- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpisolovava Iraniana Nasrin Sotoudeh Mitokona Tsy Mihinan-kanina ao Am-ponja

Sokajy: Iràna, Lalàna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

[1]Efa nihoatra ny efatra herinandro izao ilay Iraniana mpiaro ny zon'olombelona, mpisolovava ary efa nahazo ny Loka Sakharov [2] antsoina hoe Nasrin Sotoudeh [3] no nitokona tsy nihinan-kanina ho setrin'ny faneriterena atao amin'ny fianakaviany sy ny tsy firaharahian'ny manampahefana Iraniana ny gadra politika.

Ny vadin'i Nasrin, Reza Khandan no namoaka [4] [fa] ity fanavaozam-baovao ity tao amin'ny Facebook ny takarivan'ny 12 Novambra 2012, milaza fa sambany ny zanany no afa-nitsidika azy tao anatin'ny efa-bolana.

Manoratra toy izao Atoa Khandan:

Niantso ahy ry zareo avy ao amin'ny fonjan'i Evin ka niteny ahy hitondra ny zaza ho any am-ponja anio. Nihaona tamin'ny reniny nandritra ny minitra vitsivitsy teo ivelan'ny toeram-pamangiana sy teo anatrehan'ny mpiambina ny fonja ny zaza. Indrisy fa tsy namela ahy na olon-kafa hitondra ny zaza eo amin'ny toerana ihaonana ry zareo.

Araka ny lahatsoratr'Atoa Khandan, “nolazain'i Mehraveh, zanany vavy, fa niha-nahia ny reniny ary mandeha any amin'ny tobim-pahasalamana ao am-ponja indraindray.”

Notobahan'ny Iraniana fanohanana ilay mpisolovava migadra ny aterineto.

Voninkazo ho an'i Nasrin

Nampiseho ny fanohanana azy tamin'ny alalan'ny Facebook, Twitter ary Google+ ny Iraniana. Mohammad Reza Jalaeipour, mpianatra sy mpikatroka monina ao London amin'izao fotoana izao, no nanolo-kevitra ny hanovàn'ny mpanohana ny sarintavan'izy ireo amin'ny tambajotra an-tserasera ho sarim-boninkazo (Nasrin amin'ny teny Persiana) ho fanohanana azy ao anatin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina.

Nasrin manoratra ny fiarovany amin'ny “lamba famaohana”

Indro ny lahatsary milaz fa i Nasrin Stoudeh izay miaro gadra politika maro, dia tsy manan-jo ny hanoratra ny fiarovany amin'ny taratasy. Soratany amin'ny lamba famaohana (serviette) avokoa ny zava-drehetra.

Tsy ny aterineto ihany no toera-tokana ilazan'ny Iraniana ilay mpisolovava nogadraina, maro ny fihetsiketsehana notontosaina ivelan'i Iran ho fanoherana ny fitazonana an'i Stoudeh.

Hetsi-panoherana eo anoloan'ny masoivoho Iraniana any Dublin, Ireland

Fanohanana an'i Sotoudeh any New York

Sy Norvezy

Hajia ho an'i Nasrin

Nisy Iraniana sasantsasany monina any Holandy no nanonta printy [5] hajia ho an'i Nasrin Sotoudeh ahitana ny sarintavany.