18 Novambra 2012

Tantara tamin'ny 18 Novambra 2012

Arabia Saodita: Mpanao Hetsi-panoherana Am-pilaminana HoKaravasiana, Didin'ny Mpitsara

Tamin'ny Septambra lasa teo, nanoratra izahay mikasika ny fitorevahana ora 24 tsy mbola nisy toa azy nataon'ny fianakavian'ireo gadra tsy nandalo fitsarana. Nohazaina sy nosamborina ireo mpanao fihetsiketsehana nony farany. Halina, namoaka didim-pitsarana manameloka ny 19 tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ilay Saodiana mpanao gazety, Iman al-Qahtani, tao amin'ny Twitter. sazy didy miantona fikaravasiana 50-90 ary fonja ho an'ny 14 amin'izy rehetra, ahitàna ilay olona nitondra sakafo ho an'ireo mpano hetsi-panoherana. Tonga dia ampiharina ny sazy raha toa ry zareo ka mbola mandray anjara indray aminà fihetsiketsehana. Ireo dimy hafa dia mbola hotsaraina aoriana kely.

18 Novambra 2012

i Öcalan Ve No Fanalahidin'ny Fifampiraharahàna Amin'i Tiorkia?

67 andro izao, gadra Kiorda an-jatony no nitokona tsy mety hisakafo any Tiorkia. Nangatahan-dry zareo ny hampitsaharana ny fanokana-monina ny mpikambana iray mpanorina ny Antokon'ny Mpiasa any Kiordistana (PKK), Abdullah Öcalan, sy hamelàna ny fampiasàna ny teny Kiorda eny amin'ny toerana natao ho an'ny daholobe tsy asiana fanavakavahana. Tsy nisy tamin'ireny fangatahana ireny nahitana valiny, saingy hagagàna fa nisy fanambaràna iray avy amin'i Öcalan, izay niantsoany fampiatoana ny fitokonana tsy hihinan-kanina araka ny nambaran'ny rahalahiny Mehmet Öcalan.

18 Novambra 2012

Ligy Arabo Mikasika An'i Gaza: “Blah Blah… Blah Blah Blah”

Mihaona ao amin'ny foibeny ao Kairo ny Ligy Arabo mba handinika ny momba an'i Gaza - ary tsy avy miaina ireo mpikirakira aterineto, na miandrandra vokatra tsara amin'ny mety ho fandraisana fepetra henjana.. Sultan AlQassemi tweets: "Fanavaozam-baovao mivantana avy amin'ny fivorian'ny Ligy Arabo momba ny herisetra ataon'i Israely ao Gaza: Tsy leferinay ny blah blah! Tsy maintsy izahay hijoro miaraka amin'ny blah blah bah.."

18 Novambra 2012

Fikononana Nanerana Ny Faritra Atsimon'i Eoropa

Ny 14 Novambra 2012 no andro nahitàna fitokonana voalohany amin'ny karazany toy izao, nahitàna ireo firenena Eoropeana Tatsimo rehetra izay tena iantraikàn'ny olan'ny fitsitsiana sy ara-bola. Notaterin'ireo olon-tsotra mivantana avy eny an'arabe ny hetsika, hatramin'ireo fanehoana firaisankina, fahaiza-mamorona sy tatitra momba ny habibian'ny polisy.

18 Novambra 2012