Repoblika Dominikana : Mpianatra Iray Namoy ny Ainy Nandritra Ny Fihetsiketsehana

Hetsika samihafa ho fanoherana ny volavolan-dalàna no nokarakaraina [es] Tamin'ny fandrenesana ny fanitsiana ny hetra napetraka tao amin'ny Kongresy Nasionaly, izay niteraka tsy fahafaliana goavana teo amin'ny fiarahamonim-pirenena. Natomboka tamin'ny 4 Oktobra ny hetsika , tamin'ny fotoana nambarana ny volavolan-dalàna. Na dia izany aza niha-nahazo hery ny fihetsiketsehan'ny olom-pirenena nanomboka ny talata 6 novambra izay tsy mitsahatra ny mahazo olona hatrany.

Ny Alakamisy 8 Novambra, ny Oniversite Mizaka tena Domingo, oniversitem-panjakana tokana ao amin'ny firenena, no sehatry ny iray tamin'ireo fihetsiketseha-panoherana ny governemanta. Saingy araka ny mahazatra—ary na dia eo aza ny fitsipika samihafa mandràra izany—nifandona tamina vondrona polisy mitam-piadina ny mpianatra, izay nahatonga ny fahafatesan'i William Florián Ramírez, 21 taona  [es], mpianatra mpitsabo taona fahatelo, tratran'ny bala teo amin'ny tratrany.

El estudiante asesinado, Willy Florian, siendo llevado por encapuchados fuera de la zona de disturbios.

Ilay mpianatra nisy namono, Willy Florián, noentina nanalavitra ny korontana ataon'ireo olona misaron-tava izy. Niparitaka be tamin'ny aterineto ity sary ity.

Fotoana fohy taty aoriana, nameno ny tambajotra sosialy sy ny onjam-peo piraty ny fahatezerana. Lehiben'ny fiarahamonim-pirenena Elizabeth Mateo, fanta-daza amin'ny maha-mpitari-tolona azy hamindrana ny 4%n'ny harin-karena faobe (PIB) ho any amin'ny fampianarana, namoaka ity manaraka ity tao amin'ny Twitter:

@ElizabethMateo: Condeno la muerte del estudiante de la UASD. Exijo justicia.

@ElizabethMateo: Manameloka ny famonoana ilay mpianatra ao amin'ny UASD aho. Mitaky ny fitsarana aho.

Tahaka izany, hoy ilay mpanao famorotorana, mpanoro hevitra sy mpanadihady Olaya Dotel nanambara:

Young man calls for civil mobilization.

Niantso ho amin'ny fanentanana ny olom-pirenena ny tanora lehilahy. Nalaina tao amin'ny pejin'ny Ivon-toerana Bonó.

@OlayaDotel: Los corruptos que hoy controlan el Estado no valen una gota de sangre de nuestros jóvenes… Ni uno más!!!

@OlayaDotel: Tsy mendrika na dia ny rà indray mitete an'ny tanorantsika aza ireo olona mpanao kolikoly ireo…tsy mila intsony!!!

Niparitaka lavitra ny adihevitra ka i René, mpihira ao amin'ny tarika Poerto Rikana malaza Calle 13, naneho hevitra mikasika ny zava-nitranga:

@Calle13Oficial: El mundo está mirando a República Dominicana esperando que se haga justicia por el asesinato del joven estudiante de medicina Willy Warden!

@Calle13Oficial: Aty amin'ny Repoblikan’ Dominikana ny mason'izao tontolo izao, manantena fa hiseho ny marina mikasika ny fahafatesan'ilay tanora mpianatra mpitsabo Willy Warden!

Niseho izany zava-doza rehetra izany raha hita fa, nandritra ny fihemoran'ny fiharian-karena sy ny fiakaran'ny vidin'entana izay hatrehin'ny firenena ankehitriny,

Young people hold up signs outside the National Congress, in protest against the Fiscal Reform.

Milanja sorabaventy ao ivelan'ny Kongresy Nasionaly ny tanora, ho fanoherana ny Fanitsiana ny hetra. Nahazoan-dalana ny famoahana ny sary tao amin'ny pejin'i Bonó.

Nakarin'ny minisitry ny Fampianarana, Josefina Pimentel  62% [es], RD$185,000.00 niakatra ho RD$300,000.00 isam-bolana, mitovy ny USD $7,500.00 ny karamany manokana.

Ny fitambaran'izany sy ny fisian'ny olana hafa sasany, izay tsy mahakivy ny mpanao fihetsiketsehana, no nanaovao ny saina revolisionerana anatin'izy ireo. Vondron'olona manodidina ny 100 teo, anisan'izany ny olo-malaza avy amin'ny fampahalalam-baovao, no tonga nitangorona teo anoloan'ny tranoben'ny Fondation Global ho an'ny Demokrasia sy ny Fampandrosoana [es] (FUNGLODE), ivon-toerana napetraky ny filoha teo aloha Leonel Fernández Reyna, izay fantatra fa tompon'andraikitra tamin'ny fahapotehan'ny firenena nandritra ny valo taona nitondrany  (jereo eto ny lahatsary) [es].

Nametraka labozia teny amin'ny arabe ny mpanao fihetsiketsehana ary nihirahira fanamelohana tamin'ny feo miray, izay vokatry ny fon'izy ireo. Twitter no fitaovana nitateram-baovao betsaka mikasika ny hetsika, tamin'ny alalan'ny fampiasana miaraka ny tenifototra #FrenteaFunglode. Mpitati-baovao Maribel Hernández nizara ity tao amin'ny kaonty Twitter-ny:

@MaribelNexos: Policía Nacional una banda criminal, vocifera la masa #FrenteaFunglode.

@MaribelNexos: Polisim-pirenena, jiolahim-boto mpamono olona, nitifitra ny vahoaka #FrenteaFunglode.

@MaribelNexos: La masa grita La Fundación Global verguenza nacional.  #FrenteaFunglode #FrenteaFunglode

@MaribelNexos: Nohorakorahan'ny vahoaka ny Fondation Global, henatry ny firenena. #FrenteaFunglode #FrenteaFunglode

Tsy mijanona eo anefa ny hetsika. Fikambanan'olom-pirenena sy olo-tsotra no nameno ny aterineto tamin'ny fampisehoana zava-baovao, tamin'ny alalan'ny dokambarotra marobe sy sary manohitra ny mpiara-dia amin'ny  governemanta sy ny fitantanana ankehitriny, tahaka ireto naseho eto ambany ireto. Tao anatin'izany ihany, fanentanana isan-karazany amin'ny ambaratonga rehetra no nokarakaraina tamin'ny Zoma 9 Novambra, toy izany ihany koa isaky ny faran'ny herinandro. Avelako ianao amin'ireto sombin'ny antso ho amin'ny fihetsiketsehana sy sombiny haisary  manasongadina ny hetsika.

 http://youtu.be/S6IskZCANfI

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.