- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

#8N: fanoherana faobe tany Arzantina

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika

Ny 8 novambra lasa teo dia nahitana fanoherana faobe vaovao indray nanerana an'i Arzantina, nomena ny anarana hoe 8N, nampitoviana amin'ny daty nanombohan'ny fanoherana. Tambajotra sôsialy marobe no niantso ny vahoaka, ary nandritra ny andro manontolo no nivoaka tamin'ny twitter ny fanehoan-kevitra maro, sary, fanadihadihana, ary sarimihetsika, afaka arahana amin'ny #8NYoVoyPorQue [1] [es](#8N handeha aho satria) ho an'ny mpankasitraka sy ny #8NYoNoVoyPorQue [2] [es](#8N tsy handeha aho satria) ho an'ny mpanohitra ny fanoherana.

Tamin'ny lahatsoratra tany aloha isika no nanadihady [3] ny antony mahatonga ny mponina any Arzantina hanao fanoherana. Ny tranonkala Argantinos Indignados no mamaly ny fanontaniana hoe “nahoana no mihetsika isika?”. Milaza ny antony ny tranonkala :

  • Te dicen en qué divisa tenés que ahorrar; pero convirtieron a la nuestra en apenas papelitos de colores que no son reconocidos en el mundo y que se devalúan diariamente.
  • Liberan asesinos y otros criminales para que asistan a sus actos políticos.
  • La pobreza sigue igual, las villas crecen y se gastan millones en propaganda política como “fútbol para todos”.
  • La libertad de expresión se va convirtiendo de a poco en un recuerdo.
  • Los amigos del poder van monopolizando la información.
  • La Presidente abusa de la Cadena Nacional, cual Estado totalitario
  • Sus aliados de otros países son lo peor que tiene la comunidad internacional. Argentina esta cada día más excluída del mundo.
  • La calle es de los delincuentes, y los terroristas son amigos privilegiados del gobierno.
  • Quien piensa distinto es un enemigo.
  • Sus seguidores tienen un grado de fanatismo capaz de justificar todo, hasta el adoctrinamiento infantil y la corrupción.
  • El nivel de corrupción de sus funcionarios es el más alto que se tenga memoria.
  • Lazainy amintsika ny anaran'ny vola tokony hotehirizintsika; kanefa atakalony taratasy kely miloko tsy manankery na aiza na aiza akory sady mihendanja isan'andro isan'andro.
  • Avoakany avy any am-pigadrana ny mpamono olona sy ny meloka hanohana ny asa ataony eo amin'ny sehatra politika.
  • Tsy misy fiovana ny fahantrana, tsy mitsahatra mitombo koa ny trano aorina ary vola antapitrisany maro no laniana amin'ny fampielezan-kevitra toy ny “baolina kitra ho an'ny rehetra”.
  • Miova ho fahatsiarovana sisa ny fahafahana maneho hevitra.
  • Bahanan'ny olona eo amin'ny fitondrana ny fanomezam-baovao.
  • Manararaotra ny fahitalavi-panjakana ny filoha, ary miteraka fanjakana an'olon-tokana izany.
  • Ny firenena ratsy indrindra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena no mpiara-miombon'antoka amin'ny fanjakana. Manjary adinon'izao tontolo izao isan'andro i Arzantina.
  • An'ny olon-dratsy ny làlana, ary ny mpampihorohoro no namana akaiky ny fanjakana.
  • Izay tsy mitovy hevitra amin'izany dia fahavalo.
  • Afaka manamarina ny zavatra rehetra amin'ny alalan'ny hafanam-po fotsiny ny mpanohana ny fitondrana, eny fa na dia ny fanaovana sain-jaza sy kolikoly aza.
  • Manana ny taha ambony indrindra tsy mbola nisy ohatr'izany ny kolikoly ataon'ny mpiasam-panjakana.

Sary nandritra ny fanoherana niseho tany amin'ny tanàna maro manerana ny firenena. Mitovy amin'ny sary mivoaka ao amin'ny Avda 9 nalefan'i Julio tany Buenos Aires – avy ao amin'ny pejy facebook Yo no voté a la Kretina y Ud? (izaho tsy hifidy vendrana, ary ianareo?) 

 

Ny blaogy Digo Pavadas [4] [es] namoaka ny fanadihadihana mialohan'ny hetsika:

¿De que puede servir mas que para sentar un nuevo precedente de que este gobierno es sordo a lo que no le conviene escuchar? Saldrá en los diarios del mundo, dirán que el gobierno no responde, generará mas desconfianza internacional, etc. Para la hora en que se ha citado el acontecimiento, todos los diputados, senadores y ministros, estarán plácidamente mirando por televisión a la muchedumbre enardecida que “se da el gusto” de protestar (dirán).

Inona no antony hanoherana raha tsy famoronana ohatra hafa indray amin'ny maha marenina ny fanjakana satria tsy te hihaino izy? Miresaka an'izany daholo ny gazety maneran-tany, voalazany fa tsy mamaly ny mpanao fihetsiketsehana izany ny fanjakana, satria miteraka fiahiahiana izany eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena…Tamin'ny ora niantsoana ny olona hanao fanoherana dia mijery ireo olona tezitra “faly” manohitra (araka ny filazany) ao amin'ny fahitalavitra ireo depiote sy senatera ary ministra.

Nazavainy koa avy eo ny antony nanaovana fanoherana:

Nuestro país es muy presidencialista, por eso todos creen que la culpa de como nos va es de quien sea el presidente, pero en realidad, la culpa es de los cómplices representantes del pueblo que se dejan manipular por el poder ejecutivo. Por eso insisto, es a ellos a los que hay que reclamar que hagan su trabajo y que escuchen a las personas que los votaron.

Tena matoky ny filoham-pirenena loatra ny vahoakantsika, ary izany no antony hinoan'ny olona fa tompon'andraikitra amin'ny zavatra tsy mety rehetra ny filoha, kanefa raha ny tena marina dia an'ireo olona nofidian'ny vahoaka fa miray tsikombakomba amin'ny fitondrana mpanatanteraka ny fahadisoana. Izany indrindra no antony hamerenako indray fa tsy maintsy takiana amin'izy ireo ny fanatanterahany tsara ny asany sy ny fihainoany ny vahoaka nifidy azy.

Avoakan'ny olona ao amin'ny twitter #8NYoVoyPorQue [1] [es] ireo antony mahatonga ny fanoherana. Daniel Ferrero (@Turis2364 [5]) [es], ohatra, nanoratra:

 @Turis2364 [6]: #8NYoVoyPorque [7] se respete a la justicia “#8N [8]

@Turis2364 [6]: #8NYoVoyPorque [7] tsy maintsy hajaina ny fahamarinana #8N [8]

Martín Rodriguez (@jabberwocky_MR [9]) [es] milaza fa tiany i Arzantina ary leo mpanao politika izy. Toy izany koa, Jose Marchmar (@josemachmar96 [10]) [es] nanoratra fa iriany ny hahatonga an'i Arzantina ho firenena hanjakan'ny fahafahana maneho hevitra sy manaja ny lalàmpanorenana.

Image inviting citizens to protest, from the webpage http://argentinosindignados.com [11]

Sary miantso ny vahoaka hanohitra, ao amin'ny tranonkala http://argentinosindignados.com [11]

Ao koa ny olona sasany milaza ny heviny ny amin'ny tsy handraisan'izy ireo anjara amin'ny fihetsiketsehana ao amin'ny #8NYoNoVoyPorQue [2][es]. Cristian Hendriksen (@CrisHendriks [12]) [es] mizara ny heviny:

@CrisHendriks [13]: #8NYoNoVoyPorque [14] se están produciendo cambios históricos sobre igualdad e inclusión en mi país y quiero que se profundicen! #VivaArgentina [15]

@CrisHendriks [13]: #8NYoNoVoyPorque [14] Fanovana manan-tantara mahakasika ny fitoviana sy ny fandraisana andraikitra no miseho eto amin'ny firenena ary tiako ny hahamatotra izany! #VivaArgentina [15]

Mitovy amin'ireo mpampiasa twitter hafa koa, Ivana (@ivistub [16]) [es] manoratra fa tsy handray anjara amin'ny fihetsiketsehana izy satria “raha te hanova ny firenena ianao dia tokony handeha hifidy fa tsy himonomonona”.

Araka ny voalazan'ny mpanome vaovao Telam [17] [es], mpanao politika maro avy amin'ny mpanohitra no nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana:

A diferencia de la marcha concretada el 13 de Septiembre, donde los organizadores se presentaban como independientes de cualquier agrupación política, la realidad señala que ahora los caceroleros ya no podrán despegarse del intento opositor que busca capitalizar esa movilización.

Ny tsy nitovizana tamin'ny fihetsiketsehana tamin'ny 13 septambra lasa teo, izay nilazan'ny mpikarakara fa mahaleo tena ny hetsika fa tsy misy ifandraisany amin'ny mpanao politika, dia niseho ny marina fa tsy afaka manilika ireo mpanao politika mpanohitra manararaotra ny fanoherana goavana tahaka izao ireo mpanao fihetsiketsehana mitondra vilany ireo .

Ny pejy facebook “I didn't vote for the Kretin and you?” [18][es] (tsy hifidy vendrana aho, ary ianao?), anankiray amin'ireo mpikarakara ny fihetsiketsehana, namoaka fampitandremana:

Gente, importante:
Estoy leyendo en algunos grupos que quieren pedir que la Presidente renuncie en el acto……
NO SE ENGANCHEN
No pedimos la renuncia de nadie!
Pedimos que hagan las cosas bien!!!!!!!
Por favor, no demos letra a idiotas que nunca faltan!

Ry vahoaka, zava-dehibe:

Novakiako fa mangataka ny fialan'ny filoham-pirenena tsy misy hatak'andro ny antoko sasany… AZA MINO AN'IZANY!

Tsy mangataka ny fametraham-pialan'iza na iza isika!

Ny hangatahantsika dia ny hanaovan'izy ireo ny tsara!

Miangavy aho, aoka isika tsy hihaino ny feon'ny olona adala, satria fahita foana izany!

Nitangorona saika manerana ny firenena ny olona maro, manerana ny tanàna rehetra, anisan'ireny i Mendoza, Cordoba, Santa Fe, Rosario, Salta, sy Tucuman. Ny tena nisian'ny fihetsiketsehana goavana indrindra dia ny tao Buenos Aires sy Oblisque ary tany amin'ny tanàna sy faritra rehetra tany amin'ny faritany.

Nanao fihetsiketsehana koa ireo mponina ivelan'ny fireneny, araka ny Infobae, izay namoaka sary nalefan'ireo mpanao fihetsiketsehana:

Los cacerolazos se iniciaron en Sidney y se extendieron por VienaGinebraBerlín,RomaMilánParísBarcelonaMadrid y Londres. El común denominador de quienes fueron y de quienes se expresaron en Twitter es el rechazo a ciertas políticas del Gobierno.

Nanomboka tany Sidney ny fampisehoana niaraka tamin'ny vilany, avy eo niitatra tany Vienne, Genève, Berlin, Rome, Milan, Barcelona ary Londres. Mangataka ny fanovana ny politikan'ny fanjakana sasantsasany ireo mpanao fihetsiketsehana ary maneho ny heviny ao amin'ny twitter.