- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Gresy: Mpanao Gazetin'ny Fahitalavi-Bahoaka Voaroaka Taorian'ny Fanakianan'izy ireo Minisitra

Sokajy: Eoropa Andrefana, Gresy, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Noroahin'ny Fahitalavi-panjakana Grika (ERT) ny mpanao gazety anakiroa [1], i Kostas Arvanitis sy i Marilena Katsimi, tamin'ny 29 Oktobra 2012, taorian'ny nandalinany ny tsikeran'ny gazety Britanika The Guardian [2] mikasika ny herisetra nataon'ny polisy Grika tamin'ny mpanao fihetsiketsehana anti-fasista tany Atena, ary nanakianan'izy ireo ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka Grika.

*Ireto [3] ny tsonga avy amin'ny vaovao marainan'ny fahitalavitra nataon'izy ireo :

Nanazava ny antony nanalana azy i Kostas Arvanitis ao amin'ny bilaoginy [4] [el]:

M. Katsimi: Ireto avy ireo zavatra ara-dalàna hita mikasika ny famonjàna olona 15 izay nosoratan'ny The Guardian. Eto amin'ity tranga iray ity, [Minisitry ny Filaminam-bahoaka] te-hitory ny The Guardian i Atoa Dendias.
Mr. Arvanitis: Nitory ve izy?
M. Katsimi: Tsia, satria nasehon'ny zavatra hita fa ilaina tamin'ny famonoan'olona izany.
Mr. Arvanitis: Hiala ve izy izao?
M. Katsimi: Tsy hinoako loatra. […]
Mr. Arvanitis: Dia ahoana izany izao? Hiala tsiny ve izy?
M. Katsimi: Tsy fantatro ….
Mr. Arvanitis: Ie… sarotra hoan’ Atoa Dendias izany. Ary avy eo amin'ny toerana sahala amin'ny anao koa izy, avy any Corfu.
M. Katsimi: Ary olona matotra izy, ilaina tenenina ihany koa izany.

Minitra vitsy taty aoriana, nobitsihany [5] [el] ny vaovao mikasika ny fanalana azy:

@karvanitis [6]: τελικά μας έκοψε ο κος Λιάτσος http://kostasarvanitis.blogspot.gr/2012/10/blog-post_29.html … [7]

@karvanitis [6]: Raha dinihina, noesorin'i Atoa Liatsos izahay… http://kostasarvanitis.blogspot.gr/2012/10/blog-post_29.html [7]

Ilaina ny milaza eto fa tsy niantso ireo mpanao gazety roa ireo haka ny vaovao tamin'ny voalohany ny Direktera izao voatondro vao haingana tao amin'ny ERT, Aimilios Liatsos; etsy andanin'izany, tamin'ny Lehiben'ny Tonia no nahalalan'izy ireo fa voaroaka izy ireo, izay nolazain'i Marilena Katsimi tamin'ny vaovaon'ny tranonkala Zappit.gr [8] [el].

Eo amin'ny fanambarana ampahibemaso [9] [el], nohampangain'i Aimilios Liatsos i Atoa. Arvanitis sy Rtoakely. Katsimi ho mandika ny Lalàna Etikan'ny asa fanaovan-gazety ary narovany ny fandroahana azy ireo:

Manaja tanteraka ny lalàn'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny filakenvi-pitantanana ao amin'ny ERT; voaporofo izany amin'ny fomba fiasa andavanandro rehetra amin'ny fanehoana ny fomba fijery rehetra. Na izany aza, tsy afaka mandefitra amin'ny fanitsahana ny fototry ny fampiasana ny etikan'ny fanaovan-gazety izany.

Nanao filazana an-kolaka manohitra ny Ministry ny Filaminam-bahoaka, Nikos Dendias, ireo mpanolo-baovao isan'andron'ny Maraim-baovao eo amin'ny NET, Atoa. Kostas Arvanitis sy Rtoa. Marilena Katsimi, nefa tsy nanome ity minisitra ity ny zony haneho hevitra, nefa izy ireo mitsikera ilay tranga, manimba ny vokatry ny mety ho fanapahan-kevitra ara-dalàna.

Nolazain'i Atoa. Dendias tamin'ny parlemanta ny fikasàny hitory ny gazety The Guardian, araka ny bitsik’ [10] i Dimitris Bounias, mpampiasa Twitter :

@DimitrisBounias: [11]Mitatitra ny haino aman-jery Grika #Dendias [12] ao amin'ny parlemanta: “Hitory ny The Guardian aho ho fanasoavana ny firenena Grika noho ny fanalam-baraka ny demokrasiantsika”.

Nitatitra [13] [el] ny tranonkala TVXS (TV tsy voasakan-tsisintany) fa lasa resaka ara-politika ny fandroahana ireo mpanao gazety satria nanomboka nanisy sira ny fifandrohitana teo amin'ny governemanta izany.

Fihetseham-pon'ny tambajotra an-tserasera

Maro ireo mpampiasa eo amin'ny Facebook no maneho ny fanohanany ireo mpanao gazety roa ireo amin'ny alalan'ny fanehoana ny fahitalavitry ny Facebook page [14]:

Margarita Zontou [15]: Και οι μάσκες πέφτουν…

Dia nianjera ny saron-tava…

Kosmas Tseligaridis: [16] Ντροπή και αίσχος στους αυλοκόλακες της κρατικής τηλεόρασης. Η λογοκρισία δε θα περάσει.

Henatra sy fahafaham-baràka ho an'ny “mpandoka ny mpankafy” ny fahitalavi-bahoaka. Tsy handaitra intsony ny sivana.

Naneho ny fankahalany ny mpampiasa Twitter amin'ny fampiasana ny hashtag #Dendias [17], mangataka ihany koa ankoatr'ireo zavatra hafa, ny tokony hialan'i Dendias.

@monahus [18]: Δένδια παραιτήσου #dendias [19]

@monahus [18]: Atoa Dendias, mialà #dendias [19]

@blacktom1961: [20]Αντί να παραιτηθεί ο χυδαίος και προφανώς κρετίνος #Dendias [12], που εκτέθηκε μόνος του σαν τον τελευταίο ηλίθιο του πλανήτη, φιμώνει κριτικές.

@blacktom1961: [20] Raha toa hoe hiala, satria nasehony sahala amin'ny hoe izy no faran'ny vendrana eto an-tany, ratsy saina, ary mazava hoazy tsy misy saina #Dendias [12] ampangino ny tsikera

Oharin’ [21][el] ny mpampiasa Rogiros , amin'i Italian President Silvio Berlusconi ny Direkteran'i ERT, Aimilios Liatsos:

@rogampf: [22]Ούτε ο Berlusconi δε θα τολμούσε να κάνει τέτοιο πράγμα στη RAI σαν κι αυτό που έκανε ο Λιάτσος στην ΕΡΤ. #Dendias [12] #Arvanitis [23] #Liatsos [24] #ERT [25]

@rogampf: [22] Na i Berlusconi aza tsy sahy hanao zavatra toy izany amin’ i RAI [Sampan-draharahan'ny filazam-baovao Italiana] toy ny nataon'i Liatsos tamin'ny ERT. #Dendias [12] #Arvanitis [23] #Liatsos [24] #ERT [25]

manameloka ny nataon'ny ERT ny fikambanana sy antoko politika, raha hanao fitokonana mifandimby mandritra ny 24 ora [26] ny mpanao gazetin'ny ERT/NET tamin'ny 30 Oktobra, mandra-panesorana ny fanapahan-kevitra hanala an'i Arvanitis/Katsimi.

Rivodozan'ny Sivana

Niseho vao haingana ny ohatra mikasika ny sivana hafa. Tamin'ny 25 Septambra, mponina amin'ny aterineto 27 taona no nalefa teny amin'ny tribonaly rehefa avy nogadraina noho ny fitoriana fanalam-baraka izay nataony tamin'ny Facebook page [27] mitondra ny lohateny hoe “Gerontas Pastitsios” (Zoliolona Pastitsios), izay ahitana tsikera manohitra ny mahakristianina sy ny sariolon'ny finoana Elder Paisios [28] ary ny fanovana ny “faminaniany”.

Tamin'ny 11 Oktobra, nanohitra ny filalaovana lohahevitra miompana amin'ny pelaka [29] ‘Corpus Christi’ tany Atena ny vondrom-pivavahana sy ny neo-nazis, mihevitra fa fanitsakitsahana izany; notsikerain'izy ireo fatratra ny sehatra ary noteren'izy ireo nofoanana ny lanonana.

Tamin'ny 16 Oktobra, nosakanan'ny Fahitalavi-bahoaka Grika TV channel NET ny laharana fifanorohan'ny sarimbavy avy amin'ny andian-tantara amin'ny fahitalavitra BBC  ‘Downton Abbey’. “Ny tena mahatsikaiky amin'ity olana ity dia ity direktera vaovao voatondro ho amin'ny fahitalavitra ERT/NET dia direkterana fantsom-baovao tsy miankina teo aloha izay tsy mitsahatra ny mampiseho ny “firenirenin'i”  Myconos sy vehivavy miboridana nandritra ny lohataona” hoy [30] i Keep Talking Greece .

Ity tranga farany ity dia andro iray taorian'ny  fanagadrana ny mpanao gazety Kostas Vaxevanis [31] izay namoaka ny anaran'ireo Grika maherin'ny 2000 heverina ho manana kaonty any Soisa ny gazety bokiny.