- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Top 10 Amin'ireo Fakàn-tahana ny ‘Gangnam Style’

Sokajy: Amerika Avaratra, Azia Atsinanana, Etazonia, Korea Atsimo, Shina, Hehy, Mediam-bahoaka, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina

Ny lahatsary manintona ny saina sy fomba fandihy mitapitapin'ilay Koreana Tatsimo mpiangaly gadona rap ‘Gangnam Style [1]‘ dia nahazo mpitsidika 630 tapitrisa tao amin'ny YouTube hatramin'ny anio (3 Novambra 2012) ary namotika ny zava-bita tsara indrindran'ny “Guinness World record” ho an'ireo lahatsary be “mpitia” indrindra [2] teo amin'ny tantaran'ny YouTube.

Tsy mahagaga loatra raha nitondra aingam-panahy ho an'ny mpampiasa Youtube maro ity lahatsary niparitaka be ity mba hamorona ny azy ireo manokana. Indreto ary ireo fakàn-tàhaka 10 mendrika indrindra amin'ny “Gangnam Style” nofinidy tao anatin'ireo lahatsary mahatsikaiky marobe.

Voalohany indrindra – Gangnam Style amin'ny resaka politika :

1. Hetsi-panoherana “Gangman” an'i Ai Weiwei

Iray amin'ireo mpandihy farany ny Gangnam ilay Sinoa mpanakanto/mpitolona malaza, Ai Weiwei. Lasa lohateny vaventy i Ai Weiwei niseho tamin'ity lahatsary ity niaraka taminà lobaka mavokely ary nandihy nisary gaigy saingy tamin'ny fomba fandihy nahavariana toa “mitaingin-tsoavaly”. Saingy tsy adinony ny nampita ny hafany mikasika ny sivana tamin'ny fitondràny rojo vy sy nanovàny ny lohatenin'ilay lahatsary ho  “Grass Mud Horse” (eto jerena [3] ny fanazavàna, amin'ny teny Anglisy)

2. Fifidianana Amerikana, Amin'ny Fomba Mitt Romney

Miaraka amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena efa manangasanga ao Etazonia, novokarin'i College Humor [4] ity lahatsary ity. Ny mpaka tàhaka ilay mpirotsaka ho filoham-pirenena avy amin'ny Repoblikana,  Mitt Romney dia nanao “rap” sy nandihy ao anatin'ilay lahatsary, maneso ny lazan'i Romney ho tahaka ny bandy mpanankarena tsy azo kitikitihana sy miaina fiaina ‘snob’.

3. Amin'ny Fomba Boliviana

Nitontona tany amin'ny tontolo politika Boliviana ihany koa ny “Gangnam Style”. Boliviana iray mpampiasa YouTube i KwonBanYa, nampakatra lahatsary iray mampiseho seho an-tsehatra misy ny Filoha Evo Morales sy ny Filoha lefitra Alvaro García Linera, miaraka amin'ireo mpikambana hafa nofantenana avy ao amin'ny antokon'ny mpitondra sy ny mpanohitra aseho amin'ny endrika “cameos”

+ amin'ny Fomban'ny U.N.

Tsy dia lahatsary iray mahatsikaiky loatra ara-teknika, saingy mendrika aseho kosa, ity dia mampiseho ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana Ban Ki-moon, izay teratany Koreana Tatsimo, mandihy ny “Gangnam Style” miaraka amin'i Psy tao amin'ny foiben'ny Firenena Mikambana ao New York

Izao indray dia hojerena ny sasany amin'ireo fakàn-tahaka mampivanàka:

4. Amin'ny Fomban'ireo Mpiara-mifonja

Ny Tobim-Paritra Famonjàna sy Fanarenana ao Cebu [5] dia fantatra amin'ny fampiasàna tsy tapaka ny dihy mirindra mba ho fomba famerenana ireo mpifonja ho eny anaty fiarahamonina indray. Jereo anie ity seho mahavariana iarahan'ireo mpifonja marobe mitafy akanjo tohitenany mivolom-boasary sy miara-mitsinjaka ity e!

5. Amin'ny Fomban'ireo Mpamonjy Aina

Tahaka ny tsy mitera-doza ny mifaly sy misary gaigy, saingy tsy amin'ny toerana sasany kosa, indrindra fa any amin'ny toeram-piasanao. Taorian'ny nampakaran'ny andianà mpamonjy aina ao El Monte, California, ity fakàn-tahaka ny “Gangnam Style” ity, miseho miaraka amin'ny fanamiany tao anaty dobo filomanosana, olona 14 no voaroaka. Psy, ilay K-Pop malaza, izy tenany mihitsy no nijoro niaro [6] azy ireo mba hiverenan-dry zareo tamin'ny asany. Tsy ela akory dia nifidy ny tanàna fa handray indray [7] ireo mpamonjy aina ireo.

Mandritra izany fotoana izany i Psy dia matetika no mitondra fanehoan-kevitra amin'ny famerenan'ireo mpampiasa Youtube mandrindra ilay hira malazany:

6. Gangnam Amin'ny Fomban'ny Mpitsoka Mozika Avy Amin'ny Anjerimanontolo Ohio

Tanaty tafatafa dia nolazainy fa nahita andianà mpitsoka mozika iray [8] “nampihetsi-po” izy, ilazany an'ity lahatsary novokarin'ny mpitsoka mozikan'ny Anjerimanontolon'i Ohio ity.

Ary farany, ireo fanomezam-boninahitra tsy dia mampino loatra …

7. Amin'ny Fomban'i Noam Chomsky

Lahatsary fakàn-tahaka ny “Gangnam Style” avy amin'ny M.I.T no niparitaka be [9] manasongadina iray amin'ireo mpahay momba ny teny sy mafàna fo eto an-tany, Noam Chomsky.

8. Hetsika Tselatra (Flash Mob) Nataon'ireo Kintan'ny Fanatanjahantena

Anatin'ireo kintan'ny fanatanjahantena marobe izay nirohotra hanao ny hiran'i Psy ny Hetsika tselatra notarihan'ilay kintan'ny NFL, Roy Hibbert.

9. Amin'ny Fomba Brunei

Brunei angamba no toerana farany indrindra hoeritreretin'ireo Koreana Tatsimo mety handrenesana ny “Gangnam Style”. Saingy dia io izy io, lahatsary mahatsikaiky iray nolalaovina tany amin'ny tendrony ilan'ny tany.

10. “Gangnam Style” Amin'ny Fomban'ireo Navy

Andianà tantsambo avy amin'ny U.S. Naval Academy no nihira ny hiran'i Psy sady niara-nitsinjaka miaraka amin'ny fanamiany fotsy. Tsy tahaka ireo mpamonjy aina izay niharan'ny fandroahana, ireto mpiofana ho tantsambo Navy ireto dia voalaza fa nahazo fankatoavana [10] avy amin'ny Navy.

http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=xhHufV9g4k4 [11]

Mety nisy fomba fakàn-tàhaka ny Gangnam Style nankafizinareo fa tsy hitanay ve? Ampahafantaro anay ao anatin'ny fanehoan-kevitra e!