- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Hevitry Ny Rosiana Manoloana Ny Fahalanian'i Obama Ho Filoham-pirenena Indray

Sokajy: Amerika Avaratra, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Etazonia, Rosia, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Akon'ny RuNet

Nifarana ihany ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana, hiatrika fe-potoam-piasana faharoa amin'ny maha-filohan'i Etazonia azy i Barack Obama. Hatramin'ny fampielezan-keviny voalohany tamin'ny taona 2008, ilay profesora demokraty ao Stanford no mpanolotsaina voalohany an'i Obama mikasika ny politika Amerikana-Rosiana izay lasa [1] ambasadaoro Amerikana any Rosia tamin'ny fiandohan'ity taona ity.

Niara-nametraka ny fifandraisana indray amin'ny Federasiona Rosiana i Obama sy McFaul. Ny zava-niseho faraparany no nahafahan'ireo mpanara-baovao nilaza fa tsy nahomby ilay fanatonana nataon'i Obama. Fotoan-tsarotra roa no mahatonga ny tsikera hilaza izany, anisany ny fandrisihana fanakatonana nataon'i Kremlin tamin'ny biraon'ny USAID ao Moskoa, sy ny fanambaran'i Vladimir Putin fa nandrisika ny hetsi-panoherana ny fifidianana antenimiera Rosiana sy filoham-pirenena rosiana tamin'ny ririnina farany teo i Etazonia.

Vilhelm Konnander, filohan'ny Fikambanana Soedoà ho amin'ny Fampianarana ao Rosia, Eoropa Afovoany sy Atsinanana, ary Azia Afovoany, sady mpanoratra ao amin'ny Global Voices [2], nilaza momba ny tsy fahresen-dahatra tamin'ny fanombohan'ny fifandraisana tao amin'ny Facebook:

[Manontany aho] inona ny dikan'ny fahalanian'i Obama ho filoham-pirenena eo amin'ny fifandraisan'i Etazonia-Rosiana taorian'ny tsy fahombiazan'ny politikam-pamelomana indray.

Tamin'ny fanehoan-keviny [3] [ru] momba ny fandresen'i Obama, naneho ny fisentoany ny Praiminisitra Dmitri Medvedev fa tsy nifidy ny kandidà (Romney) ny Amerikana, Romney izay nisisika namariparitra an'i Rosia ho toy ny “fahavalo ara-jeografia-politika voalohany an'i Amerika [4].”

[5]

Filoha Obama  nihaona tamin'ny filoha Medvedev nandritra ny Forum Fandraharahana tamin'ny 6 Jolay 2009, Sary avy amin'ny Trano Fotsy, sary misokatra ho an'ny rehetra.

Tamin'ny fiteny somary mandokondoko no nanehoan'ireo mpisera Twitter Rosiana ny heviny manokana momba ny fahalanian'i Obama ho filoham-pirenena indray. Indreto sombiny amin'izany, adihevitra mafana:

Shiitman: [6]

А тут есть люди, которые расстраиваются, что ромни не победил?

Misy olona talanjona ve eto fa tsy naharesy i Romney?

Smirnov: [7]

я

Izaho.

Falanster [8]

почему??

Nahoana??

Smirnov: [9]

много раз объяснял же. Обама это предельно мягкий курс. Нахуй он такой нужен нам в России

Efa nohazavaiko imbetsaka. Olona manana politika mahalala oniny tanteraka i Obama. Isika eto Rosia tsy mila lehilahy v— tahaka izany..

Falanster [10]:

ну он же как бы умеренный соцдем, а ромни пиздец, а рашке оба как жук лапкой потрогал

Eny, demokraty-sosialista mahalala oniny i [Obama] , Romney kosa lohan’—, kanefa koa tsy misy mahataitra an'i Rasha [sic] hanetsiektsehana [tehina] izany.

Smirnov: [11]

[…] сравните администрацию Буша-мл и Обамы по отношению к Москве. ОДНО И ТОЖЕ??

[…] raha ampitahaina ny fitondran'i George W. Bush sy Barack Obama amin'ny fifandraisana amin'i Moskoa. Mitovy ve??

Kulturtrager: [12]

При Обаме похуизм под видом “перезагрузки”

Tamin'ny fitondran'i Obama, ny “tsy [nanompana]” tao ambanin'ny “reset” (famelomana indray)

Tamina fanehoan-kevitra hafa, nifantoka bebe kokoa ny amin'ny fe-potoam-piasan'i Obama fanindroany sy ny dikan'izany amin'ny hoavin'i Etazonia ny mpiserasera. Oleg Kozyrev niampanga [13] [ru] ny fizotry ny fifidianana Amerikana, indrindra ny Mpifidy lehibe [14], izay nolazainy fa tsy demokratika. Alexander Kireev nilaza momba ny valin'ny fanadihadiana (sondage) mba hiresahana [15] [ru] ny fifanilihana ara-poko teo amin'ny fihetsik'ireo mpifidy Amerikana.

Eo amin'ny lafin-javatra somary maivana kosa, nibilaogy [16] ilay mpanao politika ankavanana Vladimir Zhirinovsky fa tsy midika fientanam-po na fankasitrahan'ny Amerikana ny fitantanan'i Obama ny nahavoafidy azy tamin'ny Talata, fa mariky ny fiandohan'ny fiaingàna miadana ao Amerika manoloana ny tsy fahafahana miroso (stagnation) sy ny fitokana-monina:

Победа нынешнего президента США обусловлена не большими ожиданиями от продолжения деятельности президента, а обычным нежеланием американцев менять устоявшиеся порядки. Они консервативны, как и все избиратели. Все боятся: а вдруг новый что-то такое начнет?

[…]

Что сейчас будет делать Барак Обама? Ничего. У него третьего срока нет – ему хочется поцарствовать 4 года, он будет кататься по заграницам, внутренние вопросы ему не решить, их вообще никому нигде нельзя решить, это надо героическое что-то произвести. Поэтому Америка сама себя обрекает на застой.

Tsy noho ny fanantenana lehibe amin'ny fanohizan'ny filoha ny asany no anton'ny fandresen'ny filohan'i Etazonia ankehitriny, fa noho ny fisalasalan'ny Amerikana hanova ny lamina efa mipetraka. mpandala ny mahazatra avokoa izy ireo, tahaka ireo mpifidy rehetra. Matahotra ny tsirairay: inona no atomboky ny zava-baovao tampoka?

[…]

Inona izao no hataon'i Barack Obama? Tsy misy. Tsy hahazo fe-potoa-piasana fanintelony intsony izy — te-hitondra ny firenena amin'ny efa-taona [hafa] indray izy, hivezivezy hitety firenena any ivelany izy, tsy hamaha ny olana ao amin'ny firenena mihitsy izy — olana izay tsy hain'iza na iza vahana, manao karazan-javatra mampihetsi-po. Noho ireo antony ireo, manozo-tena tsy ho afa-mandroso i Amerika.