- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Côte d'Ivoire: Hiakan-katezeran'ireo Mpikirakira Aterineto Noho Ny Fanangonana Fe-potoam-piasàna

Sokajy: Afrika Mainty, Cote d'Ivoire, Fampandrosoana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika

Sitrak'ireo Ivoariana bilaogera raha mba misy resaka matotra miainga mikasika ity fanangonana fe-potoam-piasàn'ireo parlemantera ao Côte d'Ivoire ity. Reraky ny mahita ireo solombavambahoaka lasa ben'ny tanàna avy eo na filohanà filankevitra, ka ety anaty tambajotra sosialy na amin'ny alàlan'ny fanangonan-tsonia dia angatahan'ireo mpikirakira aterineto ireo ivoariana mpitarika politika mba hitsipaka ny fampivangongoana.

Elie NGouan dia manokana ampahany amin'ny pejiny facebook [1] ho amin'io hetsika io ary manazava ny anton'ity fanentanana ity [2]:

Efa Minisitra ry zalahy, avy eo lasa Solombavambahoaka dia ankehitriny te-ho Ben'ny tanàna, Filohana filankevitra… Ny hanoherana ny zavatra toy izany koa no nitolomana koa ndeha isika hikiaka avo sy Mafy TSIA HO AN'IREO ADALAN-TSEZA

 

Poster " non au cumul des mandats" par Elie Nguan publié sur facebook [3]

Sary vaventy “Tsia amin'ny fampivangongoana fe-potoam-piasàna” nataon'i Elie Nguan nivoaka tao amin'ny facebook

Notsindrian'i Ngouan anefa fa tsy hoe mankahala  ny governemantan'ny filoha A. Ouattara akory izy saingy kosa fotoana izao hampiharana ireo fiovàna [4]nampanantenaina:

Mandritra ny fotoanan'ny ady, fanafihana, na fiezahana hanozongozona ny firenena dia izaho no ho voalohany hiaro ny fitondran'i Ouattara, izay mari-pamantarana ny nandresen'ny demaokrasia ny jadona. Saingy amin'ny fotoana maha-tony dia angovon-kery mitovy ihany no entiko manakiana io fitondrana io. Tsy hitsahatra ny hanakiana azy azo mba hanolorany ho an'ny Ivoariana ny zavatra nampanantenainy dia ny fiovàna izany. Fantatro fa afaka manao zavatra tsara betsaka ho an'ity firenena ity ny PR ka izany no antony tsy hitsaharako mangataka misimisy kokoa hatrany aminy, tsaratsara kokoa [..] Ouattara, dia efa naheno ianao fa ireo hadisoana rehetra nataonao sy ny governemantanao dia hosaziana henjana dia henjana. Fantaro fa efa andrasana fatratra ianareo amin'ity resaka fampivangongoana tafahoatra ny toerana sy fe-potoam-piasàna ity.

Ireo mpikirakira aterineto dia nandefa ihany koa fanangonan-tsonia iray [5] mba hanentanana ireo mpanao politika mikasika io resaka io. Ao amin'ny Twitter, noraisin'ireo ivoariana marobe mpampiasa azy ny tenifototra #nonaucumul [6] mba hanazavany ny antony maha-loza mitatao ny fanangonam-pahefana ho an'ny hoavin'ny firenena :

@Lord225: [7] Tsy hisy firenena matanjaka haorina amin'ny fanankinana ny endri-pampandrosoana rehetra tokony ho azy aminà vondron'olona vitsivitsy #civ2010 [8] #nonaucumul [6]

 

@sanders225: [9]  Raha solombavambahoaka ianao, aleo ho hafa no ben'ny tanàna. Aza bahanana ny làlany #nonaucumul [6]

 

Thomas Kobenan Tah, mpitarika iray ao amin'ny PDCI, dia manazava ny toerana raisiny manoloana ity resaka ity [10] sy  ny maha-zava-dehibe ny resaka tsy fanangonana fe-potoam-piasàna, indrindra fa amin'ny toe-draharaha ivoariana :

Raha toa isika hanao fotsiny izay hitovian'ny fitantanana  ny Fanjakantsika aminà fiaraha-mandray fanapahan-kevitra iraisana izay mahatafiditra koa an'ireo olona tsy manana fifamatorana akory na amin'ny inona na amin'ny inona amin'ireo andri-pahefana telo (ny mpanao lalàna, ny Fitsarana, ny Mpanatanteraka) sy hametraka fepetra amin'ny fomba fanaovana politikam-pampielezan-kevitra (tafiditra ao koa ny mialoha ny fampielezan-kevitra) miaraka amin'ny mety hisian'ny tsy fitanilàna eo amin'ny fahafaha-mifaninana mandritra ny hazakazaka ho amin'ny fifidianana, ho marina kokoa sy ho tsara ho an'ireo repoblika tahaka ny antsika izy amin'izay. Manana safidy hafa ankoatra an'io ve isika hisorohana ny olana tsy misy fitsaharany iainantsika, ny fifandirana sy  herisetra isan-karazany, ny hetahetam-balivaty ao anatintsika tsy mety afa-po, sns. ?

 

Ireo mpitarika amin'izao fotoana ao amin'ny governemanta dia niditra tamin'ny fifanakalozan-dresaka miaraka amin'ireo mpikirakira aterineto, indrindra fa ao amin'ny twitter. Ny Minisitra Alain Lobognon dia manazava ny antony ilàna tsindraindray ny fanangonana fe-potoam-piasàna :

@alainlobog: [11]  #nonaucumul [6] @LaLegende77 [12] @sanders225 [13] Inona no havaly amin'ny antson'ny Vahoakako? Hiteny TSIA dia ho vita matavy ara-politika? Hiteny ENY dia hitaty anareo rehetra?

Manampy izy :

@alainlobog: [14] Tianareo handresy ve ny fahavaloka ara-politika ka hanakana ahy tsy hanatanteraka ny famoriam-bahoakako? @fielanord [15] @sanders225 [13] “Voaràra izany!”

 

Ary koa, ny filohan'ny antenimieram-pirenena sy praiminisitra fahiny Guillaume Soro dia mihevitra fa manahirana tokoa ilay lohahevitra fa tsy araka izay ahitàna azy akory ka tsy tokony hosahanina anaty hamehana :

@GuillaumeKSoro [16]: Aoka isika tsy hanao an-tendrony amin'ity resaka ity.

 

Ny minisitra Lobognon, sahala amin'i Guillaume Soro [17] ihany, dia manome toky na izany aza fa hoe tsy hanangona fe-potoam-piasàna izany amin'ny fifidianana [18].

Efa fandresena kely sahady ho an'ity hetsika avy amin'ny olom-pirenena vao miandoha ity izany.