Nanafika An'i Yemen Ireo ‘Drones’ Amerikana Andro Iray Taorian'ny Nandresen'i Obama

Tsy ampy 24 ora akory taorian'ny fahalanian'i Obama ho Filoham-pirenena, nivoaka ireo vaovao mikasika ny fanafihana vaovao indray nataonà ‘drone’ tany Yemen. Tany amin'ny vohitr'i al-Sarin any Sanhan no nitrangan'io fanafihana io ka namono an'i Adnan al-Qadhi, Rabeaa Lahib sy Radwan al-Hashdhi, ary nandratra hafa, isan'izany ny ankizilahy iray. Nefa, tsy mitovy amin'ireo teo aloha ity fanafihana ity satria latsaky ny 40km miala ny renivohitr'i Sanaa i Sanhan Sanaa ary tanindrazan'ilay filoham-pirenena teo aloha, Ali Abdulla Saleh.

Yemenita maro mpampiasa aterineto no taitra sy ontsa. Ireto misy fihetseham-po vitsivitsy avy amin'izy ireo:

Nitoraka bitsika ilay Yemenita mafana fo Ibrahim Mothana :

@imothanaYemen: Nanafika an'i Sanhan, fizaram-pahefan'i Sana'a akaiky indrindra ny renivohitra, ny drone androany. #Yemen

‏@imothanaYemen:
Google Map: 34km fotsiny ny elanelana misy eo amin'ny vohitr'i al-Sirin any Sanhan sy ny ivon'ny renivohitr'i Yemen https://maps.google.com/maps?saddr=%D8%B5%D9%86%D8%B9%D8%A7%D8%A1%E2%80%8E,+Amanat+Al+Asimah,+%D8%A7%D9%84%D9%8A%D9%8E%D9%85%D9%8E%D9%86&daddr=%2B15%C2%B0+6'+50.76%22,+%2B44%C2%B0+21'+51.82%22&hl=en&ie=UTF8&sll=15.23384,44.286575&sspn=0.359746,0.676346&geocode=Fd1A6gAdYI2iAikx94RG1dsDFjFzrIIUepVrpA%3BFXSf5gAdavKkAg&mra=ls&t=m&z=11 …

Sarin'ny Google Map mampiseho ny elanelana fohy misy eo amin'i Sanhan sy Sanaa  renivohitra

@imothanaYemen: Fanafihanà drone anatinà “Ady Mangingina” ataon'ny “Mpitana ny Loka Nobel momba ny Fandriampahalemana”! Tsy ho hafahafa mihoatra noho izao ity fiainana ity #Yemen

Adam Banron, mpanao gazety miasa tena mipetraka any Yemen, nitoraka bitsika hoe:

@adammbaron: nitranga > 24 ora taorian'ny fahalanian'i Obama, sarotra ny tsy hahita ny fanafihan'i Etazonia an'i sanhan efa noahiahiana hatrany ho toy ny hafatra…raha tsy fihantsiana aza. #yemen

Gregory Johnsen, mpanoratra ilay boky vao hivoaka “The Last Refuge: Yemen al-Qaeda and America's War in Arabia”(Ilay Mpifindra Monina Farany: Ny Adin'ny al-Qaeda-n'i Yemen sy Amerika ao Arabia, nitoraka bitsika hoe:

@gregorydjohnsen: Raha tena fanafihan'i Etazonia tokoa ilay androany dia misy fanontaniana iray goavana mipetraka: Noraisina ho olona mikononkonona fatratra mitsikombakomba manohitra an'i Etazonia ve i ‘Adnan al-Qadhi?

Nanampy izy:

‏@gregorydjohnsen: Manontany ny lahatsoratry ny NYT raha “hamerina handinika ny fiankinan-dohan'ny fanjakany amin'ireo fanafihan'ny drone i Obama” #Yemen raha ny amin'izao fotoana izao aloha dia tsia http://nyti.ms/VTrh2e

Anatin'ny lahatsorany farany ‘Adnan al-Qadhi and the Day After,'( Adnan al-Qadhi sy Andro Manaraka) tao anatin'ny bilaoginy (Waq al Waq), nanamarika i Johnsen hoe:

Tena manan-danja ity. Araka ny vinavinako tsara indrindra, teo amin'ny 37 – 50 eo ireo fanafihana nataon'ny Etazonia tamin'ity taona izy tanatin'ny fiezahany hamono olona 10 – 15. Maro amin'ireo olona 10 – 15 ireo no mbola velona (jereo: Nasir al-Wihayshi, Said al-Shihri, Qasim al-Raymi, Ibrahim Asiri sy ny sisa) nefa maty ny olona any Yemen.

Talohan'ireo vokatra azo tamin'ny fifidianana tao Etazonia, nitoraka bitsika i  Remi Kanaz, ilay Palestiniana mafana fo sady poeta:

@Remroum: Barack Obama no anarako ary manaiky ity fanafihana amin'ny baomba ity aho. #Afghanistan #Pakistan #Yemen #Election2012

Nitoraka bitsika tam-panesoana ilay Yemenita Mpitoraka bilaogy Afrah Nasser:

@Afrahnasser:”Eny, Vitantsika Izany ry #Drone!” #Obama #Yemen #Somalia #Pakistan

Na izany aza, Arabo maro mpampiasa aterineto, ary tsy ireo Yemenita irery ihany no nitraka tamin'ny tsy fandresen'i Mitt Romney tamin'ny fifidianana satria maro amin'izy ireo no mino fa mety ho mbola maherisetra kokoa izy eo amin'ny ‘ady amin'ny fampihorohoroana’. Nefa araka ilay fanafihana farany teo, mandefa hafatra mazava i Obama fa tsy miova ny politikany any Yemen. Na eo aza izany, mandritra ny hafiriana no hahazakan'i Yemen ireo ‘drones’ ireo?

Nitoraka bitsika i Wedad Abood:

@WedadAbood: @BarackObama 4 taona mahery hiaretana ireo fanafihanà #drone mamono mahafaty vahoaka tsy manan-tsiny, tsy adino amin'izany ireo vehivavy sy ankizy #NoDrones #Yemen

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.