- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sary Feno Herisetra Aseho Ilazàna Fa Ilaina ny Lalàna Miaro ny Ankizy

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fanabeazana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tanora

Nanjary nalaza tamin'ny aterineto avy hatrany ilay sary mampiseho vehivavy mpampianatra zaza madinika, izay sady mitsiky no manainga ilay ankizy amin'ny sofiny izay midradradra mitomany mafy, taorian'ny fandraketana ny sary tamin'ny aterineto tamin'ny 24 Oktobra 2012. Fantatra avy eo fa mpampianatra tsy manana fahazoan-dalana i Yan Yanhong, nilaza tamin'ny mpanao gazety izy fa “vazivazy” fotsiny ny fihetsiny tamin'ilay ankizy ary tsy nampoiziny mihitsy fa hiafara toy izao amin'ny aterineto izany.

Mpiserasera tezitra “human flesh searched (mitady olona nofo [aman-drà])” [1] mitady vaovao manokana momba an'i Yan, anisan'izany ny adiresiny, ny nomerao finday sy ny kaontiny amin'ny tambajotra sosialy. Nahita sary 700 misy ireo ankizy kely mpianatra amin'ny sekolin-jaza madinika tao amin'ny bilaogin'i Yan izy ireo, maro tamin'ny sary no niteraka fahatezerana teo amin'ny mpiserasera, tahaka an'i Yan manampina ny vavan'ilay ankizy kely amin'ny plastika (ruban adhésif) ary manipy ilay zaza ao anaty fanariam-pako. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy sinoa ary nisambotra an'i Yan izay voampanga [2] [zh] ho “manohintohina ny filaminam-bahoaka».

[3]

Sarin'ilay mpampianatra zaza madinika mampijaly ity ankizy lahy kely ity, nalaza tamin'ny aterineto ny sary. Sary misokatra ho an'ny daholobe

Mampiseho ny zavatra kely hita maso ireo sary malaza, izay mikasika ny fampijaliana atao amin'ireo ankizy kely ao Shin. Isam-bolana, mahita loza momba ny fampijaliana ankizy foana ny olona izay taterin'ny fampahalalam-baovao mahazatra, ohatra amin'izany, mpiambina mpianatra zaza-madinika, 61 taona tao amin'ny faritany Guangdong no nosamborina tamin'ny 30 Oktobra, noho ny herisetra nataony tamin'ankizy vavy kely roa taona tao amin'ny sekolin-jaza madinika [4].

Tamin'ny 15 Oktobra 15, vehivavy mpampianatra tao amin'ny faritany Shangxi no tratra namelaka tehamaina imbetsaka tamin'ilay ankizy kely [5] tao an-dakilasy satria tsy nahay nanao kajy 10 ampiana 1 ilay zazakely.

Maro tamin'ireo ray aman-dreny no naneho ny ahiahiny tao amin'ny bilaogy madinika [zh] noho ny famelana ireo mpampianatra hampianatra ny zanany :

@SALSA莎莎 大家网友人肉这个没有人性的女人、如果我们的孩子在学校这样受虐待,我情愿我孩子不去这样的学校读书。这样对孩子心里会有阴影的、支持的顶吧!

@SALSA shasha [6] Mitady ity vehivavy lozabe ity avokoa ny mpiserasera rehetra, olona nofo aman-dra. Raha hampijaliana tahaka izao any an-tsekoly ny zanantsika, aleoko tsy mandefa ny zanako hianatra any an-tsekoly tahaka izao. Mifantsika ao am-pon'ny ankizy izao ary mandratra ny fon'izy ireo avy eo. Ho an'ireo izay manaiky, tohany aho. [Nahazo fanohanana 9.105 izy nandritra ny fotoana nandikàna ny lahatsoratra].

Mpilalao sarimihetsika malaza Tengyuan Liu, izay ray aman-dreny ihany koa, niantso ny fiarahamonina mba hiara-hisalahy ary hanakana ny loza tahaka izao tsy hiverina intsony:

@演员刘腾远 身为一个父亲,如果这类事情发生在我女儿的身上,我会毫不犹豫的踹上几脚!!!让你们也体会一下孩子当时的心情是有多恐惧!由此我呼吁社会各界人士都能积极的行动起来,坚决抵制此类事件的再次发生!

@Actor Liu Tengyuan [7] raha mitranga amin'ny zanako vavy ny loza tahaka izao, amin'ny maha raim-pianakaviana ahy, homeko totohondry tsy ampisalasalana ireo mpampianatra. Ataovy izay ahatahoran'izy ireo ny zanatsika tamin'izany. Inoako fa hanambatra ny hery ny olona amin'ny sehatra rehetra mba hanohitra ny fampijaliana ny ankizy.

Mpiserasera marobe nanomboka niresaka momba ny antony mahatonga izao fampijaliana ankizy izao.

Tsy misy ny lalàm-piarovana ny ankizy

@ 瑟以 教师虐童事件的发生,从微观上来说是教师爱的缺失和幼儿园的监管不力;从宏观上来说,是我国法制的不健全和执法部门的监管不力……

@Se Yi [8] Amin'ny fijerin'ny tsirairay, noho ny tsy fisian'ny fitiavana sy ny fikolokoloana avy amin'ny mpampianatra ary ny tsy fisian'ny fandaminana ara-pitsipi-pehezana ao an-tsekoly no mahatonga ny fampijaliana ankizy any an-tsekoly, amin'ny fijery lavitra kosa, dia noho ny tsy fahatomombanan'ny lalàna sy ny tsy fisian'ny fandaminana ny fampiharana ny lalàna no anton'izany.

Eny, ao Shina, tsy misy ny lalàna manankery mikasika ny fiarovana ny ankizy amin'ny fampijaliana, izany no mahatonga ny polisy niampanga an'i Yan ho “manohintohina ny filaminam-bahoaka” ihany. Ankoatra ny tsy fisian'ny lalàn'ny fiarovana, nanipika momba ny tsy fisian'ny mpampianatra zaza-madinika mahay sy manana traikefa ihany koa ny mpiserasera.

@布呀么布丁丁:很多幼儿园老师都不是正式编制,在一些小地方因为工资低门槛低,也会有相当一部分是跟教育完全无关的人去当幼师,这个是虐童案多发的主要原因。

@Pundit [9]:Tsy mba manana fanomanana ofisialy ny maro amin'ireo mpampianatra zaza-madinika. Amin'ireo faritany sy tanàna madinika, noho ny fomba ambany fandraisana mpampianatra sy ny karama ambany, ireo izay tsy mba manana traikefa amin'ny fampianarana no raisina sy lasa mpampianatra zaza-madinika, izay hita fa antony lehibe mahatonga ny fampijaliana ankizy matetika.

Araka ny tati-baovao [10] [zh] vao haingana tao an-toerana, 60% amin'ireo mpampianatra zaza-madinika no tsy manana mari-pahaizana amin'ny maha-mpampianatra. Nandritra izay taona visy lasa izay, niha-betsaka ny sekolin-jaza-madinika tsy miankina niforona kanefa tsy maharaka ny fitadiavana mpampianatra zaza-madinika manana traikefa amin'izany. Noho ny karama ambany sy ny tsy fisian'ny tombotsoa ho famporisihana manokana, matetika tsy mahavita misarika ireo mpampianatra zaza-madinika manana traikefa ho an'ny taranaka any aoriana ny sekolin-jaza madinika, indrindra ny tsy miankina.

Niaiky ny mpiserasera marobe fa nampijaliana koa izy ireo raha nitodika tamin'ny taom-pianarana taloha.

@三尺一阳光:又是冰山一角。建议幼儿园孩子,小学生的家长问问自己的孩子有没有被虐待的经历。我还记得小学时因为调皮经常被一个男老师打,还有各种人身攻击。那时候小,都没跟家长说。

@Three feet of Sun [11]: Ny kely hita maso. Manoro hevitra aho mba hanontany ny zanany ireo ray aman-dreny manana mpianatra eny amin'ny sekolin-jaza madinika  sy mpianatra eny amin'ny sekoly fanabeazana fototra raha efa nisy nampijaly izy ireo. Mbola tsaroako foana fa niharan'ny fampijaliana manokana aho ary novonoin'ilay mpampianatra lehilahy tamin'izaho nianatra tany an-tsekoly fanabeazana fototra. Kanefa tsy niteny tamin'ny ray aman-dreniko aho. Mbola kely aho ary tsy dia fantatro loatra ny mikasika ny fampijaliana.

Araka ny famotorana tamin'ny aterineto [12] izay notontosain'ny Sina Weibo mikasika ny tranga herisetra mihatra amin'ny ankizy, olona 5.043 no natao fanadihadiana ary nilaza fa efa samy nahazo kapoka sy vono tamin'ny mpampianatra avokoa izy ireo tany an-tsekoly raha toa kosa ka olona 1.926 no nilaza fa tsy niharan'izany.