- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hetsika manompa no navalin'ny ministry ny fiarovana Frantsay taloha fanontaniana momba izay fiaken-keloka mety hataon'ny Frantsa mikasika ireo herisetram-panjanahantany tany Alzeria fahizay

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Eoropa Andrefana, Alzeria, Frantsa, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara
Ny hetsika manopa nataon'ny ministry ny fiarovana Frantsay taloha hany valinteniny mikasika izay fiaken-keloka mety hataon'ny Frantsa mikasika ireo herisetram-panjanahantany tany Alzeria fahizay [1]

Ny hetsika manompa nataon'ny ministry ny fiarovana Frantsay taloha hany valinteniny mikasika izay fiaken-keloka mety hataon'ny Frantsa mikasika ireo herisetram-panjanahantany tany Alzeria fahizay – sary nadika tamin'ny DNA Algérie – (azo apariaka malalaka)


Ny vohikalam-baovaoa DNA Algérie no mitatitra [1] [fr] ny hatezeran'ireo Alzeriana nateraky ny fihetsika mamofady nataon'i Gérard Longuet [2], ministry ny fiarovana Frantsay taloha, izay nanompa ho valin'ny fanontaniana momba izay mety ho fiaiken-keloka hataon'ny Frantsa mikasika ireo heloka an'ady [3] nandritra ny adin'i Alzeria hiala tamin'ny fanjanahantany [4].
Nihevitra hono ingahy Longuet fa efa tapitra ny fampitàna fahitalavitra raha nanao izany fihetsika izany ny tenany.