Tantara tamin'ny 07 Novambra 2012
Fahalotoan'ny Rano Mitera-doza Ho An'ny Aina Sy Ny Tontolo Iainana Ao Amin'ny Tany Hay Tengger
Tato anatin'ny andro vitsy, ireo mpikambana ao amin'ny tarika Yellow River 10-Year Investigation [zh] - Fanadihadiana isaky ny 10 taona momba ny Renirano Mavo - dia nanomboka nitatitra ny teo-draharaha mikasika ny fahalotoan'ny rano ao amin'ny tany efitr'i Tengger any Mongolia Afovoany. Milaza ilay tarika fa misy rano miloko mainty avoakan'ny indostria simika mpanodina arintany ao amin'ilay distrika be indostria mandoto ireo rano ambanin'ny tany any amin'io tany efitra io, manimba ny faritra fiompian'ireo mpiompy any an-toerana ary mitondra loza mitatao amin'ny fiainan'ireo miaina ao amin'ilay tany efitra.
Mpilatro Breziliana Lasa Mpangataka Niteraka Adihevitra Ara-Panavakavaham-bolonkoditra
Lava, manga maso ary mirakotra bodofotsy rehefa mirenireny eny amin’ny lalana Curitiba, ao atsimon’i Brezila, Rafael Nunes, mpilatro Breziliana taloha (ankehitriny fantatra toy ny mpangataka tia maka sary ao Curitiba)...
Tiorkia: Mampiasa Entona Mandatsa-dranomaso Amin'ireo Reny Manao Hetsi-panoherana Ny Polisy Tiorka
Tonga tamin'ny andro faha-55 nanaovan-dry fitokonana tsy hihinan-kanina ireo Kiorda gadra noho ny politika. Misy an-jatony ireo gadra noho ny politika manao fitikonana tsy hihinan-kanina ao Tiorkia, ary io dia nitarika nankany aminà hetsi-panoherana ho firaisankina nanerana an'i Eoraopa, ary indrindra moa fa tao anatin'i Tiorkia. Vao marainan'ny 4 Novambra 2012, nikarakara fitorevahana ny renin'ny sasany tamin'ireo gadra noho ny politika ireo, ary dia nifanehatra tamin'ny entona mandatsa-dranomaso, hatramin'ny tifitra tafondro rano nalefa mivantana tany amin-dry zareo. Miresaka momba ny fahanginana manoloana ny fitarainan-dry zareo ny Kiorda manerana izao tontolo izao.