- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manoratra Ny Lalàny (laika) Azy Manokana Ny Ejiptiana .. Ao Amin'ny Twitter

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika

Mamolavola ny lalàna laika azy manokana ireo Ejiptana – ao amin'ny Twitter.

Nanomboka izany rehetra izany rehefa injay i  Mahmoud Salem – antsoina hoe Sandmonkey – nanao ity soso-kevitra manaraka ity :

بـما إن الإسلاميين شايفين العلمانيين مش مسلمين, وشايفين إن غير المسلمين يحتكمو بشعرائهم , مين عاوز يكتب معايا شريعة العلمانية؟ #فرصة #دستور

@Sandmonkey [1]: Satria ireo Islamista mandray ireo vahoaka laika ho toy ny olona mifanohitra amin'ny Islamika, ary mahita fa ireo tsy Miozolmana dia mifehy ny fombafomban-dry zareo, iza no te-hiaraka amiko hanoratra lalàna laika iray?

Tao an-daharana tao, tsy ela akory dia niakatra avy any ny tenifototra #شريعة_العلمانية [2] [ar] (Lalàna laika), ary dia nalaza teny amin'ny rehetra niaraka tamin'ireo soso-kevitra mikasika izay ho endrik'ity (lalàna) “sharia” vaovao ity ho an'ireo olona laika.

Salem no mitarika ilay fanaovana vakiraokan-dalàna, izay mifantoka betsaka amin'ny vehivavy, amin'ny filazana hoe:

#شريعة_العلمانية لا يحق لأحد المتاجرة بالنساء واللي يبـغين الزواج من أطفال لمجر بلوغهم الجسدي يتم حبسهم وإحالتهم للعلاج النفسي

@Sandmonkey [3]: voarara ny fanaovan-draharaha momba ny vehivavy ary ireo izay maniry hanambady ankizy dia tokony aiditra am-ponja ary entina hanaraka fitsaboana saina

Malak Boghdady manampy hoe :

#شريعة_العلمانية – الست مش حتة لحمة ماشيه في الشارع…الست انسان زيها زي الرجل من حقها تحس بالامان و متتكسفش من نفسها لمجرد انها انثي!

@MalakBoghdady [4]: Tsy sombin-kena akory ny vehivavy, mandehandeha eny an'arabe eny. Olombelona ny vehivavy, tahaka ny lehilahy tsitra izao, ary zony ny hahatsiaro fitoniana sy tsy ho manatra amin'ny maha-vehivavy azy.

Ary Shahinaz Abdel Salam manamarika hoe :

#شريعة_العلمانية ان مش مهم لوني و لا نوعي و لا ديني المهم عملي

@Wa7damasrya [5]: Tsy zava-dehibe ny lokoko, karazana ary finoako. Raha ny asako, ekeko.

Tohizany:

#شريعة_العلمانية العدالة و المساواة و الحرية

@Wa7damasrya [6]: Fahamarinana, Fitoviana ary Fahalalahana.

Mikisaka mankany amin'ny politika, manome soso-kevitra i Mohamed Emam hoe :

#شريعة_العلمانية لا يسمح بإقامة أحزاب سياسية على أسس دينية أو عرقية ، وإستخدام الشعارات الدينية في السياسة دجل وليس برنامجا سياسيا

@meman8 [7]:Tsy azo omena alàlana ny fangatahana hanangana antoko politika mifototra amin'ny resaka finoana na foko. Tsy fanarahan-dalàna ny fampiasana ny teny faneva ara-pivavahana amin'ny politika ary tsy azo raisina ho fandaharan'asa politika.

Amin'ny resaka fahalalahan'ny izam-batan'olona, manamarika i Nevine Zaki hoe:

#شريعة_العلمانية انت حر ما لم تضر

@nevine_zaki [8]: Malalaka foana ianareo raha mbola tsy manao izay hahatafintohina ny hafa.

Momba ny resa-pinoana, mibitsika i Zaki hoe :

#شريعة_العلمانية الدين لله والوطن للجميع

@nevine_zaki [9]: Ho an'Andriamanitra ny Finoana fa ny firenena kosa ho an'ny rehetra.

Ary ampian'i Emam hoe :

#شريعة_العلمانية من حقك إعتناق ” أي” دين تختاره وممارسة شعائرك دون تدخل من أحد ، وعليك إحترام “كل” الأديان الأخرى

@memam8 [10]: Zonao ny hisafidy izay fioana tianao harahana ary zonao ny hanao izay fombafomba tsy manelingelina ny an'ny hafa. Tsy maintsy hajainao ihany koa ireo finoana hafa rehetra.

Raha i Nahla Enany kosa maka tsy taitra mamintina azy:

#شريعة_العلمانية كن انساناً

@Nahla_88 [11]: Mba meteza ho Olombelona

Ho famintinana, iverenantsika i Sandmonkey, izay mibitsika hoe :

اهانة الرموز واجب كل علماني لما الرموز ديه تستعبط #شريعة_العلمانية

@Sandmonkey: [12] Adidin'ny laika tsirairay ny miteny mahery ireo mpitarika rehefa manao fihetsiky ny donto ry zareo