- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Teknolojia Iray, Fahalalahana Samihafa: Ny Fomba Ahafahan'ny Lalàna Mikasika Ny Copyright Ao Etazonia Mametra Ny Fampiasàna Ireo Fitaovana Mandehandeha

Sokajy: Etazonia, Fizakàna ara-tsaina, Mediam-bahoaka, Solovava

Raha ny fomba fijerin'ny mpampiasa dia tsy misy fahasamihafana mivaingana eo amin'ny smartphone sy ny tablette. Samy solosaina mandehandeha manana fàfana azo kitihana ireo fitaovana roa ireo, ary raha mety hanana rindrambaiko voatokana ho azy ny smartphone, tsy tafiditra ao anatiny tanteraka ny fahafahana miantso na miditra anatin'ny tambajotranà finday. Na izany aza, noho ny lalànan'ny Copyright ao Etazonia dia tsy ny haben'ny fàfana ihany no tsy itovizan'ny iPhone iray sy ny iPad iray, fa ny fahalalàhana hametraka rindrambaiko tsy misy fiarovana ihany koa.

[1]

Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Pete Prodoehl CC BY-NC-SA 2.0)t

Ny lalàna Digital Millenium Copyright Act (DMCA), lany tamin'ny 1998, dia nandrara [2] ny fialàna amin'ireo teknolojia natao hiaro ny zon'ny mpamorona. Noho ny mety hisorohan'ireo fitaovana dizitaly ireo ny fampiharan-dalàna, tahaka ny famindrnna hira avy ao anaty CD mankao amin'ny solosainao, nomen'ny DMCA baiko ny birao misahana ny zon'ny mpamorona /Copyright ao Etazonia mba hijery ny fanalalahana io lalàna io isaky ny telo taona.

Tamin'ny 2010, taona farany namoahana io fanalalahàna io, nilaza (PDF) [3] ny biraon'ny Copyright ao Etazonia fa ny fametrahana rindraibaiko izay tianao ao anaty findainao dia isan'ireo fahazoan-dàlana tsy iharan'ny DMCA. Lasa ara-dalàna ny fampiasàna Jailbreak sy ny fidinana any amin'ny loharano, ny fanovàna ny rindrambaikon'ireo iOS sy ireo fitaovana Android, hanovàna ny rafitra miasa, hamafàna ireo rindrambaiko tsy ilaina, na hametrahana rindrambaiko izay mety tsy hita ao anatin'ireo rakitranà rindrambaiko voafantina.

Tamin'ny Oktobra lasa teo dia namoaka ny fanapahan-kevitra farany (PDF) [4] ny Biraon'ny Copyright ao Etazonia mikasika ity fampanarahan-dalàna mandritra ny telo taona ity, izay manitatra ny fahazoan-dàlana hampiasa ny jailbreaking sy ny fidinana any amin'ny loharano ho an'ireo smartphones fa kosa tsy manitatra [5] izany fahafahana izany ho an'ireo mpampiasa tablette. Vokatr'izany, manome fahalalahana tena samihafa ny fitaovana roa mitovitovy manana processeur mitovy, rindrambaiko miasa, sy rakitranà rindrambaiko voafantina.

Ilay didy dia nanafoana ihany koa ilay fahalalahana hisoroka ireo hidy dizitaly ho fanalàna hidy ny finday iray. Any Etazonia dia matetika mivarotra finday izay voafetra hifandraisana aminà tambajotra finday ireo orinasa mpanome izany. Misakana ireo mpampiasa tsy hitondràny ny findain'izy ireo ho any aminà orinasa iray hafa na ihany koa mampiasa karatra SIM iray hafa rehefa mivahiny any ivelany. Tamin'ny 2006 dia nanome fahazoan-dàlana [6] mamela ireo mpampiasa hanala hidy ny findainy manokana ny Biraon'ny Copyright, fahazoan-dàlana izay nitatra hatramin'ny 2010. Nanafoana izany fahazoan-dàlana izany ny lalàna farany nataon'ny fitondrana ary manomboka ny Janoary 2013 dia raisina ho mandika ny copyright ireo mpampiasa raha manala hidy ny smartphone-ny tsy nahazo alàlana avy amin'ny orinasa nividianany izany.

Na dia ireo mpampiasa avy ao Etazonia aza no voalohany voakasik'izany lalàn'ny DCMA izany, efa nanosika ireo firenena hafa hatrany i Etazonia mba  hampihatra ireo famerana manohitra ireo fandinganana ny fiarovana ny copyright, isan'izany ny fifanekem-barotra tahaka ny Fifanarahana Tsy hanao Dika Mitovy [7], izay nolavin'ny [8] Parlemanta Eoropeana nefa lany kosa [9]tany Japana vao haingana. Misy fiteny sahala amin'izay ihany koa natsofoka tao anatin'ny Fiaraha-miasan'ny Trans-Pacifique [10] (PDF [7]).

Raha avondrona ireo ezaka ireo dia fampahatsiahivana tampoka ny fomba ahafahan'ireo fiarovana ny copyright mitatra hatrany amin'ny media sy mangeja ireo zo fototra amin'ny fanarahamaso ireo fitaovana vidiantsika sy ampiasaintsika.