Politikam-Pifindramonina Frantsay Nodinihana Indray sy Nahitsy

Nilaza ny finiavany hanova ny politikam-pifindramonin'ny fireneny ny minisitra frantsay misahana ny atitany, Manuel Valls, nandritra ny kabary nataony tao Toulouse, atsimo andrefan'i Frantsa. Mivaky toy izao ny navokan'ny haba-tserasera afrik53.com tao amin'ny lahatsoratra iray:

Le ministre de l’Intérieur, Manuel Valls, a annoncé jeudi avoir envoyé aux préfets la circulaire modifiant les conditions de naturalisation, et supprimant en particulier les questionnaires à choix multiples et la nécessité d'avoir signé un CDI.

Nanambara ny minisitry ny atitany, Manuel Valls, tamin'ny alakamisy fa nandefa naoty tany amin'ny prefe manova ny fomba fahazoan'ny vahiny ny zom-pirenena, tamin'ny fanafoanana manokana ny fanontaniana ahitana safidim-baliny maro sy ny tsy maintsy ananana fifanarahan'asa tsy voafetram-potoana.

Ho fanatanterahana izany, nanondro ny minisitra, araka ny filazan'ny afrik53.com ihany:

L’urgence tout d’abord : redres­ser la courbe du nombre de natu­ra­li­sa­tions, en reve­nant sur les cri­tères les plus dis­cri­mi­nants qui sont à l'origine de près de 70% des refus”, a-t-il dit selon le texte de l'intervention pro­non­cée lors d'une céré­mo­nie de naturalisation.

Ny vaindohan-draharaha : mampakatra indray ny isan'ny vahiny afa-mizaka ny zom-pirenena, amin'ny fiverenana amin'ny fepetra manavakavaka indrindra izay mahatonga ny 70%n'ny fandavana, hoy ny filazany araka ny voasoratra tamin'ny kabary nataony momba ny lanonam-pizakàna zom-pirenena.

Nandritra ny fe-potoam-piasan'i Nicolas Sarkozy, nampiasaina ny fepetram-pankahalam-bahiny mikendry ny hamerana ny fifindra-monin'ny vahiny sy hahazoana ny vaton'ny elatra farany ankavanana. Jean-Daniel Chaoui, nanoratra avy eto Madagasikara hita ao amin'ny blogg.org:

Claude Guéant [ancien ministre de l'intérieur] continue son marathon derrière le Front National dans le but de récupérer son électorat ou du moins une partie de celui-ci et d’affaiblir Marine Le Pen. Tout est bon pour y parvenir, y compris la démagogie xénophobe qui a pour conséquence principale la banalisation des thèses frontistes et l’accélération des comportements racistes et des situations d’exclusion.

Après les enfants d’immigrés qui font baisser le niveau scolaire dans les écoles, voici les étudiants étrangers que l’on renvoie dès leurs études terminées et les “mesures spécifiques” contre la délinquance étrangère dénoncée comme bien supérieure à la moyenne.

Nanao hazakazaka lavitr'ezaka taorian'ny Front National ingahy minisitry ny atitany teo aloha, Claude Guéant, mba hahazoana ny mpifidy an'i Marine Le Pen na ny ampahany amin'izy ireo farafaharatsiny sy hahakely hery azy. Natao daholo ny fomba rehetra hahatongavana tamin'izany, na dia nanaovana lainga fankahalana vahiny izay niteraka famahoahana [fanapariahana] ny fomba fijerin'ny “Front” sy fanafainganana ny fomba fihetsika mpanavakavaka sy ny fanilikilihana.

Taorian'ny zanaky ny mpifindra monina mampidina ny haavo lentan'ny fampianarana, iny indray ny mpianatra vahiny roahina vantany vao vita ny fianarany sy ny “fepetra manokana” hiadiana amin'ny fandikan-dalàna vahiny ampangaina ho mihoatra noho ny salanisa ankapobeny.

Manifestation pour la régularisation des sans papiers à la préfecture de région à Rennes.

Fihetsiketsehana fampizakana zom-pirenena ireo tsy manan-taratasy ao amin'ny prefektioran'ny faritra ao Rennes avy amin'i Camille hita wikipédia sous license-CC-NC-BY 2.0

Nanasarotra ny fiainan'ny mpianatra vahiny nianatra any Frantsa ny naotin'i Guéant tamin'ny mey 2011 izay mametra ny fahazoa-miasa ao, saingy tsy ho azy ireo ihany (jereo ny lahatsoratr'i Julie Owono [mg] ato amin'ny Global Voices momba izany). Sahiran-kevitra ihany koa ny mpitarika orinasa araka izay notaterin'ny habaka an-tserasera vousnousils.fr :

Les entre­prises fran­çaises sont “pré­oc­cu­pées” par les effets de la cir­cu­laire Guéant restrei­gnant les pos­si­bi­li­tés d'embauche des étudiants étran­gers diplô­més sur le ter­ri­toire. Le Medef estime que la mise en œuvre de cette cir­cu­laire “risque d'être un pro­blème pour la com­pé­ti­ti­vité de la France et son rayon­ne­ment à l'étranger” ; elle mena­ce­rait “l'attractivité des entreprises”.

“Sahiran-kevitra” ny orinasa frantsay vokatry ny naotin'i Guéant mampihena ny fahafaha-mandray miasa ny mpianatra vahiny nahazo diplaoma tao amin'ny firenena. Mihevitra ny Medef fa ny fampiharana io naoty io dia “mety hiteraka olona eo amin'ny fahafaha-mifaninan'i Frantsa sy ny famirapiratany any ivelany”; mety “hanohintohina ny fanintonan'ny orinasa” izany.

Ny Federasiona sosialista frantsay monina any ivelany dia efa nanameloka tanteraka ny voasoratra ao amin'ny naoty:

Par une circulaire du 31 mai 2011 relative à l’immigration professionnelle, les Ministères de l'Intérieur et du travail compliquent considérablement l'obtention d’autorisation de travail par les étudiants étrangers hors UE diplômés en France des universités et des grandes écoles.

Au-delà de sa xénophobie  latente, cette circulaire qui freine un peu plus l’immigration légale représente une aberration économique pour notre pays.

Tao amin'ny naoty nivoaka ny 31 mey 2011 mifandraika amin'ny fifindra-monina arak'asa, nanasaro-javatra tokoa tamin'ny fahazoan'ny mpianatra vahiny ivelan'ny vondrona eoropeana nahazo diplaoman'ny anjerimanontolo sy sekoly ambony ao Frantsa ny nataon'ny Minisiteran'ny atitany sy ny asa.

Ankoatra ny fankahalana vahiny somary miafinafina, niteraka zavatra tafahoatra eo amin'ny toe-karenan'ny firenentsika io naoty nampihisatra kokoa ny fifindra-monina ara-dalàna io.

Nolazaina izany fa efa nandrasana ny fepetram-panitsiana nataon'ny governemanta vaovao. Ary tonga izany araka ny nosoratan'ny habaka clesdusocial.com :

Le 31 mai 2012, la “circulaire Guéant” du 31 mai 2011 restreignant les possibilités d’autorisation provisoire (APS) de séjour pour une première expérience professionnelle en France des jeunes diplômés étrangers de niveau au moins du master a été abolie…..Elle est remplacée par une nouvelle circulaire, publiée le 4 juin, qui règle les demandes en attente par une autorisation automatique de 6 mois, non renouvelable et demande aux préfets de faciliter la délivrance d’une APS de 6 mois aux diplômés qui ont une promesse d’embauche. La demande peut être faite même avant d’avoir obtenu son master ; et les demandes complètes doivent être traitées en 2 mois maximum.

Nofoanana tamin'ny 31 mey 2012 ny “naoty Guéant” tamin'ny 31 mey 2011 nanakely ny fahafahana manome alalana vonjimaika ho fizaran-draharaha voalohany (APS) ao Frantsa ireo tanora mpianatra vahiny nahazo diplaoma master raha kely indrindra… Nosoloina naoty vaovao, nivoaka tamin'ny 4 jona izany, izay mamita ny fangatahana mbola miandry amin'ny fahazoan-dalana enim-bolana avy hatrany, tsy azo avaozina ary iangaviana ny prefe hanamora ny famoahana ny APS enimbolana ho an'ireo nahazo diplaoma efa nampanantenaina horaisina hiasa. Azo atao ny mametraka fangatahana na dia mialoha ny fahazoana ny master aza; tsy maintsy voakarakara ao anatin'ny roa volana raha be indrindra ny fangatahana [maha]feno [ny fepetra].

Fiovan-dalana tanteraka izany eo amin'ny sehatry ny fifindra-monina. Eny fa na dia ny fahazoana zom-pirenena frantsay aza dia nohamoraina. Giulia Herzenstein mampiseho azy ireny ao amin'ny lahatsoratra mivoaka ao amin'ny habaka questionsdetrangers.com, blaogin'ny Migration Conseil:

La circulaire concernant la procédure d’accès à la nationalité française est datée du 16 octobre 2012 et a été adressée aux préfets deux jours plus tard. Cette circulaire, signée par le ministre de l’Intérieur, veut clarifier plusieurs des critères pris en compte dans l’examen des demandes de naturalisation.

Ahitana ny datin'ny 16 oktobra 2012 ny naoty misahana ny fahazoana mizaka ny zom-pirenena frantsay ary nalefa tany amin'ny prefe roa andro taoriana. Te-hanazava ny fepetra maro noraisina tamin'ny fandinihana ny fangatahana hizaka zom-pirenena io naoty nosoniavin'ny minisitry ny atitany io.

Hoy ny saphirnews.com miresaka io fepetra vaovao io:

 S’il y a bien un secteur où les étrangers sont discriminés, c’est aussi celui de l’emploi. Manuel Valls plaide pour un assouplissement des conditions liées au travail, qui étaient à l'origine de 40% des refus de naturalisation. Dès à présent, il ne sera donc plus nécessaire d’avoir un CDI pour obtenir la nationalité française.

Il a également annoncé l’ouverture aux moins de 25 ans de l’examen des demandes de naturalisation. M. Valls a été lui-même naturalisé français à 20 ans juste après l'élection de François Mitterrand en 1981. Il faudrait toutefois que le candidat respecte deux conditions : avoir résidé en France depuis dix ans et avoir suivi une scolarité continue de cinq ans minimum.

Raha misy ny sehatra anavakavahana ny vahiny, dia eo amin'ny sehatry ny asa ihany koa. Miangavy ny hisian'ny fanalefahana ny fepetra mifandraika amin'ny asa i Manuel Valls, izay niavian'ny 40%n'ny fandavana hampizaka zom-pirenena. Hatramin'izao, tsy voatery manana fifanarahan'asa tsy mana-petra intsony vao afa-mizaka ny zom-pirenena frantsay.

Nilaza ihany koa izy ny fisokafan'ny fanadihadiana ny fangatahana hizaka zom-pirenena ho an'ny latsaky ny 25 taona. Nadia i M.Valls aza dia nahazo ny ny zom-pirenena frantsay tamin'ny faha-20 taonany taoriana kely monja ny nahalany an'i François Mitterrand tamin'ny 1981. Tsy maintsy misy fepetra roa voahaja kosa anefa na izany aza: efa nonina tao Frantsa folo taona sy nanaraka fampianarana mitohy dimy taona faharahakeliny.

Pierre Henry, tale jeneralin'ny “France terre d’asile”, nanazava ny heviny momba ity raharaha ity:

Cet assouplissement était nécessaire tant l’accès à la nationalité avait été dévoyé sous le gouvernement précédent. La suppression du QCM “Guéant” ou de l’obligation de possession d’un CDI ne peut que rencontrer notre assentiment.  Il reste cependant à s’interroger sur le pouvoir de véto laissé aux préfets, tout l’enjeu étant d’éviter l’arbitraire à travers une application homogène  de ces critères sur l’ensemble du territoire de la République.

Tena ilaina ity fanalefahana ity fa efa diso lalana ny fahazoana ny zom-pirenena nandritra ny fitondrana teo aloha. Tsy misetra afa-tsy ny fanekenay ny fanafoanana ny QCM “Guéant” na ny tsy maintsy ananana fifanarahan'asa mandritra ny fotoana tsy voafetra. Ny mbola mampanontany tena sisa dia ny fananan'ny prefe manao “veto”, nefa ny tadiavina dia ny hialana amin'ny nahiny [sitrapo] ao anatin'ny fampiharana mitovy an'ireo fepetra ampiharina manerana ny fari-piadidian'ny Repoblika.

Indrisy fa tena marina tokoa iny fanamarihan'i Pierre Henry iny. Ny fikambanana moureuxauban.net manamarika tranga maro mandravaka izany:

La Cimade nous a alerté de la situation déplorable à la Préfecture de Haute Garonne. L’organisation constate et déplore la persistance de pratiques préfectorales déloyales et inhumaines, qui vont à l’encontre de la volonté annoncée par la gauche de rompre avec la politique du chiffre.  «Convocations déloyales en préfecture, maintien en rétention pour une durée anormalement longue, privation de liberté excessive au regard des buts poursuivis, séparations de familles…» sont constatés au quotidien.

Nanaitra toe-draharaha mampalahelo ao amin'ny prefektioran'i Haute Garonne ny Cimade. Tsikaritra sy itarainan'ny fikambanana ny fitohizan'ny fomban'ny prefektiora tsy mendrika sy tsy manaja ny maha-olombelona, izay mifanohitra amin'ny finiavan'ny [antoko] havia hanapaka ny politikan'ny tarehimarika. tsikaritra andavanandro ny “Fampiantsoana tsy mendrika ao amin'ny prefektiora, fitazonana ao anatin'ny fotoana maharitra loatra, tafahoatra ny fanesoram-pahafahana mba hanatrarana ny tanjona kendrena, fampisarahana ny fianakaviana…”

Mbola tsy voarindra ireo fanitsiana ireo na izany aza. Eny tokoa, tsy afa-misitraka ireo fanitsiana ireo ny vahiny izay efa notsaraina ka terena handao ny fari-tsisitany frantsay. Misy oronantsarim-panadihadiana “égaux mais pas trop” [mitovy saingy tsy mihoatra] , fandaharana isambolana tontosain'i Rokhaya Diallo ao amin'ny fantso-pahitalavitra LCP Assemblée nationale, nampiseho ny fahasarotana andavanandron'ny olon-droa miaraka izay tratran'io toe-javatra io nefa vao saiky hivady ry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.