Fanairana tao Goatemala Taorian'ilay Horohorontany Maridrefy 7.4

Vaovao farany (7 Novambra 2012):

Nanambara ny tati-baovao farany fa fara-fahakeliny olona 39 [es] no namoy ny ainy noho ny horohorontany izay namely an'i Goatemala androany vao maraimbe. Olona 155 hafa kosa no fantatra fa naratra.

Avy hatrany dia nalaza tao amin'ny Twitter ny vaovao momba ny faharavana vokatry ny horohorontany maridrefy 7.4  izay namely an'i Champerico, ao amorointsiraka Pasifika ao Goatemala tamin'ny Alarobia 7 Novambra 2012.

Nizara sary ny mpiserasera ary nitatitra izany tamin'ny alalan'ny tenifototra #TemblorGT, #TiemblaenGuate, #TerremotoGT, #FuerteSismoGT, #Champerico, sy ny sisa.

Tsapa fa nahery vaika ihany koa ny horohorontany tao amin'ny firenena mifanolo-bodirindrina, Meksika sy El Salvador.

Mpisera Griddliss Barfe (@GriddlissBarfe) [es] nisioka ity sary manaraka tao Mazatenango, Goatemala ity:

Mazatenango, Guatemala

Mazatenango, Goatemala taorian'ny horohorontany. Sary nozarain'ilay mpisera Twitter @GriddlissBarfe

Mpisera Twitter hafa, tahaka an'i Nuestro Diario (@NuestroDiario) [es] sy Esner Navarro (@esnernavarro) [es], nizara sary misy ny faharavan'i San Marcos, izay namoizan'aina olona valo fara-fahakeliny, araka ny vaovao [es] farany avy amin'ny Prensa Libre.

Police station in San Marcos

Tobin'ny polisy ao San Marcos taorian'ny horohorontany. Sary nozarain'i @NuestroDiario tao amin'ny Twitter.

San Marcos, Guatemala after earthquake

San Marcos, Goatemala taorian'ny horohorontany. Sary nozarain'ilay mpisera Twitter Esner Navarro (@esnernavarro).

Nampiasa Twitter ny filohan'i Goatemalana Otto Pérez Molina (@ottoperezmolina) [es] mba handefa vaovao farany mikasika ny toe-draharaha. Indreto ny sioka farany tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra:

@ottoperezmolina: Se declara alerta roja nacional, se suspenden actividades públicas y se recomienda evacuar edificios.

@ottoperezmolina: Ambaranay fa anaty loza mitatao ny firenena ankehitriny. Mitsahatra avokoa ny asa rehetra ary aza misy olona mijanona any anaty tranobe.

@ottoperezmolina: Se trabaja para poder brindar ayuda a las personas afectadas. Estamos a la espera de datos oficiales.

@ottoperezmolina: Miasa izahay ankehitriny mba hanampy ireo izay niharam-pahavoazana. Miandry vaovao ofisialy izahay.

Nizara vaovao tao amin'ny Twitter ihany koa ny Vokovoko Mena ao Goatemala (@CRGuatemalteca) [es].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.