- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Fanenjehana Mpanao gazety sy Mpiblaogy maro izay nitatitra mikasika ireo fanondranana andramena tsy ara-dalàna

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, GV Mpisolovava

Ny fikambanana miaro ny fahalalaham-pitenen'ny mpanao gazety manerantany ‘Reporters sans Frontières’ (RSF) no nitatitra fa mpanao gazety efatra sy mpiblaogy iray no atao fanoavana nohon'ny fanalambaraka sy “tsikombakomba amin'ny fampielezana vaovao tsy marim-pototra” [1] [fr]. Ny fitoriana anaovana fanoavana ireto mpanao gazety ireto dia napetraky Atoa Mamy Ravatomanga izay mpanefoefo tompom-pantsona fampahalalam-baovao maro sady efa minisitry ny fampahalalam-baovao taloha rahateo. Ny mpiblaogy Alain Rajaonarivony sy ireo mpanao gazety maro dia nitatitra fa i Mamy Ravatomanga dia voarohirohy amin'ny raharaha fanondranana andramena [2] [fr] izay manambana ny fisian'ny reniala any Madagasikara [3].