nalaza ratsy i Barak tamin'ny fividianany trano lafo be tamin'ny tilikambo avo-be tao Tel Aviv, ary noho ny fahatezeram-bahoaka, namidiny indray izany ary nividy trano taminà trano avo-be moramora kokoa izy …
Hafatra avy amin'i Michal Vesser, mpampianatra sy mponina ao Kfar ‘Aza, akaikin'ny sisintany, nalefan'ny mpianany tao amin'ny Facebook:
אל תגנו עלי !
תודה רבה באמת. אם הגנה כזו לא זקוקים להתקפה…
אני יושבת בממ”די בקיבוץ כפר-עזה ומקשיבה להפצצות של מלחמת כל בכל.
…
אם ברצונכם להגן עלי – אז אנא מכם: אל תשלחו את צה”ל “לנצח”. תתחילו לחשוב לטווח ארוך ולא רק עד לבחירות הבאות. נסו לשאת ולתת עד שיצא עשן לבן. הושיטו יד למחמוד עבאס. תפסיקו עם “חיסולים ממוקדים”, תביטו לעיני האזרחים גם בצד השני.
אני יודעת שמרבית הציבור יאשים אותי בהתייפיפות נפש. אבל אני זו שיושבת כאן עכשיו כשפצמ”רים נופלים בחצרי, לא סער, לא ביבי וגם לא שלי ויאיר. אני זו שבחרה לגדל כאן את ילדיה
…
אז אל תעשו לי טובה ואל תהרגו אזרחים מעבר לגדר בשביל להגן על חיי. אם אתם מעוניינים להפסיק את פעולות האיבה מן העבר השני – תפתחו את האזניים ותתחילו להקשיב.
סכסוכים אלימים לא נפתרים באלימות נוספת.
שקט אינו מושג על ידי דיכוי האחר. להיפך, זה מתכון בטוח להמשך מעגל האימה.
Aza arovana aho!
Tena misaotra betsaka. Amina fiarovana tahaka izany, izay mbola mila miaro-tena… Nipetraka tao amin'ny trano fialofako amin'ny baomba aho tao amin'ny Kibbots Kfar ‘Aza ary nihaino ireo fipoahana nandritra ity ady miharo-hafetsena ity.
…
Raha te hiaro ahy ianao – aza mandefa tafika Isiraeliana mba “handresy”. Mba mieritreritra vinavina lavitra fa tsy hatramin'ny fifidianana izay hoavy ihany. Andramo ny mifampiraharaha, ampio i Mahmoud Abbas. Ajanony ny ‘famonoan'olona lasibatra’, jereo ireo olom-pirenena ao amin'ny faritra hafa. Fantatro fa maro amin'ireo olona no mety hanome tsiny ahy noho ny fahalemeko. Kanefa anisan'ireo mijanona eto aho amin'izao fotoana izao, ary milatsaka ao amin'ny tokontaniko avokoa ny balatafondro, tsy misy an'i Saar [Minisitry ny Fampianarana], tsy Bibi, na Shelly [Yechimovitch, lehiben'ny antokon'ny mpiasa izay naneho ny fanohanany ny hetsiky ny tafika Isiraeliana], tsy Yair [Lapid ihany koa, mpiasa tamin'ny fahitalavitra izay nivadika ho mpanao politika ka naneho ny fanohanany ny fitantanan'ny governemanta ny krizy ihany koa]. Izaho ny hany tokana nisafidy hamelona ireo zanany
…
Arak'izany, mba mangataka zavatra aminareo aho, aza vonoina ireo olom-pirenena ao amin'ny faritra hafa mba hiarovana ny aiko. Raha tianao ny hiafaran'ny fanafihana ao amin'ny faritra hafa, sokafy ny sofinao ary mba henoy aho.
Tsy voavahan'ny herisetra fanampiny ny ady feno herisetra.
Tsy ho tratra ny filaminana raha hampijaliana ny hafa. Marina ny mifanohitra aminy – torolalana amin'ny fanohizana ny tontolon'ny voninahitra.
Maro tamin'ireo Isiraeliana ankavia no nanamarika ny fifandraisana amin'ny fanamafisana ny herisetra sy ny fifidianana hoavy, izay atao amin'ny 22 Janoary 2013. Malaza amin'ny fanaovana hetsika miaramila ny governemanta Isiraeliana rehefa akaiky toy izao ny fifidianana.
Nampiseho ny fitsapan-kevi-bahoaka (sondage) farany teo fa tsy hahatratra ny isa farany ambany (2%) takiana amin'ny fifidianana akory ny antokon'ny minisitry ny Fiarovana, Ehud Barak. Blue Collar, orinasam-pahalalam-baovao sosialy ankavia nandefa ity sary ity izay milaza ny tombotsoa azon'i Barak amin'ny fanamafisana ny herisetra amin'ny Palestiniana mialoha ny fifidianana.

“Inty i Ehud. Nanao fampielezan-kevitra amin'ny famotehana an'i Gaza”
Yoav Abramovich namazivazy hoe:
כאשר שר הבטחון אומר ש”ישראל תגיב בזמן ובמקום שהיא תמצא לנכון”, הוא מתכוון לסביבות חודשיים לפני הבחירות.
Raha nilaza ny minisitry ny Fiarovana fa “hihetsika ny Isiraely amin'ny fotoana mety sy amin'ny toerana safidiana” ny tiany ambara dia hoe afaka roa volana mialoha ny fifidianana.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...